Ny kabarin'i Ra8 farany teo.

1. xxx ( 10/03/2009 22:05)
Amorok'ady ny tenany sy ireo namany ka dia niteny sy nibaboka ihany ny niafarany i ngahy Ra8.
Tsy misy ny maharatsy ilay natao ary isaorana izy nanao izany fa ny olana dia hita fihetsika feno fihatsaram-belatsihy sy fitiavan-tena ilay nataony.

Rehefa ny momba azy no tratra fa misy olana dia hainy ny milaza fa olombelona ihany ny tenany. Fa raha ireo hafa toy ireo nogadrainy ara-politika sy ireo mpanao gazety kosa dia tsy nasiany hantra na dia kely aza eny fa na dia ireo nanampy azy ho eo amin'io toerana maha filoha azy aza.

Amiko, raha olona tsy mahay mamela ny alahelony amin'ny hafa dia tsy tokony asiana hantra koa ny fanagadrana na fandefasana azy en-exile.

Noho izany dia mendrika ny hisolo ny toeran'i Pety sy ireo olona no gadrainy ity Ravalomanana ity satria dia ny heloka vitany dia mihoatra lavitra nohon'ny vitan'ireo izay nogadrainy ireo.


novalian'i bazylou ny 11/03/2009 00:32
2. zakilinina ( 10/03/2009 22:11)
Feno fanetren-tena ny kabarin'ny filoha Ra8. Misaotra an'Andriamanitra isika fa manana filoha tena miaina an'izany atao hoe fivavahana izany. Raha hendry tsara isika vahoaka dia ho tafita soa aman-tsara isika mianakavy. Kanefa indrisy fa tsy ho ampy anarenana ny simba ny 3 taona farany amin'ny mandat-ny. Izao manokana aloha dia mbola hifidy azy amin'ny 2012.
3. Vargas ( 10/03/2009 22:19)
I xxx mpiaro mpanao pôlitika migadra.Voalahany aloha tsy ny filoha no nanagadra fa ny fanjakana no nanatanteraka ny fahefany.Ary matoa migadra dia nanao fahotana.I Voninahitsy ve sa i Fidy Sa i Rakotonianna no mpanao pôlitika lazainao.Na ny gasy any Papouasie aza efa mahafantatra fa be mpanamorika ao Madagasikara.Rehefa tsy tanty dia aza mananonao foana.
Fa nga mihevitra ny hiafina ao @ambasady n'iza foana rehefa tena hifandona?
4. maditra ( 10/03/2009 22:30)
Nahafaty olona maro ratsiraka nefa mbola tsy niala tsiny tamin'izany akory, eny na fiatsarambelatsihy aza tsy nataony. Mendrika hoderaina ny fihetsiky ny filoha androany ireny ary saina donto ihany no tsy mahatsapa an'izany. Fa ny mampalahelo dia ny fiatsarambelatsihin'ny tgv sasany izay mody milaza fa tsy mila an-dRavalomanana satria hoe "mpamono olona" nefa mitady ny hamerenana an-dRatsiraka. En plus misaotra an'Andry Rajoelina fa milalao ny toerana maha mpanjanaka azy tsara i lafrantsa reny malala. Nationalité frantsay rahateo ranamana
5. xxx ( 10/03/2009 22:37)
Vargas> tsy ny filoha no nanagadra fa ny fanjakana??? fa iza no filohan'ny fanjakana??? ka raha ho entina amin'izany ve ny resaka tsy mba afaka hilaza koa ry Voninahitsy sy ry Fidy na i Rakotonirina fa hoe tsy izy no nanao ny hadisona fa ny commune nisy azy na ny miaramila teo ambany fifehezany.
Famnajakana= Ra8 no tokony ho maso mandidy.

fiaran'ny commune ve de hita hanagadrana olona efa ho firy taona izao fa tsy ho asaina mamerina ny vidiny izy na hanaovana saisie ny fananany.
Ity Ra8 jereo $60 million tsy fantatra hoe avy aiza? ny tanindrazana saika ahofa 100 taona @ Korean? ireo fotsiny no tanisaiko fa mbola maro be ny zava-bitan'ilay ngahy ra8 iny.

Zakilinina> raha mbola hifidy azy ianao @ 2012 dia eny Tsiafahy na any Corre alefa ny vatonao fa ho faly be izy handray azy. Aza adino fa Classiko no bileta fifidianan amin'izany fotoana.
6. bazylou ( 11/03/2009 00:32)
hypokrity tsy vanona le8 io!!!! :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0604