Maninona ianao no misy?
1. soanja
(
07/03/2009 21:14)
Araka ny hevitrao inona no nahatonga anao teto an-tany? Teraka ianao satria nahoana? Efa nomanin'Andriamanitra ve ny fisianao? Raha nomaniNy dia satria nahoana? Nahoana no ianao no nateraka fa tsy i Rabe na i Rasoa no nivoaka teo?
Ny tiako ahatongavana dia ny dikany mahaolona tsiraidray antsika avy. Misoatra indrindra ho an'izay te handray anjara.

répondu par soanja le 17/03/2009 04:45
3. cutie
(
07/03/2009 22:52)
Ny fahasoavan'Atra no nahatonga ahy ho eto an-tany, ary matoa teraka za de efa nomaniny ny fahatongavako, satria efa niriny ny fisiako. Anjarako fotsiny sisa no mikatsaka ze tiany ho tanterahiko sy hovitaiko eto an-tany lol.
4. rakapy
(
07/03/2009 23:14)
Tsara be ilay fanotaniana fa saingy raha ny fahafantarako azy manokana dia "MISTERY" no valiny.
Samy afaka ny hilaza sy haminavina ny antony naha-olombelona azy avokoa ny tsy1/1 nefa amiko izany dia mijanona eo @ maha vinavina sy filazana ihany fa ny valiny dia tsy avy @ tsika fa avy @ ilay Nahary irery ihany.Ny zavatra tokony ataontsika dia ny manantateraka izay adidy fantatsika fa mahasoa ny mpiara-belona sy ny voahary.

