grevy angaha???

1. tolonmpiasa ( 02/03/2009 13:45)
GREVY ANGAHA???

Mipepipepy mibaiko Mpiasan'ny Zone sy ny Mpiasam-panjakana higrevy ry 13 mai.
Amin'ny anaran'ny demokrasia hono e.

NY TENY FITAKA FA NY ATAO NO HITA. Koa tsaraonareo @ izay nataony 1 volana fotsiny dia velomy ny adihevitra.

MBA DEMOKRASIA INONA MOA IZANY?
Fa olona am-polony no maty. Ny havana akaikin'ny Mpiasa sy ny avy "ambany tanàna" no voafitaka nodoram-belona. Ny tary no fitahina atao ampinga velona mitsena bala (bouclier humain hono). Ka demokrasia inona ity manao fihantsiana ady maraina sy hariva ity? Ity misora-tena ho fanjakanam-pikomiana sy mangaron-dapa ity?

ANGAHA NY DEMOKRASIA FAMONOANA MPIASA TAHAKA IZANY?
- 3500 no Mpiasa very asa mivantana, rava fivelomana t@ trano may teto andrenivohitra fotsiny. Olona 15 000 raha kely ny ankohonana very fivelomana t@ izany.
- Mbola miampy Mpiasa an'aliny izay mamelona olona @ hetsiny koa satria efa Orinasa 60 niveloman'ny Mpiasa indray izao no mikatona. Mihombo ny sômazy tekinika izay efa mpisy. Mitsoaka an-tany hafa ny komandy sy ny mpampiasa vola. Hatr@ hotely sy fisakafoana no ilaozan'ny mpivahiny kilià.

Koa iza no hividy ny vokatry ny tany tonga eny an-tsena? SA KOA NY DEMOKRASIA FAMONOANA NY TAMBANIVOHITRA?

Potika izay kely mba misy eto Gasikara. Demokrasia ve izany?
Orinasa sy tranombarotra fivelomantsika no norobaina sy nodorana tao Antananarivo sy manerana an'i Madagasikara. 480 000 000 000 Ia na 480 miliara Ia (40 000 000 €) no efa levona t@ fevrie fotsiny.

DIA AHOANA KOA NY MANARAKA?
Dia grevy jeneraly indray hoe? Dia grevy lavareny koa??? Dia hampikatso????
Dia ho alorina tsirairay hoe ny biraom-panjakana sy ny orinasa mbola mihodina?
Dia ny Mpiasa izany hobahanana am-bavahady tsy havela hiasa, tsy hamelona vadiamanjanaka, tsy hifamelona @ tambanivohitra?

(Avadiho) SATRIA MILA OLONA HATAO "AMPINGA MANDA VELONA" foana haroso mialoha làlana azy @ fihantsiana ady tsisy farany ataony ity misora-tena ho fanjakanam-pikomiana an-tsisindàlana.
Tsy ampy azy intsony ny Mpiandry, ny zaza amam-behivavy, ny tanora. Tsy ho afa-po izany ity "Demony-kary-ratsy-ity" raha tsy sorona tanteraka ny orinasa, ny Mpiasa, ny asam-bahoaka sy ny tambanivohitra mifamelona amintsika.

AMPY IZAY!!! Demokrasia foza orana izany ! Biby mitorona mihinana olona.

NY ANTSIKA NY TOMBONTSOA MIFANDRINDRA NO DEMOKRASIA EO AMIN'NY ASA
Na ny Mpiasa na ny sendika tsy ampianarina demokrasia.
Mitodika @ Mpiasa ny T.M.:
Mijoroa ka mamalia. Sinema efa nandeha ny teny fitaka atao @ Mpiasa. Fantaro dia verezo any fa mpivarotra ny Mpiasa ireo milaza azy ho sendika nefa tsy mahalala afa tsy rota-doza.
Raiso ny andraikitra ao anaty orinasa. Takio hirindra @ fanarenana sy ny vokatra azo ny fari-piainantsika.

Mitodika @ sendika namana ny T.M.: Tsy vitan'ny fanambarana intsony ny tanjona demokratika nifanarahantsika tanaty CTM. Ndao handamina ny sendikalisma hiatrika ny dingana vaovao. Ndao atsangana ny tenierana ifanaovana @ Mpampiasa sy izay mitondra eo fa izao no fotoanany.
Fanarenana, fanamaroana sy hampahomby ny orinasa sy fihariana hampanana asa antsika sy ny tanora mandimby izany no demokrasia.

Mitodika @ Mpampiasa ny T.M.:
Tsapanareo @ izao fa ny fifandrindrantsika mpifarimbona (paix sociale) sy ny tenierana ihany no afaka miantoka ny fampandrosoana.

