ho an'i Noue

1. toovs ( 01/03/2009 08:20)
(miala tsiny fa tsy afaka namaly ny fanontanianao aho, tsy maintsy miandry 47 mn hono aho vao mahazo mamaly ka dia naleoko nanokatra hevitra vao².)

eeee, mampalahelo i Noue raha izany.

izay hita fa tsy tia tena e, na au moins mba nieritreritra ny fahoriam-bahoaka ka nampiakatra karama.

zah tsy miteny hoe i ratsirahonana fa izy zao no ohatra akaiky indrindra hoe raha tsisy azy ny vahoaka tam andron'ny zafy albert dia efa tsy homankanina mitsy. izy zao no mba nampiakatra kely ny pouvoir d'achat tam zany

saingy bobaka ange ny mpanao pôlitika tsy manao béni-oui-oui tam mpitondra e, na tam andron'ny arema zany na am andron'ny tim am zao io.
répondu par xxx le 02/03/2009 16:38
2. Noue ( 01/03/2009 08:24)
ka hiverina @ taloha ihany ve ee ?? ianao milaza oe
aleo mitady olona hita fa nahavita, na olom-baovao.
dia hoy aho oe IZA ? iza no olona suceptible azo hapetraka eo ??? i tgv ve ??? izy aloha tsy ho lasa prezidà satria vao 34 taoana ee !! ka iza aza no azo hapetraka eo ee ??? harosoy aza ho dinihina ee
3. Noue ( 01/03/2009 08:27)
(susceptible fa nisy diso) dia hoy ianao be ny olona mpanao politika ka haveriko ny fanontaniako oe IZA
4. toovs ( 01/03/2009 08:28)
aza mananihany fa efa nilaza ny hevitro aho, ianao kosa ve mba mamaky aloha e.

fa na izany aza hotohizako ny valiteniko :
tsy zah ange no misafidy izay olona hilatsaka hofidiana e, tsy apetraka ny futur président fa holanian'ny vahoaka.
asio fifidianana dia hohita eo zay olona hilatsaka sy vonona hitondra ka hampandroso firenena

5. toovs ( 01/03/2009 08:32)
ratsirahonana ohatra, iny no nampiakatra kely ny karaman'ny mpiasa tam andron'ni zafy labiera.
i radavidson andriamparany koa olona tsy mpanao béni-oui-oui.
6. ndenn ( 01/03/2009 10:24)
Ary raha ianao ratoovs no mba milatsaka ho fidiana koa dia inona no olana ?
7. Noue ( 01/03/2009 10:32)
ratsirahonana ve dia haverina eo ee ?? ny taloha ihany zany no miverina kooo
8. Annie2006 ( 01/03/2009 15:17)
Raha tsy afaka manova ny fizotrin'ny raharaha politika izay misy any Madagasikara fa variana mamely amponga eto fotsiny aloha dia tsy dia misy ny tokony hatahorana amin'izay heviny.

Ny misy amin'izao dia "herisetra" sy "ramatahora" no hany sisa hetsika ataon-dravalomanana. Ny vahoaka malagasy eran'ny vazan-tany dia miombon-kevitra ny @ hoe: MIALA RAVALOMANANA. Izay aloha dia MAZAVA ary TSY MISY HIADIAN-KEVITRA INTSONY.

Ny ataon'ny mpanohana azy indray dia tsy mahagaga raha mivaralila sy mihirahira eran'ny blog sy ny site isan-karazany. Zo-ny io. Azony atao io. Fa ny vahoaka malagasy irery ihany no tompon-teny farany ary efa milaza hoe: RAVALO MIALA. Tsy angano io, tsy resabe fotsiny io, fa tena zava misy marina.
Jerevo fotsiny ny fihetsik'ingahy Ravalo dia ho tsapanao fa olona tsy dia manampahefana mitondra firenena izy.

Raha ireo antoko politika rehetra manohana an'i ANDRY TGV kosa dia mazava io: Samy mahatsapa tena fa ANDRY TGV no hany afaka mitondra ity ady mafana ity KANEFA KOSA NY TSIRAIRAY dia samy manana andraikitra tandrify azy avy ka manana izany adidy izany hanatanteraka ny andraikitra tokony sahaniny. Mazava izany.

Ka na inona no lazaina, na inona, VOAPOROFO IZAO FA RAVALO no ratsy indrindra @ mpanao politika gasy rehetra hatr'izay ka hatramin'izao, ka adidy no manala azy eo: Ravalo no namono malagasy maro indrindra; Ravalo no nivarotra ny tanindrazana, Ravalo no nividy ny sain'ireo mpitondra fivavahana; Ravalo no tsy mandraharaha ny vahoaka sy ny sisa.

KA RAHA TSY RAVALO NO EO DIA EFA ANDALAM-PANAVOTANA NY FIRENENA MALAGASY.
9. toovs ( 02/03/2009 08:12)
ndenn:

Ary raha ianao ratoovs no mba milatsaka ho fidiana koa dia inona no olana ?



lol, mbola tsy ampy taona am znay aho, mbola tsy mananika akory ny 30 taona. hihihi

sady aleoko mijanona sy mifantoka amin'ny kapoaka fa tsy mety amiko ilay vahoaka. sao aho dia lasa mimonopolisé vahoaka sy kapoaka eo ka lasa manana tendance hampiasa ny pouvoirko sy ny mahaprésident ahy ka hanao anjorombala ny entreprise sasany. raha misy marché kosa ve de tsy ho izay entreprise présidentielle no hahazo az y? sady sao de refa mila manafatra fitaovana aho hampandrosoana ny entrepriseko dia asiako detaxation ny momba an'iny, dia avy eo esoriko ny detaxation refa azoko ny besoin ko. hihihi

na koa hanao hoatra ny tamin'ny andron'ny deba hoe ahoron'ny zanako daholo ny tany misy harena ankibon'ny tany tany ilakaka. hihihi

10. xxx ( 02/03/2009 16:38)
Annie2006:

Ny vahoaka malagasy eran'ny vazan-tany dia miombon-kevitra ny @ hoe: MIALA RAVALOMANANA. Izay aloha dia MAZAVA ary TSY MISY HIADIAN-KEVITRA INTSONY.



DISO TANTERAKA IANAO !!! Mianara manisa, na 20.000 aza ny olona nanomboka ny tolona (efa 2.000 izy sisa izao) , tsy mbola ny malagasy eran'ny vazan-tany izany ! 18.000.000 ny vahoaka malagasy , ny antsasany aza tsy tratra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.073