Hianatra ao Paris

1. Kdaombaramita ( 07/03/2009 13:44)
Misy nièce-ko hianatra ao Paris amin'ny herintaona. Ao amin'ny IESA na IESEG no hisy azy, tsy miankina amin'ny CROUS izany. Sao mba misy hevitra avy aminareo amin'ny fangatahana trano any Cachan na Arago fa mbola any Dago izy izao (na manome adresse mail na numéro téléphone an'ireo centres d'hébergement pour étudiants ireo), na afaka manome sites mba hahitana trano na colocation ? Dia amin'ny vao tonga dia ahoana no hatao raha tsy mahafantatra olona mihitsy, na hitsena ary ?

Misaotra betsaka amin'ny torohevitra tompoko.
novalian'i finaritra ny 26/03/2009 14:05
2. Mirananirina ( 07/03/2009 14:37)
Ilay tranon'ny mpianatra ao Cachan aloha tsy haiko mihitsy fa mbola tsy tao aho.
Ny hitsena no mety ho vitako raha weed-end no hahatongavana.
Ny hébergement ny mpianatra koa tsy haiko fa miala tsiny.
3. Tokinao ( 07/03/2009 20:37)
Mba manamafy an'ity koa aho fa misy namako mitovy cas amin'ny niecen'i kdaomba hihihi

Asa ... aiza daholo àry ny mpipetraka ao Cachan sy Arago :).
4. aviavy ( 07/03/2009 22:03)
Eny amin'ny CIDJ misy offres momba ny hebergement ny étudiants na tsy miankina amin'ny crous aza ny fianarany, afaka manao demande amin'ny ALJT (association des logements des jeunes travailleurs) koa izy na mpianatra aza, fa tsy mihoatra ny 25 taona fotsiny, jereo amin'ny internet ny adresse misy ny CIDJ satria mila mandea eny ampitoerana mijery ny offres, ny momba ny aljt indray dia azonao jerena mivantana amin'ny internet ( misy marobe ) ary azo atao en direct sur internet ny demande, andramodramo daholo aloha fa sao mba mety e
5. rakaroka ( 09/03/2009 22:32)
´Ndriiiy mahafinaritra izany fa dia "tongava soamantsara" satria HAIKO tsara ny fahasarotana mankaty ankehitriny vokatry ny haratsian´ny fifandraisana ara-diplomatika raha ny marina.
Nipetraka tao "Cachan" aho fahiny. Raha ny marina misy resaka fahalalana olona aloha . Fa ´za tsa dia nahalala olona izany t@ izany. Ny vadiko nanao ny demarche fangatahana trano tao, tany amin´ny ambasady.Dia tsy nahazo valiny mihitsy, dia indray mandeha izy noentiny ny entany dia nakany amin´ny ambasady izy no nanao hoe rehefa tsy omenareo trano aho, dia efa nentiko ireto ny entako ka dia ato aho izany no hipetraka satria efa be ihany izay famezivezena vitanareo tamiko izay!
Izany hoe raha ny marina tena sarotra mihitsy ny mitady trano eto indrindra eto Parisy sy ile de France.
Dia nefa ny olana BBBbe ho an´ny mpampiantrano koa ilay hoe : ny havan-tiana tsy hiaraha-monina.
Ny Crous raha tsy efa mipetraka eto mihitsy toa tsy "accessible"
Heu...raha vao tonga eto ny mpianatra avy any dia asain´drizareo mameno dossier any amin´ny prefecture hahalalany hoe inn marina no atao eto?aiza no mipetraka? Iza no garant?sns dia omeny recepisse ahazoana mijanona 3volana havaoziny araka ny fandrosoan´ny fahazoan-drizareo antoka ny fandrosoan´ny ataonao ... dia mamenpo dossier hatrany isan-telovolana, enim-bolana na isan-taona vao folo taona sns... tahatahaka izany!
6. Lejoba ( 10/03/2009 12:33)
taorian'ny nanarahan'ny vazaha maso akaiky ny fitantanana an'i Cachan sy Arago dia hitako ho moramora kokoa ny mangataka trano ao.
Tsara raha mahalala olona manaiky hanao ilay démarche any ianao fa tsy sarotra ilay izy ka. Tonga dia atonina izay tianao halehany : Arago na Cachan. dia misy formulaire omeny ao, fenoina, ary milaza ny fepetra ahazoana trano : Malagasy, mpianatra, tsy manambady ets.
Dia averina any iny ary mamaly izy avy eo.
Fa alefaso haingana fa toa izao volana marsa izao no fangatahana ho @ rentrée raha tsy diso aho, na mbola @ janvier aza ilay olona vao ho avy. Efa nampiditra ankizy tao aho fa tsy nahalala olona aho aloha fa tonga dia nety ilay izy eh.
Miala tsiny fa tsy afaka ny hanampy anao aho izao.
Raha manofa trano any ivelany lafo lavitra. Fa raha tsy mampaninona anao koa, misy ilay manao offre de logement chez un particulier. Io indray samy manana ny anjarany ny @ hatsaran'ny fiaraha-monina na tsia. Sy miankina koa @ ilay mpianatra hoe débrouillard sy mahay miara-miaina @ olona ve ets.
Mahereza
7. Kdaombaramita ( 11/03/2009 07:36)
Misaotra anareo izay nanoro hevitra. Ilay hangataka par internet @ ALJT no hasaiko hataony aloha fa dia hitady olona eo ihany afaka hanao ilay dossier ao Cachan izany. Mbola mankasitraka raha mbola misy manolotra hevitra.
8. finaritra ( 26/03/2009 14:05)
Mirananirina:

""Ilay tranon'ny mpianatra ao Cachan aloha tsy haiko mihitsy fa mbola tsy tao aho.
Ny hitsena no mety ho vitako raha weed-end no hahatongavana.
Ny hébergement ny mpianatra koa tsy haiko fa miala tsiny.""

------------------------------------------------------------------------------------------------
mampiomehy kou ilay valin-teny mitsena ihany 'zany!! mdrrrrr !!! atoroy azy ny lalana e!!!
mba mahita soratana tssss!!!........hihihihhi


:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.113