info fosika foana no eto

1. Andribe ( 07/03/2009 07:58)
lasa info fosika sisa no eto @ serasera ka mampiala ny olona handeha any @ site hafa lasa manao resakovy daholo asa ny fijerinareo azy sady lasa be mpigafy
:evil: :evil:
novalian'i TEGEVE ny 07/03/2009 23:25
2. tsinjo ( 07/03/2009 08:04)
Marina mitsy zany , efa tsy vitan'ny mamorona ps bedabe no manao xxx fa mbola manopa ny namana izay manome ny heviny ihany :-P
3. Oay ( 07/03/2009 08:21)
Andribe:

lasa info fosika sisa no eto @ serasera ka mampiala ny olona handeha any @ site hafa lasa manao resakovy daholo asa ny fijerinareo azy sady lasa be mpigafy
:evil: :evil:

Marina ny anareo, ny info fosika aloha d anjarantsika ny mandinika satria izay no naomezana antsika saina, fa ny mampalahelo d ity gafy ity!
Ny tsara ho fantatra d na ny mpivady ary any tsy mitovy hevitra é! fa mifanaja ary samy manohina ny heviny d rehefa tsy manana lazaina d mangina fa tsy manao asanjiolahy.Ny zavatra tsy tsapantsika anefa dia traik'efa goavana be no azao @ itony sersera itony satria manampy antsika hahay haneho hevitra ka rehefa tonga eny sehatra avoavo noho izao isika d tsy hanao loamboto intsony satria efa zatra miady hevitra koa dia misaotra anareo roalahy aho raha toa ianareo ka lehilahy daholo raha toa moa vavy sy lahy d misaotra anareo mianadahy d andao hirahina na tsy mitovy aza ny hevitra, hirahina isika mba hananantsika toerana madio azahoana mifanankalo hevitra.
4. raNeo ( 07/03/2009 09:02)
Za efa ela mitsy no natsap hoe ambony kokoa ny degré fifandrangitana @ forum sady efa samy tsy avela hiteny ihany ny olona dia hita fa ato ny sasany no manapatra ny hatezerany; raha @ fitaovan-tserasera anefa dia ny forum no anisan'ny raitra sy manaraka ny toetr'andro ;indrindra dia tokony ho toy izany koa ny ifampiresahina. Ny soso-kevitra ialàna @ izao Fahasahiranana izao anefa no tena tombony @ itony fitaovana itony : NY HEVITRY NY MARO MAHATAKA-DAVITRA.
Misaotra.
5. Andribe ( 07/03/2009 09:26)
za aloha bandy eeee :-D :-D :-D :-D
6. yuka ( 07/03/2009 09:34)
Marina daholo ny voalazanareo,aoka mba ny hevitra no hiady fa tsy isika eto,dia raha azo atao koa dia aoka hifanaja,sy hanaja ny serasera :-* :-*
Dia arosoy ary ny hevitra hifandinihana :P
efa voasambotra ve i Andry??? :-P
7. Andribe ( 07/03/2009 09:47)
fa nga hosamborina ndray i andry fa tsy havela hamotika eo aloha amizay miana ny anganony daholo ny gasy :-D :-D :-D :-D :-D voky arira
8. Oay ( 07/03/2009 09:48)
Misaotra an'i yuka @ fanohanana ny hahatsara ny zavatra hifampiresahana eto.
Momba ny fisamborana an'i Andry d zavatra mbola sarotra satria hita izao fa vao maika sarotra ny fametrahana ny filaminana ny antony d raha toa ke teo @ 13mai ny mpanao fihetsiketsehana d ny teo @ 13mai sy ny manodidina ihany no nanaovan'ireo jiolahy mpanakorontana ny asa ratsiny fa amin'izao d isakin'ny vavalalana mitondra mankeo @ 13mai no misy ny mpanao fihetsiketsehana d mitombo koa izany ny toerana hanaovan'ireo jiolahy mpanakorontana ny asany hany ka sahirana mafy ny mpitandro ny filaminana.
I Andry anefa d efa silence radio tanteraka kanefa ny mpanao fihetsiketsehana d tsy mijanona ka raha mbola hiampy vao² indray hoe voasambotra i Andry d vao maika hozavadoza izay aloha ny fomba fijeriko fa tsy aiko é!
9. yuka ( 07/03/2009 10:07)
Ny mampalahelo koa dia ny mahita ny famotehana ny fanana iombonana,toy ny
teny Ambohijatovo,sy ny lalana sasany mba hatao barazy :cry: :( nefa ny zavatra toy ireny no ampiasain-tsika vahoaka madinika mivantana ,tokony ho
tsapan'ireo pandrava ireo fa fananany anie io simbainy io ee!
potika sy rava izay kely mba tafatsangana,no sady lasa fomba fanao izy ity.
Anao ahoana ny hoavintsika raha toa ka isakin'ny misy disadisa eo @ pitondra sy ny panohatra dia tsy maintsy hamotika fananam-pirenena????
Efa maro lotra ny simba t@ 2002 dia mbola hapina ndray ve??
raha toa ka tsy vahaolana ny fisamborana tokony mba haato kosa ny fandravana sy famotehana mba ho fanajana ny hafa izay tsy mba miteny,sy te hanoy ny fiainany andavanandro ampilaminana :P
10. mosabe ( 07/03/2009 10:33)
yuka:

