Raha izay fitia Ho an'I ANDRY

1. mosabe ( 06/03/2009 11:25)
Raha izay fitia tsy ho hajaina
Dia aoka hifarana eo
Fa mampijaly, mampitomany
Mandratra fo
Lany vary aho, tsy homeko anao
Ny firavako
Vonoy hadinoy izay lasa izay

Hatrizay aho dia nangina tsy mba niteny anao
Ho fitsapana no nanekeko handehanantsika
teny @13 may
izao anefa dia toa kobay
Vonoy tsy hisy intsony izay gidra izay

Mba mivavaha hahita izay anarchie
Fa ny antsika foana rava hatreo
Hafa indray fitahinao tery
Fa izao aty efa manana vilia
Koa ataoko ahoana indray ny fomba itiavako
Hadisoana ve ny hando anao
Aiza ve ka sahinao terena
hilahatra ho anao ny ankiziko

Ny demokrasia anie ka tsy natao hijaliana koa
Raha tsy hohajaina nefa kasaina ho namanao
Koa mahereza, aza kivy, f’efa natao
Fa izaho de hanadino hatramin’izao

Mba ho eo anilanao anie izay tsy tia anao
Manda mafy ndrao hiverenanao
Ambarao fa hoe ny vaky trano
Dia mameno ny eny andalambe
Raha sendra mifanojo eny ankabine isika
Taratasy no eny tananako eny
Aoka ianao mba tsy hovaky fo
Fa izy anie ilay tiako noho ianao
Hadinoy izay lasantsika izay
novalian'i ngoiha ny 06/03/2009 12:39
2. essera ( 06/03/2009 11:57)
Hitan'lisan zao. Efa zao sisa no atao, maka tononkira atsy am takelaka iray dia copier-na coller-na dia amboarina kely.
Izao no fomban'ny resy amin ady hevitra
3. ratavao ( 06/03/2009 12:01)
Aminao mantsy ketrina sy kely saina ireo vahoka ka ho vokin'izay tonkalon'adala rehetra izao: sady tsy miteny no tsy miady rima fa tenitenenina fona. Tsy ho zakanareo mpomba ny famonoa-mbahoaka ny valin'izao fijaliana izao!
4. essera ( 06/03/2009 12:16)
Ohatran'ny ankizy kely manao blague, le izy tsy mampmé fa le izy tsy mampmé indray sisa no lasa mampmé anao. Sa aona ratavao.


=)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
5. ngoiha ( 06/03/2009 12:39)
Atsangano woa le saina fotsy dia mba manetry tena fa sady efa diso no mbola miantso EMMONAT.TGVanie tsy ao intsony eeeee,tsy aleo mibebaka ve.Aza matahotra fa ao ny FILOHA HAJAINA mbola miandry ny ZANANY NANIHY REHETRA.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2033