Fa maninona Andriamanitra no mamono olona?????????

1. Mirananirina ( 05/03/2009 14:04)
Nijery ilay film taminy NRJ12 omaly alina aho:Arche de Noé.
Tantara marina ao aminy baiboly io.Ireo manota sy manompo sampy rehetra dia novonoiny daholo.Aiza ny famelakeloka izany??????????Tsy misy.
Amiko izany Andriamanitra izany dia Tsara fo,mamela heloka,fa tsy mamono, olona toa izao.tena ohatra ny tsy mino iny tantara iny aho.
Betsaka ny tantara ao aminy baiboly amin'io famonona olona io.(satria manota sy manompo sampy)dia vonoina.Tsy misy ny famelana fa tonga dia maty.

novalian'i soanja ny 04/04/2009 03:44
2. coopsal ( 05/03/2009 14:17)
Ka vao manomboka anie ny tantara ry Mirananirina dia ohatra ny mandainga ilay Andriamanitra ny Baiboly e!
Jereo fa hoy Izy hoe "raha mihinana an'io ianao dia ho faty".
Toa ilay Satana indray no nilaza ny marina angamba, satria hoy izy hoe "tsy ho faty ianareo fa hahiratra". Ary d nahiratra ry zareo.

Sao dia isika no voafitaka amin'ny hevitry ny teny hoe mamono olona ?
Ny atody ary anie maty foana e! Jereo fa rehefa fohy ny zanak'akoho, dia potika ilay atody, maty.
Sao dia mba toy ny akoran' atody ity vatantsika ity, ka tsy maintsy ho faty ihany rehefa fohy ilay fanahintsika mitombo ao anatiny ?
Anontanio Andriamanitra Mirananirina ah! Mihainoa Azy amin'ny fo fa lazaiko anao fa Izy no efa niteny, fa izao mitranga eto Madagasikara izao dia noho ny fanompoan-tsampin'ny kristiana malagasy. Ary nampilaza mialoha Izy fa hisy faharinganana lehibe noho izay efa nisy hatrizay eto noho ny amin'ireo kristiana mampirafy Azy ireo.
Nefa niteny Izy koa, fa raha mitodika amiNy amin'ny fo ny kristiana dia tsy hisy rà mandriaka.
3. miarina ( 05/03/2009 15:24)
Manomboka @ voalohany ka hatramin'ny farany ny ao anaty baiboly dia massacre daholo.
4. diamondra27 ( 05/03/2009 15:43)
nijery film ianao ary tsy nazava taminao tsara izany ilay tantara matoa mametraka io fanontaniana io ianao

voalaza ao anaty baiboly ao tsara ny antony hoe naninona no i Noé ihany sisa no navotana niaraka tamin'ireo biby lahy sy vavy isankarazany

ny antony dia satria nanao zavatra tsy nifaraka araka ny sitrapon'Atra izy ireo

Manasa anao hamaky ny baiboly raha ilaina ao amin'io tantaran'ny Noé io

Efa niala nenina Atra ary i Noe no nirahina hampilaza izany fa ho avy ny farany fa lazain'olona fa mitapy le Noé
Koa aoka tsy hanome tsiny an'Atra mihintsy ny olona
c'est la vie
izany ny fiainan'ny olombelona , teraka dia miaina dia maty ary izay mino ihany no ho voavonjy

raha nino ny tenin'i Noé izay nampanaovin'i Jehovah azy ny olona dia voavonjy
ary niditra tao anaty sambo.

Mbola valable io hatramin'izao izay mino an'i Kristy ihany sy manana Azy no hovoavonjy
5. Mirananirina ( 05/03/2009 16:09)
nijery film ianao ary tsy nazava taminao tsara izany ilay tantara matoa mametraka io fanontaniana io ianao
manota sy manompo sampy rehetra dia novonoiny daholo.Aiza ny famelakeloka izany??????????Tsy misy.

