Iza ary no nanao an'ity kabary ity.

1. Oay ( 04/03/2009 07:58)
« Ianareo mpanao gazety, mpaka sary, na mpiasa’ny televiziona avy any ivelany tonga aty amin-tsika, ao anatin’ny fotoana fohy dia afaka mampita zavatra any ivelany any izy. Ny anareo ny efa misy eto indray no akatonareo. Satria iarahana nahala taminy herinandro iny fa nisy ireo toerana fampielezam-peo, ireo televiziona na ireo toerana filazam-baovao na nakaton’ny tompon’andraikitry ny « informations » na ny ministry ny « informations ». Ka noho izany, tokony mba ho tonga any an-tsainao any ihany fa ny olona raha hanangana, ny anao makatona azy ka dia mieritrereta ianao fa dia mila an’izany ny vahoaka malagasy. Mahalala tsara aho. Ary ianareo mpiasa ao amin’ny radio televiziona malagasy, henonareo tsara ny tenin’ny namanareo teo : io lainga afafinareo io,

  1. tsy izahay no hitsara anareo fa misy ilay tena hitsara anareo, ary indrindra indrindra ianareo rahatrizay, hatramin’ny taranaka fara aman-dimby,

fa mieritrereta ianareo.
Koa mino aho Ingahy Tale fa voarainao ny afatry ny mpiara-miasa aminao teo, ataovy ankalahana io satria ny radiom-pirenena malagasy, an’ny vahoaka fa tsy anao, ary izay miaraka miasa aminao lehibe ao, ampahatsiahivo azy fa tokony hieritreritra isika leiretsy, fa dia ireo vahoaka maro be tonga isan’andro isan’andro, na avy orana na maina andro dia ho jerenareo fotsiny sy ho fahananareo lainga amin’ny zavatra afa fotsiny ve ny vahoaka malagasy maneranan’i Madagasikara ? Mieritrereta anareo. Mieritrereta anareo. Fa na dia ny fijalian’ireto vahoaka ireto, na ny faharetany, na ny fijoroany aza, zavatra tsy voavidinareo vola ary tsy atakalony n’inona n’inona. Koa ianareo izay mamafy lainga, lainga izay afafinareo amin’io radiom-pirenena io, lainga izay afafinareo amin’io radio televiziona malagasy io, tandremo e ! Tandremo e ! Fa Malagasy mitovy aminareo ireto.

  1. Manana taranaka ihany koa ianareo izay handova sy hiaina ity firenena malalan-tsika ity, tezaina tamin’ny fiainana ara-mpomba kristianina ary mijoro mandrakariva. Fa na dia ireo famazan’ireo Hcc ireo ange efa tsy fidiny e ! Mbola anao koa ianareo ? Ka dia mieritrereta ».

novalian'i Oay ny 05/03/2009 07:13
2. ARINOFY ( 04/03/2009 08:26)
Nga moa ilaina indray ny RNM sy ny TVM e?Koa naninona no nodorana?Tokony fitakiana ny fahalalahana hiteny no natao tao raha hendry fa tsy fandorana ny fanananam-panjakana toy ireny?zany no atao oe mandrora mitsilany.
3. rabingogilabanga ( 04/03/2009 08:42)
Nga moa ilaina indray ny RNM sy ny TVM e?Koa naninona no nodorana?Tokony fitakiana ny fahalalahana hiteny no natao tao raha hendry fa tsy fandorana ny fanananam-panjakana toy ireny?zany no atao oe mandrora mitsilany.


Marina ny anao, fa andao hatao pro, sy resaka expert ny raharaha (toin'ny @ tany mandroso):

1. I andry no nandoro ny TVM

2. I ravalomanana no prezida hatramin'izao

3.Sokafo ny enquête (Ny fanjakana no mitory manao partie civile):

Aza mbola asaina fafan'ny Pompiers ny preuve rehetra @ ireny site na toerana rehetra voadoro t@ 26/01/09) ireny, securiser-vo tsara ny donnée scientifique @ alalan'ny fanaovana scellage ireny toerana ireny.

de ampidiro ny police scientifique na hanafarana ny expert de Miami aza

Fa raha izy prezida Ravalo no tsy manao izany, ao raha, ary tsy ho ny jiolahy ANdry TGV no hanao ireo raha toa ka tonga eo @ fitondraana izy . fa raha tsy izany dia resabe ny sisa
4. ratavao ( 04/03/2009 08:48)
Tsy hitako izay idiran'ny hoe: "Mandrora mitsilany amin'izany". Fa angaha efa nisy RNM na TVM natao ho an'ny vahoka teo na may io na tsy may. Io na may aza tsy maintsy miangana fona, Force two amina ohatrinona? aza voavidy ka izay TVM sy RNM kely io ve no tsy ho tafaverina e! Fa ny hany tantara mipetraka fotsiny de ny hoe: "Inona no antony nandoroan'ny vahoaka azy? Efa tsy ho azy ihany fa an'olon-tokana natao hamoretana vahoka" MBOLA MITOHY ITY NY TANTARA NA DIA EFA AMPY ISAINANA AZA IREO EFA LASA REHETRA!
5. andrywui ( 04/03/2009 08:58)
hoy ratavao :

