Fitsapam-pitiavana

1. Badeda71 ( 10/03/2009 08:23)
Za de lehilahy 36 taona, nanana sipa aho ary efa niaraka efa nandritry ny 5 taona izahay, samy nanan-janaka tany ivelany avy, nandritra zay fotona zay de nahatoky azy tanteraka aho, tao ho ato anefa ; mba hitsapako sy ho porofon'ny tena fitiavany dia nitsapa azy aho, ka namorona solon'anarana tam site hafa, ary dia niroso tamin'ny fifandraisana, sy firesahana taminy, toy ny tovolahy, sy tovovavy rehetra dia raikitra ê; ary dia niafara tamin'ny resaka fitoriana fitiavana, ka nifanao rendez-vous handeha hitsangatsangana, marihiko fa tao anatin'ny 1 andro izy io, dia raikitra, nitazana azy teny lavitra teny aho rehefa tonga le fotoana nifanomezana, teo aho vao niteny irery, fa hay le fifampitokisana hatr'zay dia nivadika ankehitriny, ka raha misy olona miresaka, na mikaoty azy dia avelany eo aho. Kivy aho, ary tena ketraka. Ary tsy nampoiziko velively ny fanekeny avy hatrany ilay olona niresaka taminy. Tsy tantiko intsony le fitsapana nataoko azy ka izaho ihany no nitsotra taminy, fitsapako anao ireny, hay ve ka mora mivadika otr'zany ianao, dia tezitra tamiko izy, ary niady be izahay ankehitriny. Koa mila hevitra aminareo aho, diso aho ve, nanao ilay fitsapana ho azy izay noheveriko mba ho porofo ahafantarako fa mbola tia ahy foana izy n'inona mitranga ? Inona no tokony hataoko. Ampio aho rey olona !
novalian'i xxx ny 24/08/2009 17:11
2. mampahery ( 10/03/2009 08:35)
Zao Badeda a,tena nanao anio tokoa izy fa tsy nitsapa izany.tratranao izy de tsy maintsy izany no lazainy,fa ny tiako fatarina de zao hoe efa fantatrao ve fa izy io olona nifandray t@ nao @ site io?fa ra eo amiko ny toerana de mety misy zavatra tsy ampy ao lazao izy hoe inona no naha tonga azy hitady rencontre @ hafa.
3. mimioa ( 10/03/2009 10:07)
tena mety marina io vôlazan'ikaky mampahery io : mety misy zavatra tsy ampy ao matoa izy mtady rencontre hafa : ka hadihadio !!!!
mahereza
4. Mirananirina ( 10/03/2009 14:25)
Ka izay mihitsy no tsy andehanana rendez vous ohatra izany.
Raha izah dia mangataka sary alohany ihaonana,zara aza fa izy,fa raha izany moa ka anabavinao dia ahoana?
5. xxx ( 10/03/2009 15:03)
Henjana izany situation nao izany

Mbola tianao ve izy ? Raha mbola tianao izy, dia lazao azy izany, lazao azy koa hoe notsapainao izy fa matoa lasa nivily dia misy tsy ampy ny nomenao azy ka vonona ianao hameno ny banga

Bon courage
6. soanja ( 11/03/2009 15:28)
Badeda71:

Za de lehilahy 36 taona, nanana sipa aho ary efa niaraka efa nandritry ny 5 taona izahay, samy nanan-janaka tany ivelany avy, nandritra zay fotona zay de nahatoky azy tanteraka aho, tao ho ato anefa ; mba hitsapako sy ho porofon'ny tena fitiavany dia nitsapa azy aho, ka namorona solon'anarana tam site hafa, ary dia niroso tamin'ny fifandraisana, sy firesahana taminy, toy ny tovolahy, sy tovovavy rehetra dia raikitra ê; ary dia niafara tamin'ny resaka fitoriana fitiavana, ka nifanao rendez-vous handeha hitsangatsangana, marihiko fa tao anatin'ny 1 andro izy io, dia raikitra, nitazana azy teny lavitra teny aho rehefa tonga le fotoana nifanomezana, teo aho vao niteny irery, fa hay le fifampitokisana hatr'zay dia nivadika ankehitriny, ka raha misy olona miresaka, na mikaoty azy dia avelany eo aho. Kivy aho, ary tena ketraka. Ary tsy nampoiziko velively ny fanekeny avy hatrany ilay olona niresaka taminy. Tsy tantiko intsony le fitsapana nataoko azy ka izaho ihany no nitsotra taminy, fitsapako anao ireny, hay ve ka mora mivadika otr'zany ianao, dia tezitra tamiko izy, ary niady be izahay ankehitriny. Koa mila hevitra aminareo aho, diso aho ve, nanao ilay fitsapana ho azy izay noheveriko mba ho porofo ahafantarako fa mbola tia ahy foana izy n'inona mitranga ? Inona no tokony hataoko. Ampio aho rey olona !