5. cutie
(
07/03/2009 23:42)
zay zany mahatonga an'le fitenenana hoe mistery zany zanako :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
6. miarina
(
08/03/2009 09:08)
Misy aho satria ho faty. Mety ahagaga ny tsirairay angba ny valiteniko efa nametraka anio fanoaniana io tamiko matetika aho. Ny hany valiny hitako fa tovizantsika rehetr dia izay. Na iza na iza eto antany dia tsy misy mahalala izay hitranga eo @ fiainany afa tsy ny hoe hofaty no hiafarako. Asa izany no tsy mampatahotra ahy ho faty angamba ...
7. soanja
(
08/03/2009 13:43)
cutie:
Ny fahasoavan'Atra no nahatonga ahy ho eto an-tany, ary matoa teraka za de efa nomaniny ny fahatongavako, satria efa niriny ny fisiako. Anjarako fotsiny sisa no mikatsaka ze tiany ho tanterahiko sy hovitaiko eto an-tany lol.
Namaste Cutie! Tena mahalaza azy tanteraka ny valin-tenindry raha ny finoako. Omeko manaraka eto ny fanazavana hoe: Nahoana tokoa moa no fahasoavan'Andriamanitra ny fisianao?
Fahasoavan'Andriamanitra ny fisianao satria ianao dia ilay mariky ny fitiavana. Ianao ilay fitiavana tonga nofo. Ny Fitiavana dia ilay Fanahy ao anatinao izay saloran'ny vatana sy saina. Telo tonta ny mahaolombelona: Ny vatana, ny saina ary ilay fanahy. Io fanahy io no ifandraisantsika amin'Andriamanitra satria ao Izy no mitoetra. Io fanahy io no isan'ny vatantsika sy ny saintsika. Miodina ireo roa farany ireo mba hanome fahafaham-po ilay fanahy. Io fanahy io dia efa nisy hatramin'izay, hatramin'izay fotoana rehetra nanamboaran'Andriamanitra antsika.
Tary amin'i Etanizia aho nilaza fa isika dia Fanahy manao ny asa mahaolombelona amin'ny alalan'ny vatana. Izany hoe tokony hieritreritra isika fa io fanahy io no mahaolona antsika. Izany hoe raha fitinina dia ny mahaolona ahy dia ilay dian'ilay fanahy.
Manana ny tanjony anefa io fanahy io. Io fanahy io no koa Fitiavana Fanaperana. Io no hampiavaka antsika amin'ny zavaboary hafa satria io dia afaka hanome anao/ mamela anao hanana ny safidy hirosoana amin'ny mahaolona tsirairay avy antsika hamitana ilay fikasan'Andriamanitra amintsika. Ary amin'io safidy sy fiseho ety ivelany io no mahasamihafa antsika. Io fahasamihafana io no ADIDY na asa nomen'Andriamanitra antsika hanantanterahana ny momba antsika ho Marik'ilay Fitiavana Fanaperana eto an-tany. Io dia miseho amin'ny alalan'ny fahalalana sy fahaizana ary talenta izay ananantsika tsirairay avy. Rehefa mampiasa izay tsapanao fa mahasoa ny mpiara-belona aminao sy ny momba anao ny fahaizana na ny fahalalana ary ny talenta ananao dia no tanjon'ilay Fanahy ao anatinao. Izy no miasa eo ary Izy ilay fifandraisana. Izy no miorina, Izy no miseho ary Izy no hery eo. Satria nahoana hoy ianao?
SATRIA IO ILAY FITIAVANA FANAPERANA mampiseho ny momba Azy. Misy fetrany anefa ny handalovany eto an-tany. Tsy natao ho anao irery ny tany fa ifandimbiasana. Io fanahy io dia tsy mahatsapa hoe matahotra aho no ho faty satria efa fantany fa fandalovana ny eto antany. Io fanahy io dia tsy hitoetra fa mandalo. Io fanahy io vonona lalandava amin'izay toerana alehany natoron'Andriamanitra azy. Raha matahotra isika ny ho faty dia satria ny vatantsika no mifikitra ary ny saintsika no tsy manaiky. Fa io fanahy kosa tsy manasaro-javatra izy. Mandeha izy rehefa tsapany ny fotoana. Raha mahatsapa fangirifiriana ny vatantsika na fanaintainana dia satria ny saintsika no milaza fa tsy vonona ny hamela ny vatana fa mbola te hifikitra. Ny fanahy kosa dia hibitsika moramora ao amin'ilay saina hoe VONONA AHO NY HANDEHA fa miomana ianao. Indraindray tsy mampiomana ny fanahy fa lasa fotsiny satria izy ihany no mahalala ny antony. Fantany fa tokony handeha izy. Lasa ny fanahy rehefa fantany fa vita ny adidiny eto an-tany. Rehefa fantany fa tsy afaka ny hiasa hamita ny adidy ny vatana sy ny saina dia lasa izy. Miala eto an-tany ary mifandray amin'ireo fanahy be dia be izay mihaona any an-koatra. Mitohy ny diany fa ny vatana kosa nialany. Ny vatanao no tavela sy lo fa ny fanahy kosa tsy mba mety lo. Io fanahy io dia manana ny diany. Manohy izy ary tiany izany diany izany satria filaminana no any. Ny ankoatra dia tony. Ny an-koatra dia fiadanana satria tsy manana adidy izy afa tsy ny mivondrona sy miray amin'ireo fanahy maro efa lasana. Milamina ny any ary mihaona amin'Ilay Andriamanitra Ray izay nanamboatra azy izy.
Tadidio foana fa telo tonta ianao: Ny vatana, ny saina ary ny Fanahy. Toy ny hoe Izy Ray, ny Zanaka ary ny Fanahy. Ny eritreritra, Ny Teny ary ny Asa raha ny eto an-tany amin'ny alalan'ny vatana no isehoany. Ireo telo tonta ireo no manatanteraka Ilay FITIAVANA FANAPERANA raha ny eto an-tany. Mila ampifandraisina ireo. Ny asan'ny saina dia manelanelana ny Vatana sy ny Fanahy. Satria io Fanahy io dia miara-miasa amin'ny fo sy ny saina.
Noharian'Andriamanitra ianao satria tiany ny hananao AINA eto an-tany. Ianao io ilay Fanahy. Ilay Fanahy dia hanorina fahasoavana eto an-tany hozaraina amin'ny hafa. Ireo hafa ireo dia ireo izay miaina sy tsy miaina misy eto an-tany. Natao hampifandray ireo hafa ireo ilay fanahy. Natao hampafantatra ny fitiavan'Andriamanitra ilay lehibe indrindra amin'ny rehetra ny fanahy. Raha tonga eto an-tany ianao dia ianao ilay solon'Andriamanitra Ray. Ianao ilay solon'ny Zanany izay nanoro ny tokony atao. Ianao ilay Fanahy!
Hitako ny taratrao satria mitsilo ny diako. Fantatro ny hatsaranao satria marik'ilay Fitiavana Fanaperana. Tsapako ny asanao satria Izy no Andriamanitra eto an-tany miasa. Tsy mitovy isika satria samihafa ny adidy napetraka tamintsika saingy manaja anao ny momba ahy. Iray ihany ny lalana izorantsika na dia samihafa aza isika. Izay no atao hoe NAMASTE!
8. soanja
(
08/03/2009 13:45)
Misy diso tsipelina ery ambony>
Io fanahy io no iasan'ny vatantsika sy ny saintsika. fa tsy isan'ny...