Hafa kely koa ny anao raha miteny hoe tsy vahaolana ny fisamborana ....
Mieritreritra ihany aho ,ka hoe raha any @ tany efa ela demokrasia ve dia afka manao izay dinin'ny kibon toy izao.

Efa hatramin'ny voalohany t@ fandrobana ny fananan'olona no tokony nihetsika ny tompon'araikitra ,izao toa mbola mihamafy foana ...

Hatramin'ny 72 ,fa tsy 2002 noolana, jereo ny Hotel de ville, Andafiavaratra ,36 taona aty aorina, ny Rova moa dia mandiny fotsiny .

Raha tsy natao sorona ny zanakin'ny mahantra teny A/tsorohitra dia niampy iray indray ....

11. TEGEVE ( 07/03/2009 10:33)
anaka andribe mba jereo ny tenanao mpiafina xxx sy mivanitika lava ,mpanisy sira ,mpanadroadro ,tsy vitan'izay fotsiny ny ady hevitra anaka ,tohizo ny tolona (l) (l)
12. Mirananirina ( 07/03/2009 10:39)
Politika ity ihany no mahatonga izao e.Nefa anie dia ny eo ihany no eo e.Tsy misy fihovana hoe lasa nidina ny vidim-bary,niakatra ny karama sns...........
13. yuka ( 07/03/2009 11:02)
mosabe tsy hevitro anie ny hoe tsy vahaolana ny fisamborana,fa mamaly an'i
Oay aho ee! zay koa no hanetanana antsika namana mba hamaky tsara ny hevitra mandeha fa tsy tsipotsiponina fotsiny :P
ny tamin'ny 1972 ndray sy izay tany aloha rehetra tany,dia tantara no mba henoko,fa mbola tsy namboarina aho tamizany :lol:
za manohana ny aradalana fa tsy misakana ahy haneo ny evitro koa anefa izany.
Tsiky foana de ampy hoantsika rehetra :) :D :P
14. Samoana ( 07/03/2009 11:17)
Andribe:

... ka mampiala ny olona handeha any @ site hafa...

Misy fahamarinany ny tenin'i Andry ...saingy any amin'ny site hafa kosa aloha mbola giravibe lavitra e! Eto mba mbola araka sy voasazy izay mibolila . Ny modérateurs mpanara-maso eto na tsy mitovy hevitra amin'ny toe-draharaha any Dago aza dia mbola mahay miara-miasa sy mifanaja tsara ihany. Isaorana azy ireo izany :wink:
15. Andribe ( 07/03/2009 11:26)
Samoana:

Andribe:

... ka mampiala ny olona handeha any @ site hafa...

Misy fahamarinany ny tenin'i Andry ...saingy any amin'ny site hafa kosa aloha mbola giravibe lavitra e! Eto mba mbola araka sy voasazy izay mibolila . Ny modérateurs mpanara-maso eto na tsy mitovy hevitra amin'ny toe-draharaha any Dago aza dia mbola mahay miara-miasa sy mifanaja tsara ihany. Isaorana azy ireo izany :wink:

tsy ny hevitra akory no mampandeha ny olona any @ site hafa fa ilay copier coller ka tsy misy hevitra mandeha intsony ary lasa tsy misy fifanajana aleo eto mba asiana demokrasia na dia izany aza fa tsy ato revin alika kosa :-D :-D
16. tsimatimanota ( 07/03/2009 11:58)
Tsia
17. andrywui ( 07/03/2009 13:21)
ekeka eeéé

jereo eto
18. Andribe ( 07/03/2009 14:03)
tsy mety tsony le copier coller an dra wiwi fa lany hevitra :-D :-D :-D :-D :-D :-D
19. TEGEVE ( 07/03/2009 23:25)
anaka Andribe ary tsy mety intsony marina fa kenda ny jereo eto (l) (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0684