HIAKA ANY AN'EFITRA
1. marobiby
(
03/03/2009 15:18)
HIAKA ANY AN'EFITRA
Efa nantsoina tsy nisy navahana
Hatrany atsimo ka hatrany atsinanana
Natao antso mafy hipàka ambovonana
Ka nandre daholo ny hatrany am-piangonana
Siahina ny atsy,kopahina aroa
Ianareo mpandalo tongava avokoa
Ny avy eny Andohalo midina manotrona
Ny mbola any an-trano tongava mitokona
Avia ry tontolon'ny fandraharahana!
Izahay tsy ho avy fa izahay norobàna….
Tongava malaky ry fonksionera!
Aleonay manaja ny ministera…
Mirodorodoa ianareo afak'aba!
Izahay efa tany fa aleonay mikandra….
Tongava ny hery rehetra hitambatra!
Indreo dinozoro no tonga nanangatra…
Ry tafi-bahoaka ô tongava mitolona!
Tsy ianao no "mibaiko" fa ianao no "hosamborina"…
Lazaina fa"iny ny lalan-kodiavina"
Kanefa dia tery no sady manjavona
Aleonay miandry ny andro"zomà"
Toa izay hifidy" tsy vita mandat"
Ka na iza HIANTSO na iza HANETSIKA
Izahay tsy hamaly izay" HIAKA ANY AN'EFITRA"
Tsika ihany
Efa nantsoina tsy nisy navahana
Hatrany atsimo ka hatrany atsinanana
Natao antso mafy hipàka ambovonana
Ka nandre daholo ny hatrany am-piangonana
Siahina ny atsy,kopahina aroa
Ianareo mpandalo tongava avokoa
Ny avy eny Andohalo midina manotrona
Ny mbola any an-trano tongava mitokona
Avia ry tontolon'ny fandraharahana!
Izahay tsy ho avy fa izahay norobàna….
Tongava malaky ry fonksionera!
Aleonay manaja ny ministera…
Mirodorodoa ianareo afak'aba!
Izahay efa tany fa aleonay mikandra….
Tongava ny hery rehetra hitambatra!
Indreo dinozoro no tonga nanangatra…
Ry tafi-bahoaka ô tongava mitolona!
Tsy ianao no "mibaiko" fa ianao no "hosamborina"…
Lazaina fa"iny ny lalan-kodiavina"
Kanefa dia tery no sady manjavona
Aleonay miandry ny andro"zomà"
Toa izay hifidy" tsy vita mandat"
Ka na iza HIANTSO na iza HANETSIKA
Izahay tsy hamaly izay" HIAKA ANY AN'EFITRA"
Tsika ihany
novalian'i xxx ny 03/03/2009 15:56
6. xxx
(
03/03/2009 15:56)
andrywui:
Tsianjery ratsy kely !! votany kely tsy mapmé akory fa mapmé be !!
Avoahy ilay tsara be ary e