9. soanja
(
08/03/2009 14:12)
Tohiny>
Io FANAHY io dia tsy nametra hoe ho Krsitianina aho na ho Silamo aho na ho Bodista na mpanompo sampy na mpanompo razana aho.
Io Fanahy io dia tsy manana fifikirana amin'ny zavatra naorin'ny olombelona hafa fa manao ny asany satria izay no adidiNY. Izay mifandraika aminy eo no tanterahany. Izy koa dia tsy voafehin'izay nitaiza sy nikolokolo azy ary manoro na mamehy azy satria izy , Fanahy, dia efa manana ny adidiny nentiny avy any hotanterahina arakarakaraka ny fanorenana nananany. Izay mifandraika aminy no ataony ary tsy mifidy toerana iasana izy n'aiza n'aiza ary n'inona n'inona. Satria Izy Fitiavana Fanaperana dia TSY MIFIDY na manilikilika fa miasa araka ny nahatongavany eto an-tany.
Io Fanahy mahaianao ianao io kosa dia tsy maintsy/ilaina taizana. Izy dia mila fikoloana ary rehefa lehibe ilay zaza na ianao dia izay vao ho tsapanao fa hay manana adidy ianao. Vory saina ianao vao manan-tsafidy misy tanjona. Ny fifandraisantsika teo amin'ny fitaizana no mariky ilay fitiavana miseho avy amin'ilay olona iray na maraomaro na firenana fa Fitiavana no miasa hanorina ny mahaianao ianao. Ilain'ilay fanahy ny fitaizana azy. Ilain'ilay fanahy ny fikolokoloana azy ho olona feno zany hoe ho vatana feno ary ho saina feno. Satria amin'ny alalan'ireo no ahafahany miasa.
Matoa misy ianao dia satria ny noho ny asa napetrak'Andriamanitra ho tanterahinao. Tsy tanteraka anefa izany indraindray satria TSY FENO NY FITAIZANA SY FIKOLOKOLOINA noheverin'Andriamanitra fa omen'ny hafa anao. Tsy manan-tsiny ianao. Aza mihevitra fa manana ota ianao raha tsy tanterakao ny adidy napetraka taminao. Andriamanitra mahalala ny fifandraisantsika rehetra. Izy no eo sy mahita ary mahatsapa ny miafina sy ny tsy miafina.
TSY NATERAKA HISY OTA ISIKA OLOMBELONA! TSY NATERAKA HO RATSY ISIKA OLOMBELONANA na HANAN-DRATSY! NATERAKA ISIKA, IZAHO SY IANAO, SATRIA MARIKY NY FITIAVANA!
Io no finoako momba antsika. Izay manam-panontanina dia aza misalasala. Izay mahita hokianina dia aza misalasala. Tsy miorina amin'ny baiboly ny finoako fa kosa nampiasaiko ny baiboly anisan'ny hanorenako ny momba ahy! Kristianina aho satria narahiko ny torolalan'i Kristy dia tsy inona fa ny fizarana fitiavana ho an'ny rehetra tsy ankanavaka!
Mitsilo anareo anie Andriamanitra! Namaste!