Lohateny : Re : Iza ary no nanao an'ity kabary ity.
Tsy hitako izay idiran'ny hoe: "Mandrora mitsilany amin'izany". Fa angaha efa nisy RNM na TVM natao ho an'ny vahoka teo na may io na tsy may. Io na may aza tsy maintsy miangana fona, Force two amina ohatrinona? aza voavidy ka izay TVM sy RNM kely io ve no tsy ho tafaverina e! Fa ny hany tantara mipetraka fotsiny de ny hoe: "Inona no antony nandoroan'ny vahoaka azy? Efa tsy ho azy ihany fa an'olon-tokana natao hamoretana vahoka" MBOLA MITOHY ITY NY TANTARA NA DIA EFA AMPY ISAINANA AZA IREO EFA LASA REHETRA!



marina ny azy satria force two hanaovana plaisir fotsiny aza voavidy ! fa raha ny tombambidin'ireo materiel sy ny rehebilitation rehetra anireo angamba 1/1000 ny vidin'nilay faorisa tou ! marina zany tavao aza mety fendrofendroina mihitsy fa lazao mitsy ny marina tavao a! fa be famendrofendro fotsiny reo Tim reo nefa izay ihany koa anie no nandoro anireo fa ny TGV fotsiny no voasoratra satria tao anatin'ny fihetsehany le izy no may e !!! (politika avo lenta) de ze mieritreritra ony zao sy ze malaelo de tonga de TGV no victime be amle izy !!! ""izaho mahalala ,ianao tsy atoro !! hoy ilay tsy vaky atreky ""
6. essera ( 04/03/2009 09:07)
ARINOFY:

Nga moa ilaina indray ny RNM sy ny TVM e?Koa naninona no nodorana?Tokony fitakiana ny fahalalahana hiteny no natao tao raha hendry fa tsy fandorana ny fanananam-panjakana toy ireny?zany no atao oe mandrora mitsilany.


Mbola tsy may tsara hono ny TVM araka ny nolazain'ny olona ka izay no mbola hamafazany lainga sy fanafenana ny fahoriam-bahoaka.

Ao vé ?
7. xxx ( 04/03/2009 09:14)
so de mbol amboarn njay ry papa io TVM tsy mbol may tssra zan fa kanja ho an bandy zan ! ataotsk levon mits io fa amboaro tonga de efatsetsy ny bandy e, vita rapits marain ian ny misio ,de aon ? iza no handoa azy fa vita io e, aiza no hakanay ny S any am Ravalo sa i Ranjeva sa i Charles ? saik mb rekipereko zao zany ny avansy e ? iza no hamaly ?
8. Oay ( 04/03/2009 09:45)
Aoka tsy hivadika ny resaka fa ny tiana hofantatra d hoe iza no nanao an'io kabary io fa tsy hoe iza no nandoro na nampandoro ny RNM sy ny TVM.Mahaiza mamaky teny sa atao teny vahiny fa efa adino ny tenin-drazana hatramin'izay nipetrahana any ivelany any izay.
9. jiimm ( 04/03/2009 11:14)
Kabarin-dRavalomana tamin'ny taona 2002 io. Kanefa mba manontany anao ary aho: inona moa no lainga afafin'ny RNM sy TVM @zao. Mba naka sary teny @ 13 Mai ny TVM roak'alika no nnazo azy. Tsy omeko tsiny izy raha tsy milaza ny zava-mitranga eo amin'ny 13Mai.
10. Oay ( 05/03/2009 07:13)
jiimm:

Kabarin-dRavalomana tamin'ny taona 2002 io. Kanefa mba manontany anao ary aho: inona moa no lainga afafin'ny RNM sy TVM @zao. Mba naka sary teny @ 13 Mai ny TVM roak'alika no nnazo azy. Tsy omeko tsiny izy raha tsy milaza ny zava-mitranga eo amin'ny 13Mai.

Marina ny anao fa kabarin'ny Apostoly Marc io, ny tiako hisariana ny saina d ny fomba fampitahorany ny mpitondra t@ izany fotoana izany,ny fomba fanozonany ny mpitondra sy ny taranany, d hamafisiko fa masindahy io Marc io ka na iza na iza tsy ahafaka an'io eo satria rehefa lasany i Madagasikara d hovidiany ndray i africa d hovidiany koa ny lanitra satria efa voasoratra fa "Ho moramora ho an'ny mpanankarena ny fidirana @ fanjakana ny lanitra azo vidiana vola fa ho sarotra ho an'ny rameva ny fidirana @ vodifanjaitra"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0869