Nazava tsara mihitsy ny tantara,
ny antony dia satria nanao zavatra tsy nifaraka araka ny sitrapon'Atra izy ireo

Manompo sampy?Manota?sns.........?
Marina fa azy ny aina,ary izy no maka ny aina fa tsy aminy fomba ohatra an'izao.
Koa aoka tsy hanome tsiny an'Atra mihintsy ny olona
c'est la vie

tsy manome tsiny an'Andriamanitra mihitsy aho.Au contraire aza, tsy mino aho fa izy no nahavita izao,amiko izy dia tsara fanahy,mamela heloka sns.......tsara rehetra,fa ny baiboly nanoratra anio no ohatra ny tsy hinoako.Izay no lazaiko.
Mety ilay afo nandoro ny vahoaka tamin'izany dia volcan;fa tsy nahalala ny taloha.
Betsaka ny loza voajanahary toa ny tondra-drano,dia lazaivo fa mpanota indray ny olona dia maty io.(Andriamanitra no mamono ireo)Tsia no teniko
6. Mirananirina ( 05/03/2009 16:16)
vao manomboka anie ny tantara ry Mirananirina dia ohatra ny mandainga ilay Andriamanitra ny Baiboly e!
Jereo fa hoy Izy hoe "raha mihinana an'io ianao dia ho faty".
Toa ilay Satana indray no nilaza ny marina angamba, satria hoy izy hoe "tsy ho faty ianareo fa hahiratra". Ary d nahiratra ry zareo.

Ka izany anie no mampisalasala ny baiboly indraindray e.
Na ny samy olombelona moa aza mifamono hoatry ireny;ny guerre mondiale ohatra.Nisy niteny fa hifarana izao tontolo izao.
Vao misy loza voajanahary dia :misy miteny hoe:tonga ny faran'ny taona e.Nofaizin'Andriamanitra eeee
Ny atody ary anie maty foana e! Jereo fa rehefa fohy ny zanak'akoho, dia potika ilay atody, maty.
Sao dia mba toy ny akoran' atody ity vatantsika ity, ka tsy maintsy ho faty ihany rehefa fohy ilay fanahintsika mitombo ao anatiny

Eny tsy maintsy ho faty isika rehefa tonga ny andro,fa tsy maintsy hoe rehefa misy loza hitranga dia hoe Andriamanitra daholo ny manao izany,ary io no tsy ekeko
7. Mirananirina ( 05/03/2009 16:21)
Manomboka @ voalohany ka hatramin'ny farany ny ao anaty baiboly dia massacre daholo.

Dia mbola haveriko indray fa ahy irery ny hevitro:tsy Andriamanitra mihitsy no namono ireny,fa isika samy olombelona no mifamono ,na loza voajanahary sahala amin'ny:tsunami;volcan,rivodoza sns.................Tonga dia Andriamanitra no mahazo tsiny hoe mpamono olona.
8. soanja ( 05/03/2009 16:49)
Mirananirina:

Nijery ilay film taminy NRJ12 omaly alina aho:Arche de Noé.
Tantara marina ao aminy baiboly io.Ireo manota sy manompo sampy rehetra dia novonoiny daholo.Aiza ny famelakeloka izany??????????Tsy misy.
Amiko izany Andriamanitra izany dia Tsara fo,mamela heloka,fa tsy mamono, olona toa izao.tena ohatra ny tsy mino iny tantara iny aho.
Betsaka ny tantara ao aminy baiboly amin'io famonona olona io.(satria manota sy manompo sampy)dia vonoina.Tsy misy ny famelana fa tonga dia maty.

Tsara ny fanontaniana fa misaotra.

Tsy mpanomo na mpanafay na mpandringana na mpampiady akory Andriamanitra. Izy no Fitiavana. Ny olona no mihevitra fa manafay sy mamono ary mandringana Izy satria io no heverin'ny olombelona fa mifanaraka amin'ny asa ratsy mety misy eto amin'ny fiainana na hoe voka-dratsy tokony hitranga dia io no voiziny. Tahotra no setrin'ny finoana tsy matanjaka!