Tsia, tsy diso ianao nitsapa azy ka. Ny olona manko samy manana ny fomba itiavany ny hafa. Ao ny mahatoky izay tranga misy, ao koa ny mila maka toky dia manao ny fahatsapna sns... Tsy misy maharatsy ireo akory. Ny hany hitako ho tokony ataonao dia ny hoe Aiza ho aiza ny fanapahan-kevitrao amin'izany fahatsapana fa tsy mahatanty kotina ny sipanao fa mety hanaraka lehilahy hafa tokoa raha voakoty? Manaiky an'io ve ny momba anao sa hoe mijaly ny sainao mahalala an'io. Safidy tsy mipetraka amin'iza n'iza izany afa tsy ianao irery ihany no afaka hanapaka izany. Nahatsara anao ve ny nahafantatra sa tsia?? Inona no fepetra raisinao momba izany? Ianao mahalala ny tenanao ary ianao ihany koa no mahalala ny fetran'ny fanekenao ny atao hoe fifankatiavana.

Azy ihany koa no manaiky na tsia no hotsapaina lava ohatra. Mifampandinika eo ianareo. Aza mora kivy! Izay no mahasarotra ny fisian'ny aterineto, manasahotaka zavatra tokoa. Mbola miana-mamindra aby isika mianakavy momba ity teknlojia ity ary tsy misy ifanomezantsiny ny fahadisoana izay misy. Ny tsapan'ny vatana sy ny saina mantsy mety zavatra tsy voafehy mihitsy indraindray fa efa voakaikitra vao miifika!


:-* :-* :-*
7. menvasoua ( 07/04/2009 09:05)
Badeda71:

Za de lehilahy 36 taona, nanana sipa aho ary efa niaraka efa nandritry ny 5 taona izahay, samy nanan-janaka tany ivelany avy, nandritra zay fotona zay de nahatoky azy tanteraka aho, tao ho ato anefa ; mba hitsapako sy ho porofon'ny tena fitiavany dia nitsapa azy aho, ka namorona solon'anarana tam site hafa, ary dia niroso tamin'ny fifandraisana, sy firesahana taminy, toy ny tovolahy, sy tovovavy rehetra dia raikitra ê; ary dia niafara tamin'ny resaka fitoriana fitiavana, ka nifanao rendez-vous handeha hitsangatsangana, marihiko fa tao anatin'ny 1 andro izy io, dia raikitra, nitazana azy teny lavitra teny aho rehefa tonga le fotoana nifanomezana, teo aho vao niteny irery, fa hay le fifampitokisana hatr'zay dia nivadika ankehitriny, ka raha misy olona miresaka, na mikaoty azy dia avelany eo aho. Kivy aho, ary tena ketraka. Ary tsy nampoiziko velively ny fanekeny avy hatrany ilay olona niresaka taminy. Tsy tantiko intsony le fitsapana nataoko azy ka izaho ihany no nitsotra taminy, fitsapako anao ireny, hay ve ka mora mivadika otr'zany ianao, dia tezitra tamiko izy, ary niady be izahay ankehitriny. Koa mila hevitra aminareo aho, diso aho ve, nanao ilay fitsapana ho azy izay noheveriko mba ho porofo ahafantarako fa mbola tia ahy foana izy n'inona mitranga ? Inona no tokony hataoko. Ampio aho rey olona !

nampalahelo koa izany enao,za aloha vehivavy no miteny hoe efa tsy de ao intsony ny fitiavany matoa izy mbola azony olona ampiresahana izany e,izahay vehivavy mantsy tokan-po izay ka rehefa tia izahay de tena tia, indrindra fa mahay maneho fitiavana anay izay ny vadinay na sipa io , de tsy ho hatakalonay an' izan' iza izany iny olontinay iny, fa matoa izahay izay miova de efa misy raha tsy manjary ao na tsy mety aminay .
anjaranao ny miheritreritra raha hanontany azy enao ka vonona ny hanarina ny tsy mety na ny hiala @

8. benasy ( 15/04/2009 10:55)
Matoa ianao nitsapa dia te-ahafantatra ny hafanàny, sy ny halaliny ! tsy azo raisina ho hadisoany izany anefa satria hitany misy tsy ampy eo aminao; ka ezaho fantarina izay.... Tsy hoe tsy ampy -angamba- fa mety mila fanarenana kely ao ! Mitoera eo amin'ny toerany ianao dia hohitanao ilay réaction-ny !

