Mba atsaharo amin'izay ry zareo ny fifandrangitana sns
1. essera
(
10/03/2009 11:55)
Salama daholo,
Ry zareo, sao dia tokony hatsahatra amin'izay ny fifandrangitana sy ny fifankahalana fa efa latsaka tanteraka amin'ny hantsana ny fihavanana maha-malagasy.
Itony fitaovan-tserasera itony izay hamoahana ny hevitsika ange ka mamoy mafy dia mafy izay hevitsika avy. Efa tafiditra amin'ny krizy ambony lenta isika satria na eo anivon'ny tafika aza dia efa misy tsy milamina mba tsy hitenenako zavatra hafa. Manana ny lanjany be izay soratantsika ato manoatra noho ny amin'ny radio rehefa tena zohina.
Mba miangavy ry zareo, aleo tsy manoratra intsony raha toa mbola handrangitra ny hafa ihany. Samy maharesy isika, samy tsy misy resy. Ny fifandeferana no zava-dehibe.
Misaotra ry malagasy namana.

novalian'i Oay ny 10/03/2009 13:08
2. tsinjo
(
10/03/2009 12:02)
ary niova ane nareo zany e, nefa teo aloha toi mitsy no mpivohy ilay fandrangitana =D> :-@
3. yuka
(
10/03/2009 12:37)
ka rehefa mavaivay toizao ny toedraraha dia aleo milamina fa isika tsy afaka hifapitorabato tsinn :)
alamino aloha d aveo mifapitoraka hevitra :)

4. Oay
(
10/03/2009 13:08)
Marina ny an'i essera sy yuka hoy ilay teny Malagasy manao hoe "Ny hisavorovorona hilantoana" ary ny "heloka hibaboana mody rariny" (Faute avouée est à moitié pardonnée) ka raha tena Malagasy Ray sy Reny ka nobehazina t@ fahendrena sy ny fihavanana Malagasy d manaiky sy mino fa ny fifamelana no zava-dehibe. Izany akory tsy midika hoe tsy tokony atao ny fampiharana ny lalana a!