vita ny baolina e,

1. bazylou ( 09/03/2009 00:15)
mizara roa madagasikara, mizara roa antananarivo, mizara roa ny miaramila, mizara roa ny gasy aty andafy na dia spekatera fotsinyaza no ataony, jereo tsara fa handray basy daholo isika ary hifamono amin'izay ,............ :-P :-P
novalian'i zandikely ny 09/03/2009 01:58
2. xxx ( 09/03/2009 00:41)
Tsy ampy experience ny pays en guerre angamba isika Gasy ka mitady an'izany. Be loatra le video action jerena ka aleo atao tena izy amin'izay.
3. zandikely ( 09/03/2009 01:58)
Hoy ny gazety Midi-Madagascar hoe:

Rombo”. Nisy iray hafa ihany koa saron’ireo olona niaraka tamin’ny basy ka tonga dia novonoin’ireo ho faty. Tranga miary herisetra toa izany no hita omaly tetsy Ankadimbahoaka. Tsy ambany noho izany koa anefa ny zava-niseho teto an-drenivohitra. Raha tsy hilaza afa-tsy ny tetsy 67 ha izay nisian’ny “rombo”, afak’omaly alina, teo anivon’ny mpomba ny fitondrana sy ny mpomba ny TGV. Nisy mihitsy ny tifi-basy ary tsy nilamina izany raha tsy niditra an-tsehatra ny Emmo-nat. Tetsy Ambodivona indray, mbola afak’omaly alina hatrany, dia niditra tao amin’ny Viva ny Emmo-nat rehefa avy namaky barazy. Nobatain’ireo ny solosaina sasantsasany, nisy ihany koa ny fitaovana nopotehina. Mbola teto an-drenivohitra ihany koa, tetsy amin’ny By-pass, no nahafaty ny miaramilan’ny Prezidansa miisa roa izay nandeha 4X4. Lozam-pifamoivoizana, raha araka ny vaovao ôfisialy, no nanjo azy ireo. Re koa izao, vaovao farany, fa nobanahin’ny sasany ny Samcova etsy Tanjombato. Ary omaly alina dia nandrenesana poa-basy tetsy amin’ny manodidina an’Ampandrana. Asa, oviana ihany vao hijanona ity korontana ity…



Mampalahelo fa lasa miady antrano ny Malagasy.
Maninona moa raha samy samborina RAVALOMANANA SY ANDRY DIA VITA IO FA AZA DIA NY VAHOAKA FOTSINY MIARITRA NY TSY FIDINY EO.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0476