Omby natelin’ny rano ritra ny ràny

1. RATOVOARY ( 11/03/2009 06:58)
Gazetiko:
Nandritra ny adiny roa no tsy hita ity omby vavy iray fa nihitsoka tao anaty rano rehefa niampita teo amin’ny tetezan’Andovosira, any Mananjary, ny alatsinainy 9 martsa teo. Gaga ny olona raha naheno izao tranga izao satria dia vao sambany no nisy toy ity, isan-taona mantsy dia saika olona hatrany no alain’ny rano fa toa hoe: mila rà sy aina ny rano. Araka ny feo mandeha aza dia misy sahafa be ao anaty rano ao ary dia io no maka olona. Tsy nisy naninona ireo omby namany fa ity iray ity ihany no nidiran’andro nefa dia eo ihany no fampitan’ny mpiambina azy ireo isan’andro . Rehefa tapitra ny adiny roa dia indro fa niempo avy any anaty rano ilay omby ary dia nisy trondro maromaro nanaraka azy. Talanjona ny olona rehetra nanatri-maso satria dia hafahafa ny zava-niseho. Maina sy tsy nisy rà intsony ilay omby rehefa norasain'ny tompony, misy tokoa ary ve izany ny biby anaty rano mitroka rà ?
Nohanina sy namidy mora teo amin’ny mpiara-monina ilay henan’omby.
HAR

Fa tena misy toerana itoeran-javatra toy izao ve?
2. fahamarinana ( 11/03/2009 07:07)
:arrow: Tsy haiko aloha Zandry raha misy ,za rahateo tsy nanatrimaso sy mbola tsy nahita fa ny haiko dia misy toe-javatra maromaro ihany any amintsika any an izay misy sy mahatalanjona,tsy azon'ny saina aman'eritreritra heverina mihintsy :mistery tanteraka !! Ho anay,ho antsika mipetraka sy lehibe any anindratany any dia tsy zava-baovao fa iainana isan'andro.Za manokana manaja na tsy mandala aza ny sasantsany satria samy masina an-taniny,eny na tsy azoko aza ndraindray ny antony fa rehefa afarana aho hoe aza manao an'izao dia miheno aho...
Ohatrany tsy nahavaly ilay fanontanianao za o , fa lasa nanitatra ndray aza !:wink: (l)
3. RATOVOARY ( 11/03/2009 07:16)
Ny mahavariana ahy dia le hoe isantaona no mila rà sy aina ilay rano, de iza no ao ka mila an'io. Taloha manko de hoe misy vaziba io rano io, fa tsy mba naka ain'olona zany fa tsy azo otana fady fotsiny. Fa raha sendra manota fady dia lazain'ny RAD t@ zany fa arahim-bazimba ka mety aholany ny tenda hono na lasa itoeran-javatra fotsiny mandra-paha analana lay fanotàna fady natao.
Ekeko ilay hoe samy masina an-taniny, na izaho aza efa nipetraka t@ tranon'ny silamo taloha teo fa tena nitandrina izay fepetra napetrany rehefa ao antanàna ( ny fifadiana hanina tsy fihinan-dry zareo, raha sendra tafahinana ampandehanana dia midio tsara vao mody an-trano sns...) fa ity hoy aho dia hoe maka aina ilay zavatra ao anaty rano. De raha izany efa fantatra fa izay ny momba an'io rano io dia inona no mbola anatonkatonana azy na ampiandrasana biby fiompy akaikin'io rano io. Tsy aleo mitandrina toy izay efa voa vao hoe tahak'izay?
4. Mirananirina ( 11/03/2009 12:33)
Ary ilay fitenenana hoe:zanak'omby tsy hampianarin-domano,hay misy rendrika ihany a.
5. soanja ( 11/03/2009 14:07)
Betsaka ny biby mitroka ra saingy ny hoe handany ran'omby rehetra ao anaty fotoana fohy aloha mety tsy possible. Saingy ny olona koa anie ka mahavita mitantara e. Efa mpandeha amin'iny kanalina Pangalana iny aho fa dia be ny resaka heno sy finoana arahina rehefa eny ambony lakana na kanoty na vedety eny ary tena misy mahita raha mihitsy an! Asa anefa zah mba te ahita zazavavindrano mafy fa tsy mbola niseho tamiko ry zareo. Nefa ny olona eo ampitaingenana sambokely eo maheno hirahira, mahita afo mirehetra tampoka sns... ny tenako tsa mba mahita. :( Izy koa rehefa mahita tsy mahazo miteniteny na mivolagna na mikiaka de refa tonga amzay aleha vao mitantara. :) :)
6. soanja ( 11/03/2009 14:08)
De mbola misy mpividy sy mpihinana ve zany nofon-kena izany? :/
7. sakaizakely ( 11/03/2009 22:24)
mahita afo mirehetra tampoka

ahatsiarovako zavatra nitranga tamiko zany

nanao ekskursion tany antendrombohitra somary lavidavitra ny tanana ny kilasin'i zokiko de nanaraka andreo tany aho, ry zareo classe de première de za mbola 5è. Teo ampisakafoanana ny oul de somary nihataka kely naika hanondraka bozaka :-P de nisy afobe nijoalajoala teo anoloako, nahatsiaro nahamay mihitsy tam zay de nidodododo niverina oe may ny ala fa ndao hitsoaka, nikoropaka aby ny ankizy hijery, de niara-niverina fa tena tsy nisy ninn ninn, nahatsiaro tena wainn mits za sady tonga saina oe nofy ve le izy, nefa de tena hitako sy tadidiko tsara.