10. ikaretsaka
(
08/03/2009 15:12)
misy aho satria inoako fa misy ireo rehetra nampisy ahy, ary mifanampy eo zahay
soanja:
soanja:
zahako:
The important thing is not to know who "I" is or what "I" is. You'll never succeed. There are no words for it. The important thing is to drop the labels.
13. soanja
(
08/03/2009 20:54)
cutie:
mazava tsara akia soanja fa merci :)
Indry no isaorako nandray anjara. NAMASTE!!!
:-* :-* :-* :-* :-* (l) (l) (l) (l) (l)
14. soanja
(
08/03/2009 21:31)
Fitiavana no nahatongavanao teo antany, nandraisana anao teto an-tany, ary ny handaozana anao sy hapetrakao eto an-tany! Ny Fitiavana dia lavitry ny fijaliana sy ny tahotra.
15. coopsal
(
09/03/2009 08:19)
\"tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy ety an-tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fiamboniana, na fanapahana, na fahefana; taminy sy ho azy no nahariana ny zavatra.\"[Kolosiana 1:16].
16. rakaroka
(
09/03/2009 21:46)
Sanatria tsy hoe manao tsinotsinona ilay Nahary aho, fa mampatsiahy indrindra aza ny antony namoronany antsika olombelona.
Tiako tsiahivina fa tsa nohariany sanatria hoe hidera na hankalaza Azy na
hanankin´Aminy fotsiny ihany izay mitranga tahaka ny hoe mpanara-drenirano sahala amin´ny tsy hary akory. satria fiheverako dia manana
role joue-na isika ary tsy Izy akory aza no nisafidy io role io fa isika isanisany ka fiheverako any @ "developementn´ny personnalite no mamaly ity fanontaniana !

17. soanja
(
10/03/2009 03:37)
rakaroka:

Namaste Rakaroka! Efa nomen'Andriamanitra antsika ny fitaovana hanamboarantsika ny momba antsika. Isika no mamorona sy manefa ny momba antsika raha ny eto an-tany sy ny azo tsapain-tanana.
18. mia
(
11/03/2009 20:03)
Zaraiko aminareo ireto teny ireto fa mba efa nametram-panontaniana mitovy @ ity hoe maninona aho no misy koa aho ary ny valiny azoko dia tena nahafa-po ahy tanteraka ary tsapako fa tena tia ahy sy ianao ihany koa ilay Ray ao ambony aho
Je te connaissais même avant que tu sois conçu. (Jérémie 1:4-5)
Je t'ai choisi au moment de la création. (Ephésiens 1:11-12)
Tu n'étais pas une erreur. (Psaume 139:15)
Tous tes jours sont écrits dans mon livre. (Psaume 139:16)
Je t'ai tissé dans le ventre de ta mère. (Psaume 139:13)
Je ne me suis pas éloigné, ni fâché, car je suis l'expression parfaite de l'amour. (I Jean 4:16)
Mon plan pour ton avenir est toujours rempli d'espérance. (Jérémie 29:11)
http://www.youtube.com/watch?v=q7R5ptrkT88 ny tohiny fa tena lettre d'amour du père tokoa

19. soanja
(
17/03/2009 04:45)
mia:

Mahalaza azy tsara tokoa ireo teny mamy sy mahasoa ireo. Misaotra nizara!
:-* :-* :-*