Zaraiko ity ho antsika rehetra
30. belakely
(
07/03/2009 22:41)
fijo> "misaora an'andriamanitra rehefa tsy mino an'andriamanitra izany ianao e!"
31. Koditra
(
08/03/2009 14:50)
niryna:Msòtra fa tena marina tokotrany reo.
Ity misy teny nomeko ny ankizy tao am-piangonana.
Amin'ny fahoriana rehetra -Mino an'Atra
Amin'ny fifaliana rehetra-Midera an'Atra
Amin'ny fijaliana rehetra - Matokisa an'Atra
Amin'ny olana rehetra - Miantsoa an'Atra
Amin'ny fahanginana rehetra-Manatona an'Atra
Amin'ny zavatra rehetra -Misaora -an'Atra
ka azonareo zaraina ny hafa koa raha tianareo izany
(l) niryna
32. coopsal
(
09/03/2009 09:06)
Marina izany.
Fantatro izay no tokony hatao. Ary vonona aho tena vonona, tena izao izao misy korontandrontana eto tanà! vao t@ zomà hariva teo aho ndeh hody d nifanehatra t@ grenady lacrymogène sy poa-basy. Tena iriko indrindra ny tsy hiahiahy sy hatoky an' Andriamanitra @ireny, fa ahoana no fomba ataoko ?
Maty le renin la rahalahiko izay, tena rahalahy mpivavaka be izany ary mpitory, tena mino an' Andriamanitra, saingy efa mihoatra ny iray volana taty aoriana dia niteny tamiko izy fa tena mbola malahelo fooooana, fantany ao an-tsaina fa tokony hisaotra sy faly izy, de plus le reniny tena nandray an'i Jesoa teo @ 1 semaine talohan'ny ho faty teo.
I Fijo moa izany efa milaza fa tsy mino an' Andriamanitra ka ataony ahoana no fino sy fatoky an' Andriamanitra izay tsy inoany ? Mety mba te hino ihany ngamba Fijo ? Saingy ny réalité mitranga sy hitan'ny masony ary ren'ny sofiny hatreto dia mahatonga azy tsy hino (? asa).
Mino an' Andriamanitra ka misaotra sy midera
- Izaho nino an' Andriamanitra hatrizay, kristiana hatry ny fahakeliko, efa henoko ny tantaran'i Joba, hoe na dia efa fongana aza ny zava-drehetra dia nitoetra nisaotra an' Andriamanitra aza izy. Tena rehefa sendra olana aho (izay tsy ampahafirin'ny an'i Joba akory), tsy vitako ny nisaotra an' Andriamanitra tao am-poko. Rehefa miresaka sy miady hevitra @ olona aho dia haiko ihany ny mandray an'iny tantara iny hoe "nen'i Joba ary toy izao sy toy izao", fa ny foko tsy mahavita toy izany.
Tia mozika aho ary nafàna fo tao @ chorale. Tsy tantiko ny mandre olona mamalan-kira na miledaleda na mihira haingana loatra tsy manaraka ny gadona, na any am-piangonana. Nanandratra avo ireny hira fiderana ireny aho, nanonona mafy salamo fiderana izay anombohana foana ny fanompoam-pivavahana. Fa ny foko dia fantatro fa tsy nidera foana akory.
Impiry aho no nihira hoe "fo faly loatra no entinay midera anao" ? Kanefa ny tao anatiko alahelo, fahasorenana, firehetan'ny filàna, torimaso, ... izay zavatra lavitry ny fiderana, fa na le Andriamanitra lazaiko deraiko aza tsy fantatro akory.
Misy zavatra miafina ao nahafahan-dry davida sy ry Asafa nidera, na nahafahan-dry Joba nino sy natoky hatr@ farany. Eritreretiko toy ny hazo mamoa. Hitako ny voan'ilay hazo, fa misy zavatra miafina ao mahatonga iny hazo iny mamoa.
Nila point de départ mihitsy aho nahafahako nandeha tamin'izay finoana (fatokiana) an' Andriamanitra, fiderana an' Andriamanitra sy fisaorana avy ao am-po izany.
Teo anatrehan'ny olana farany goavana tamiko dia nangataka an' Andriamanitra hamaly ny fanontaniako aho. Nikatsaka ny fahamarinan' Andriamanitra aho izany e. Ary dia namaly ahy KRISTY. Nanomboka tamin'izay no nahatsapako izany tena fo midera an' Andriamanitra, tena fo matoky Azy eo anatrehan'ny korontana mitranga, ny fo misaotra noho ny zava-misy na an-karatsiana na an-kafaliana.