Mitodika @ izay mihevitra hitondra ny T.M.:
Fantatrareo amin'izao ny fahavononanay sendika ary ny làlana itarihanay ny Mpiasa. Sahia mamelon-tsehatra hifampidinihana fa ny tenierana no demokrasia.
Taomintsika hanohana an'izany ireo mpifarimbona @ fampandrosoana (BIT, FES, PNUD).
Antananarivo, 02 marsa 2009

Ny Foibe sendikaly T.M Ny Federasiona T.M. Antananarivo
novalian'i Andribe ny 02/03/2009 19:23
2. Oay ( 02/03/2009 14:06)
Ny tena olontsotra tsy miandany d mitondra hevitra vao² ka izany hevitra izany d tsy manaratsy ny andaniny ary tsy manatsara ny ankilany
3. xxx ( 02/03/2009 14:17)
Ok , ekeko 100% Tolonmpiasa !
4. hery ( 02/03/2009 16:43)
Betsaka ny namana fantatro tratran'ny chomage technique tamin'ny 2002 tsy mahita asa hatramin'iny ka hatramin'izao... :-)

Ataovy ny grevy raha mahavita fa mahatantesa fotsiny ny fahaverezana asa rehefa aoriana ao.

5. xxx ( 02/03/2009 17:10)
MBA DEMOKRASIA INONA MOA IZANY?
Fa olona am-polony no maty. Ny havana akaikin'ny Mpiasa sy ny avy "ambany tanàna" no voafitaka nodoram-belona. Ny tary no fitahina atao ampinga velona mitsena bala (bouclier humain hono). Ka demokrasia inona ity manao fihantsiana ady maraina sy hariva ity? Ity misora-tena ho fanjakanam-pikomiana sy mangaron-dapa ity?


Ny olana anie dia :

- Ianareo TIM izay nanao auto-proclammation ity no handeha hananatra anay ny momba ny hoe demokrasia ?

-Ianareo izay namaky magasin d'arme sy nankeny mahazoarivo no hananatra anay ny hoe: zone rouge?


raha mba olonkafa ahay , mba sao dia tafahoatra re!

ary matoa betsaka ny mpigrevy , dia na sanatria karama vary masaka y asa atao,



ny mpiasampanjakana indray dia fantany fa tsy ho voaroaka izy na ho chômeur izy,
ary fantany koa fa ny karamany tsy mahavelona ny tapa-bolana akory


fa indrindra indrindra betsaka ny gasy tsy an'asa nohon'ny miasa, dia be ny tonga eny @ 13 Mai
6. andrywui ( 02/03/2009 17:14)
didy maso asiampanafody io ka mahareta fa hanana ny soa !!! otrizao anie no nieritreretana andravalo tam 2002 e!! nef innn no nataony zao ??? ka aleo ndray aloh mak sain izy de ho hita ndray raha mba hanome ny faran'ny kely indrindra amin filan'ny olombelona ndray i Rajoelina de ny sakafo ampy sy feno , karama aradalana fa tsy ity karama ataon'ny Mpitondra izao ity (28--30euro/moi,ny fampiakarana an'io no tena maika), trano ara-dalana ho an'ny isam-pianakaviana(rah vonona ny tena hijery ny tombotsoam-bahoak marina anef ny Mpitondra de ts sarotra mihits io) ,rah mis mahatanterk an'io kosa ze mpitondra mifandimby eo de ho betsaka no hanao azy oe Hosana! ,Hosana !!!! fa amizao aloha satria tsy nahavita an'io iRavalo de tsotra ny hika :Homboy,!Homboy! azafadyOOOOOO !!!! ^:^ ^:^ ^:^ ^:^ ^:^ ^:^ ^:^ ^:^
7. Annie2006 ( 02/03/2009 17:49)
hery:

Betsaka ny namana fantatro tratran'ny chomage technique tamin'ny 2002 tsy mahita asa hatramin'iny ka hatramin'izao... :-)

Ataovy ny grevy raha mahavita fa mahatantesa fotsiny ny fahaverezana asa rehefa aoriana ao.




Izany indrindra no hanesorana an'ity Ravalomanana ity eto satria raha TSY MBOLA NAHITA ASA NY VAHOAKA NANAO GREVY T@ 2002 KANEFA RAVALO SAHY NIVIDY RAOPILANY MITENTINA 60 millions de dolara, SAHY MIVAROTRA TANINDRAZANA @ vahiny, DIA IZY RAVALOMANANA, fa tsy ireo mpanao grevy NO FOSITRA amin'ny olana misy.

Rariny ny fanaovana grevy HANESORANA AN-dravalomanana mba hanavotana ny firenena. RAHA miala eo Ravalomanana io dia tsy maintsy mahita asa ireto mpanao grevy t@ 2002 mbola chômeur ireo.
8. molota ( 02/03/2009 18:37)
resaka chômeur V!! efa simba t@ ny BIZINA maizina ny fisainana ka tsy mahagaga ra tsy mahita asa, ary @zao fotoana olana eran-tany io! angamba samy mijery vao2 daholo :-D :-D
9. Andribe ( 02/03/2009 19:23)
ry toa an i ra wiwi daholo no mahatonga izao tsy fisian ny asa izao eto madagasikara. tokony gadraina koa reny eny tsiafahy afaka mivazavaza fa tsy misy internet =)) =)) =)) =))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0511