Tezitra be mihintsy...

1. Oay ( 06/03/2009 13:50)
Tezitra be mihintsy mion mion ary d nolazainy fa ny tenanay d mbola zaza tsy ampy taona, tsy nahatezitra anay izany fa vao maika aza izahay faly satria mba afaka milalao eto miaraka @ ireo olon_dehibe sady olona safiotra manampahaizana sy ampy fahalalana ireo, ka mba manana holazaina kely é ity zandrykely beloha ity, raha tena resaka politika no atao eto d aoka tsy hisy fanaratsiana ara-batana, satria tsy mendrika izany, ny resaka ara-batana d rehefa hiaraka hatory aminao ny olona d azonao atao ny manaratsy azy.
Faharoa ajanony ny filazana fa dondrona ny olona satria raha dondrona marina i Rajoelina d tsy nahazo 63% izy t@ fifidianana maire;
Raha tena dondrona marina i Rajoelina tadidio fa tsy nianatra izy kanefa d manana ny mahaizy azy eo @ firenena satria noho ny zavatra nataony d tafahetsika ny vahoaka, jereo ny zava-bitany @ maha olontsotra anazy,
Hamaranako azy d tsotra ataovy ny jerikiana fa aoka kosa tsy hanaratsy olona, jereo i OBama olomainty fa satria mendrika d lasa prezidan'i be kintana, jereo Sarkozy fohy kely kanefa prézida an'i Frantsa,
Mialatsiny ho an'ireo safiotra tsy mahafehy tanteraka ny teny Malagasy fa serasera Malagasy ny eto! noho izany ezahana ny tsy hifangoroan'ny teny!
Ary izahay tsy mahatsiaro tena ambany na ambony nizaniza fa kosa afaka milahatra @ izay miresaka aminay ary raha azo atao aza moa d azontsika atao ny mifankahita ivelan'ity serasera ity d tongava tanampolo fa raisinay antanampolo fa raha miaraka @ basy aloha d aleo ilamina d misesy ozy ny teninay zatovo fa zahay tsy fiara mifonovy! Tsiky dia ampy!
répondu par Oay le 06/03/2009 15:53
2. xxx ( 06/03/2009 13:58)
mba tanisao kely hoe zany zava-bitany ndRajoelina zany ho jerena inona no nataony t@ nahalany azy ho maire!
3. ralalaina ( 06/03/2009 13:59)
Tsy mazaka demokrasia ireny ry Oay,manana fisainana mireferefa @ tany sahala @ mpitondra azy ihany
4. TEGEVE ( 06/03/2009 14:05)
anaka xxx ny vitan'i ANDRY anaka dia mbola tsy nisy nahavita hatram'izay nisian'ny maire teto tana zay

lazaokely hoe iza no nahapotika ny tana toa izao,maire iza? (l) (l)
5. Oay ( 06/03/2009 15:53)
TEGEVE:

anaka xxx ny vitan'i ANDRY anaka dia mbola tsy nisy nahavita hatram'izay nisian'ny maire teto tana zay

lazaokely hoe iza no nahapotika ny tana toa izao,maire iza? (l) (l)

Herintaona no naha maire an'i Andry Rajoelina tsy afaka nanao ny asany aradalana izy noho ny sakatsakana nataon'ny fitondrana faobe anazy.Ka raha ny zavabitany @ maha maire anazy d tsy misy satria tsy afaka nanao ny asany izy.
Fa kosa @ maha olontsotra anazy d azo lazaina fa nahavita be i Andry Rajoelina satria:
_zaza tsy nianatra kanefa dia azo lazaina fa izy no nanokatra ny lalana @ resaka fanetsiketsehana sy fanaovana lanona ary serasera tao Antananarivo izy tadidio fa t@ andron'ny Big City Night d mbola zaza tokoa i Andry Rajoelina.
_Jereo fa mbola tanora ny Tovolahy @ izao fotoana izao kanefa d feno fahasahiana miantsy ady @ Ra8 izay tadidio fa patron'ny Malagasy satria anazy daholo na misy idirany ny orinasa mandeha eto Madagasikara.
_Amin'izao fotoana izao d tanora izy ary mety manao hadisoana kanefa tadidio fa maro ireo teo alohany no efa niketrika izao ataony izao fa tsy nahavita ao ny profesora eny @ ambaratonga ambony, ao ny Jeneraly ambony kanefa d tsy nahavita fa i Andry Rajoelina na innn na inn hiafaran'ity hetsika ity d nahavita izy.
Mbola averiko fa za tsy manohana an' Andriamatoa Andry Rajoelina fa @ mahaolombelona d midera anazy ny tenako.Noho izany d tsaraiko @ herimpo ananany izy ary ny mampalahelo ana ka manjary ohatrany miharo anazy aho d ny fanenjehana anazy @ filazana fa jiolahimboto na ny hoe dondrona na ny hoe zakan'ny rivotra na ny hoe mifoka rongony amiko ny jerikiana toa izany d fomba fanao rehefa tsy manana halahatra ny olona iray d manao zaza saina.
Mbola averiko fa raha misy mahavita ka te hihaona @ tenanay d tsy mandaha an'izany izahay ary vonona fa tongava @ vatana izay nomen'Andriamanitra fa aza mitondra basy fa raisinay @ vatana nomen'Andriamanitra satria samy lehilahy nosorandreniny menaka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 3.3278