Andriamanitra dia izay mety fifandraisaina mahasoa rehetra amin'ny lafiny fahamarinana sy fitsimbinana ary filaminana.

Aza manahy momba ny Baiboly natao hovakiana sy hakana aingam-panahy io boky io. Fa tsy io akory no lahatra sy anjara ary fanaperana. Mitonea ary mifalia lalandava ao amin'izy Tompo. Namaste!

9. Mirananirina ( 05/03/2009 17:05)

Misaotra anao aho fa mazava be ny valiteninao ary momba anao 100% mihitsy.
Izaho dia tena mino tanteraka ny fisian'Andriamanitra sy ny hatsarany ka tsy heken'ny saiko mihitsy izany filazana hoe:tsy nanaiky sy nanaraka ny teniny ny olona dia novonoiny.
10. soanja ( 05/03/2009 17:15)
Miranirina> Tsy misy fisaorana. Hitahy antsika lalandava anie Andriamanitra, hampahiratra ny momba antsika ary hanome fiadanana ny fiainantsika manontolo.
11. fijo ( 05/03/2009 20:32)
izany hoe tsy demokraty andriamanitra,izay tsy mitovy fisainana aminy dia vonoiny.
fa hoan'i mirananirina,"tantara "ihany anio io nojerenao io fa tsy zavatra nisy akory e.tsy nisy izany sambofiara izany.enao mo aity ef atara ihany vao niditra teto,fa jereo any aloha be any fa misy fanazavana mazava tsara nomen'ika any momba ny metaphore sns.hivereno jerena izay fa ten amazava tsara ny resak abaiboly avy eo.
12. ikaretsaka ( 05/03/2009 21:05)
ny soi disanyt ho "mpanaraak an'Atra" sasany no mpieritreritra an'io hoe izay tsy mitovy fisainana amin'izy ireo dia vonoiny sy lazainy fa AK, nefa ilay K tompoiny aza tsy niteny an'izany
13. coopsal ( 06/03/2009 06:31)
Ikaretsaka:
ny soi disanyt ho "mpanaraak an'Atra" sasany no mpieritreritra an'io hoe izay tsy mitovy fisainana amin'izy ireo dia vonoiny sy lazainy fa AK, nefa ilay K tompoiny aza tsy niteny an'izany

==> Misy ny mamono ny nofo, ilay maharikoriko sy mampangorintsina antsika. Fa ahoana ny amin'ireo mamono ny fanahy @ fampianaran-diso ? Izay tsy mitovy hevitra aminy ara-panahy dia vonoiny ara-panahy. Lazainy fa diso izao rehetra tsy azony sy tsy fantany izao!
14. RATOVOARY ( 06/03/2009 06:52)
Fa fahafatesana no tambin'ny ota. De iza zany ilay manome ny tambiny? Atra ve? Angamba tokoa fa entiny hifehezany ny olony ihany izany mba tsy hania ary tsy hanota.
15. mion ( 06/03/2009 07:31)
Mirana nirina >>>

complexe be ilay fanontanianao fa ezahiko valiana @ fomba fisainako:
1- Andriamanitra fitiavana, be indrafo, mamela heloka. Hoy Kristy: raha misy mamelaka ny takolakao iray de omeo koa ny iray etc....

2- Andriamanitra dia tia ny olombelona "NOHARIANY" ka na inn inn heloka ataony dia tiany foana ny "Olony" : Novonoin'i Kailna i Abela, sazin'i Kaina: voaroaka fotsiny tao @ saha Edena + menace de mort ho an'izay mikitika an'i Kaina. (Araka ny tantara dia tsy nisy aina latsaka , donc nisy fomba nanaovana intimidation mba hi dissuader-na ireo mitady hamono )

3- Misy fetra ny Baiboly azo inoana tsy am-pandalinana ao @ Testamenta taloha fa ny Tnin'i Kristy ihany atao base itondrana ny fiainana pour le moment raha mbola tsy afaka mandalina enao.