Mbola mistery amiko hatram zao, mbola manontany tena foana aho hoe nofy ve le izy sa tena fahitana marina...

8. xxx ( 11/03/2009 23:36)
Aza mifoka rongony wa refa tsy mahazaka ry sakaizakely ,zany no iafarany rehefa tsisy saina.
9. soanja ( 12/03/2009 04:02)
10. RATOVOARY ( 12/03/2009 07:21)
Aza mifoka rongony wa refa tsy mahazaka ry sakaizakely ,zany no iafarany rehefa tsisy saina.
:-D :-D Hafa koa iny.
11. ravonjison ( 12/03/2009 18:45)
RATOVOARY:

Gazetiko:
Nandritra ny adiny roa no tsy hita ity omby vavy iray fa nihitsoka tao anaty rano rehefa niampita teo amin’ny tetezan’Andovosira, any Mananjary, ny alatsinainy 9 martsa teo. Gaga ny olona raha naheno izao tranga izao satria dia vao sambany no nisy toy ity, isan-taona mantsy dia saika olona hatrany no alain’ny rano fa toa hoe: mila rà sy aina ny rano. Araka ny feo mandeha aza dia misy sahafa be ao anaty rano ao ary dia io no maka olona. Tsy nisy naninona ireo omby namany fa ity iray ity ihany no nidiran’andro nefa dia eo ihany no fampitan’ny mpiambina azy ireo isan’andro . Rehefa tapitra ny adiny roa dia indro fa niempo avy any anaty rano ilay omby ary dia nisy trondro maromaro nanaraka azy. Talanjona ny olona rehetra nanatri-maso satria dia hafahafa ny zava-niseho. Maina sy tsy nisy rà intsony ilay omby rehefa norasain'ny tompony, misy tokoa ary ve izany ny biby anaty rano mitroka rà ?
Nohanina sy namidy mora teo amin’ny mpiara-monina ilay henan’omby.
HAR

Fa tena misy toerana itoeran-javatra toy izao ve?

Betsaka ny zavatra lazaina fa mahagaga any Dago, izaho dia anisan' i olona tena liana tanteraka ny @ izany. Fa raha io voalazanao io aloha dia tsy inoako, isika gasy mantsy @ ankapobeny be finoana loatra, ka raha tsy misy porofo mazava tsy inoako. Raha izao no nahita izany dia nataoko teo no eo ny autopsie n' ilay omby mba ahitana ny marina, fa raha resak' olona fotsiny, tsy lasa.
Araka ny voalazan' i SOANJA etsy ambony dia misy hono olona eny ambony lakana mahita zavatra mahagaga toy izany , ny papanay koa mantsy niasa t@ iny faritra atsinanana iny ( Ambodilazana) dia mitantara koa izy , saingy tantara avy amin' olona no ampitainy.Izany hoe betsaka ny tantara fa ny porofo tsy misy.
Ao Ambohimandroso gara ( Ambatolampy ) dia misy karazana fitsaboana toy izao : isaky ny sabotsy tsena dia misy ireo mpitsabo manao ny asany eny ivelany, @ ahitra.Tonga ilay olona manana olana dia somary didian' ilay mpitsabo kely @ lame ny toerana sasany @ tenan' ilay marary (oh: lohalika, kiho... ), dia trohany avy eo ilay ratra, misy zavatra alohany avy any ambava avy eo.Izany hoe iny izany ilay mamparary ilay olona, dia sitrana tokoa hono ilay olona. Io karazana fitsaboana io dia misy foana ary t@ izaho mbola nianatra t@ EPP no nahitako azy ( taona 1982-1985) , satria eo akaikin' ny fianaranay ny tsena.
Rehefa nandalo tany Dago aho t@ 2007 dia niverina tany antoerana niaraka t@ apareil photo, tena tiako ho documenter mihitsy ilay izy. Ratsy vintana anefa aho satria tsy tonga tao ireo mpitsabo, izaho anefa efa tena vonona handalina ny zavatra rehetra....Rehefa mandalo any Dago aho @ faran' ny taona dia hoany indray ,ary manantena aho fa hahazo porofo : mahasitrana tokoa ve sa tsia ilay fitsaboana ?
Ny tiako holazaina dia izao : betsaka ny zavatra mahagaga lazaina any Dago, fa ny tena porofo tsy misy. Dia mba miezaka aho hanana ireo porofo, farafaharatsiny @ filiere misy ahy. Ho hita eo
Noho izany tsy dia mino io voalaza eo ambony io aho.

12. RATOVOARY ( 13/03/2009 07:37)
ravonjison:
Fa raha io voalazanao io aloha dia tsy inoako

Ialako tsiny aloha fa asa na izaho no tsy mhazo ny fomba fitarihan-kevitrao na tena diso famaky ianao fa efa nofaritako mazava fa ny Gazetiko no nahitako an'io
hoy i Gazetiko

Na izaho koa aza dia isa'ny tsy andairan'io finoanoampoana io, fa raha fanajàna ny zvt tandreman'ny olona akaiky ahy na mifanerasera amiko kosa dia tandremako tsy ho tsinotsinoaviko.
13. ravonjison ( 13/03/2009 10:15)

Azafady indrindra e, ny tiako ho lazaina dia hoe : ny voalazan ' io gazety io. Tokony mba asiandry zareo ny sarin¨' ilay omby, na ny toerana nivoahan' ilay ra @ tenan' ilay omby, raha eritreretina hoe misy biby mitroka ra ao anaty rano.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1005