Inona no malaza avy ao

1. ni81 ( 09/03/2009 12:16)
Mba samia hoe isika milaza izay zavatra fantatra fa malaza avy ao amin'ny toerana iray.
Ohatra hoe: ny mampalaza an' Arivonimamo dia ny tapia, bononoka, ny fanenomana lambamena sns...
2. xxx ( 09/03/2009 13:36)
Ny mampalaza ny CAPSAT dia izy sahy nanao TSIA amin'ny famoretana ny olona tsy mitovy hevitra!
3. ikaretsaka ( 09/03/2009 15:50)
ny mampalaza an'i Bira dia ny ranovisy, paoma paiso, legioma.... ary ny hatsiaka
4. mikeh ( 09/03/2009 16:30)
Ny mampalaza an'Ambatondrazaka dia ny vary ,besisika,gisa, amalona,barawa, dia ny vovoka
5. ni81 ( 09/03/2009 17:11)
Ny mampalaza ny CAPSAT dia izy sahy nanao TSIA amin'ny famoretana ny olona tsy mitovy hevitra!
:?
6. xxx ( 09/03/2009 17:19)
Ny mampalaza ny tsy ampy saina dia ny mangetotra an-tsena
7. vale ( 09/03/2009 19:54)
ikaretsaka:

ny mampalaza an'i Bira dia ny ranovisy, paoma paiso, legioma.... ary ny hatsiaka



:-D :-D :-D :-D Ika, tsary adino mintsy ny hatsika an!! hihihihi, marina izany eee, adino ny soavaly!! :D :D :D
8. vale ( 09/03/2009 19:56)
xxx:

Ny mampalaza ny tsy ampy saina dia ny mangetotra an-tsena


aza migafy kosa rangah aaa!
:?
9. soanja ( 10/03/2009 03:32)
Ny mampalaza ny any aminay ao Fianara indray dia ny divay, ny pirina, ny zipety miloko isan-karazany ary short somary manara-tenan'ny lehilahy. :-* :-*
10. RATOVOARY ( 10/03/2009 05:24)
Ny mampalaza an'i Bongolava de ny dahalo sy ny halatr'omby.( malaza ratsy =)) )
Ny mampalaza an'Itasy de ny Papay sy ny zavokà
11. ngoiha ( 10/03/2009 10:18)
Ny mampalaza NY MADAGASCAR de ty keky,mora adalaina am'vola de mamono ny mpiara-belona aminy :snif: :snif: :snif: :snif: :snif: :snif: :snif: :snif: :snif:
12. soanja ( 10/03/2009 10:33)
Ny mampalaza ny faritry Vohiparara dia ny goavitsinahy sy ny oram-baranga. Matsiro an!!!!!!
13. xxx ( 10/03/2009 12:45)
Ny mampalaza an'i Paris dia libertinage sexuel : tsisy bedy
14. ikaretsaka ( 10/03/2009 16:42)
xxx> paris io sa hollande?
vale>le hatseka kosa tena tsaroana ko.. ay moa tany @ 15 km miala an'i Bira no nipetraka nefa miakatra any Bira vo masil de le miandry Bisy sy/na fiara hitatitra volana may sy jiona iny... masaka mihitsy ny takolaka
15. fahamarinana ( 11/03/2009 04:58)
:arrow: Ny mampalaza ny any aminay (toamasina) dia ny letchis sy bonbon coco !!! dia ny lasary papay hoanina amin'ny mosakiky sy akondro atono ...hummmm ! indrindra ilay devant ny neptune iny fony nivoaka nandihy alina ! (l)
16. soanja ( 12/03/2009 04:11)
fahamarinana:

:arrow: Ny mampalaza ny any aminay (toamasina) dia ny letchis sy bonbon coco !!! dia ny lasary papay hoanina amin'ny mosakiky sy akondro atono ...hummmm ! indrindra ilay devant ny neptune iny fony nivoaka nandihy alina ! (l)


Saika nampitovy marina isika, Faha . Ny anay indray tsy Letchi fa Manga Tombato ary mokary Jileby. Ny moshkik moa zany dia hanina miaraka amin'ny antsiary manga ndreky BOATAMO! Somoa la vie a Diego ehhhh !!!!


(l) (l) (l) (l)
17. ravonjison ( 12/03/2009 14:25)
mikeh:

Ny mampalaza an'Ambatondrazaka dia ny vary ,besisika,gisa, amalona,barawa, dia ny vovoka



Saika hadino ny ambalavelona, ny ody, ny bagara aorinan¨ny fanaovana baolina...., ny rotra.

Hono hoa, fangaha ianareo ry mikeh avy any Ambato ? dia taiza ianareo no nianatra, tao @ Lycée sa tao @ College ?
18. ravonjison ( 12/03/2009 14:33)
Ny mampalaza an' Ambohimandroso Gara sy Ambatolampy dia ny mofo gasy sy ramanonaka, ny bononoka, ny hazakazan-tsoavaly, rehefa hariva ny andro dia ny masikita voatono,....ny tombokantsy..... Ah saika hadinoko ilay fanalána sisika isaky ny tsena asabotsy.
19. ikaretsaka ( 12/03/2009 16:11)
ravonjison> ny gisa saika hadino...

le mofo gasy koa tsy mampalaza intsony fa samby manao an'io aby ny tanana isanisany koa..
misy milaza fa ary no malaza misy milaza fa ary no malaza!

Ny mampalaza an'Ilakaka ka hatrany sakaraha dia ny safira


20. ravonjison ( 12/03/2009 16:23)
ikaretsaka:

ravonjison> ny gisa saika hadino...

le mofo gasy koa tsy mampalaza intsony fa samby manao an'io aby ny tanana isanisany koa..
misy milaza fa ary no malaza misy milaza fa ary no malaza!

Ny mampalaza an'Ilakaka ka hatrany sakaraha dia ny safira






Ary ny vary mitsangana sy ny tangena ve tsy malaza intsony ?
Tena mety efa tena tara be aho raha izany, izaho mantsy efa somary elaela ihany no tsy tany @ tanána.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3673