Mahereza lehiroa a!
9. Ratoa ( 22/04/2009 14:10)
Raha izaho aloha dia tsy hanao ny nataonao mihitsy aho é! Tsy toetrako ary tsy tiako ny "mitsapa" araky ny filazanao. Amiko ianao dia efa tsy natoky intsony. Na nahatsapa fahabangana. Noho ny amin'izany, dia nifanatri-maso taminy aho. Nalazako azy ny fahabangana na fihahiana nisy tamiko.
Amiko koa ianao dia namitaka ka voan'ny nataonao. Nahoana ireo hetsika sy teny mamy nataonao @ anterinety no tsy natao nivantana? Milaza ireo sy ny fanarahany an'"ilay olon-kafa" fa misy fahabangana tokoa aminareo izay hitany tampoka teto ny famenony.
Raha izaho no teo @ ny toeranao dia tsy alazako azy mihitsy io fa ny fietsiko no ovaiko araky izay nosoratako,araky izay fahabangana nasongadin'ny fitsapana nataokao, raha ohatra ka mbola tia aho.

Saingy ahoana moa izany fitiavana mifangaro tsy fahatokisana izany?

Raha ny lafitsarany indray no dinihina dia azo lazaina hoe nitady psych ianao ka ny tenananareo ihany no hitanao ary dia hitanao koa ny fanafodiny
10. tywa68 ( 22/04/2009 14:35)
mitovy hevitra @ i Ratoa koa aho eto : fa d anjaranao nanomboka no mitady fika hampiverina azy, fa raha tena mifankatia nareo d hahita moyen fa aza kivy e :wink:
11. ninichantal ( 20/05/2009 05:18)
Bjr,
Voloany alou , aza kivy fa enao nitady ka nahita ; mitovy @ lé oe nitady loza enao ka nandé itsikilo téléphone nefa ra vo mahiota zvtr ao enao d tsy mahatanty midika izany fa b fitiavantena b lotra enao ka tsy nipetraka teo @ toerany. nanao fitsapana enao ka tsy nahatanty refa tojo azy. nefa en tout, tsy misy tsy vitan'ny fifampiresahana d ra mbola misy fitiavana tokoa ao @nareo d misy fona n y compréhension sy ny pardon ; refa tsy misy kosa ny fifankatiavana d aza forcéna fa d mahaiza mionona zany e. Nisy ny banga zany raha toa ka nandé2 nareo ary natao ifanena ianareo donc tena efa anjara zany fa aiza kosa lé fitiavana sisa mba hampitsiry sy hampiroborobo ndray lay hazo novolenareo.
Aza kivy d mitrakà foana e, manjary faly ny fahavalo satry tsy ilaozan'izay tsy tia. Za zay manoratra io d ol efa nisarabady ary itako efa tsy nisy intsony ny fifankatiavanay na d efa nisy zaza niraisana aza d naleoko mitraka sy mahery fona fa mbola maro ny adidy miandry matoa mbola nataon'Andriamanitra velon'aina. Ny pb misy fona ry ngahy fa raiso lesona ny tantara fahizay a!
12. xxx ( 24/08/2009 17:11)
Bedadany
Aza kivy
Tsy diso ianao raha nitsapa fitiavana azy. Tsy diso koa izy raha tezitra taminao. Ny tsara ho fantatrareo dia izao. Aorian'ny 3 na 4 taona ny fitiavana dia efa miofaka tsikelikely ho fihavanana, ka mitady koloina isan'andro mba hijanona ho tena fitiavana. Ny"PARDON" no lakilen'ny fifamatoram-pitiavana tsy azo hozongozonina, ary ampinana ny fifampiresahana.Anontanio azy ny antony nanekeny ilay fihaonana, de lazao azy fa porofompitiavanao ny nandehananao tany satria araka ny fahazoako azy de efa fantatrao fa izy no ho tonga eo fa tsy olon-kafa. Lazao hoe" ho fiainana indray hatrany amboalohany" ny fifampizaranareo fitiavana no anisan'ny anton'izany ankoatry ny fitsapàna.
Mahereza. Ataovy occasion hanamafisana orina ny fitiavanareo izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1619