4-Momba ilay bibilava sy paoma: resaka hafa mihintsy iny ary tsy ilay resaka malaza be iny fa hafa mintsy . Interpretation (artistique) toy ny mpanao angano na poesie (hevitra hafa no ao ambadika) ny boky Genese hatram toko faha 20 raha tsy diso aho, fa za mahafantatra ampahany @ ilay hevitra ambadika

5-Mahereza mivavaka ary aza misaraka @ Kristy fa izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana mitody any @ le tena Ray !!!

Bisous
16. ari.malala ( 06/03/2009 07:37)
Ialako tsiny fa toy ny misalovana lohahevitra ny fanontaniako, nefa mifandraika @ resaka momba an'i Noé. Ireo olona 8 niditra tao anaty sambofiara ve couples (mpivady) daolo sa inona no fifandraisan'izy ireo?
17. mion ( 06/03/2009 07:47)
couple mbola tsy tena mpivady fa fiancés fotsiny . tsy haiko oe firy ny zanany fa ny tena sur fa mpivady dia i Noe sy ny vadiny. fa nisy single parmi zanak'i Noe hono.
Tsy navelan'i Noé hanao firaisana t@ fiancée-ny mialou ny ahatongavana any @ tany maina mintsy ireo zanany ireo, toerana izay hanaovan ny mariazy.
18. coopsal ( 06/03/2009 09:10)
Mirananirina:

Ka izany anie no mampisalasala ny baiboly indraindray e.

==> Izaho koa fahiny nisalasala be mikasika ny Baiboly. Sombiny kely fotsiny @ ireo fanontaniana napetrako (nampisalasala ahy) ny amin'ny baiboly ity resahinao eto ity.
Ankehitriny aho raha mino dia tsy noho izay investigations nataoko na fandalinana na fianarana tatsy sy taroa, fa noho izay nahenoako an'i KRISTY niteny tamiko! Porofo tamiko izay fa velona tokoa KRISTY, ary tsy misy manambara an'izany KRisty nitsangana ho velona izany raha tsy ny Baiboly ihany, sy izay mpino marina ny Baiboly.
Dia KRISTY koa no namaly ireo fanontaniako maro.

Izaho moa na dia holazaiko aminao aza ny fanazavana marina azoko mikasika ireo mampiahiahy anao dia tsy hino ianao raha tsy KRISTY mihitsy no henonao miresaka.
Ohatra iray izao no nilazako hoe : "sao dia mba tsy ilay heverintsika ho fahafatesana kosa no lazain' Andriamanitra hoe fahafatesana ?". Amin'izay mantsy dia diso hevitra mihitsy isika ny amin'ny atao hoe mamono olona. Diso fijery isika par rapport @ baiboly.

Na dia ireo mpianatr'i KRISTY aza anie voalaza fa rehefa nitsangana mihitsy JEsoa ka nampahafantatra tamin'izy ireo marimarina fa Izy io, izay ireo vao nino ny Soratra Masina e!
19. Mirananirina ( 06/03/2009 12:17)
Miranirina> Tsy misy fisaorana. Hitahy antsika lalandava anie Andriamanitra, hampahiratra ny momba antsika ary hanome fiadanana ny fiainantsika manontolo.

Misaotra anao ry Soanja,
20. Mirananirina ( 06/03/2009 12:21)
izany hoe tsy demokraty andriamanitra,izay tsy mitovy fisainana aminy dia vonoiny.
fa hoan'i mirananirina,"tantara "ihany anio io nojerenao io fa tsy zavatra nisy akory e.tsy nisy izany sambofiara izany.enao mo aity ef atara ihany vao niditra teto,fa jereo any aloha be any fa misy

Hoy ianao hoe zavatra tsy misy.Amiko manko dia izay voalaza ao anaty baiboly dia nisy daholo na testamenta taloha na vaovao.
Ka indraindray aho tsy mino izay voalaza ao,sahala amin'io ohatra.
Andriamanitra amiko dia mpamela heloka sy tsara fanahy ,ka tsy hamono olona izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0483