Misy ve ny USB 240 Go

1. Ilo ( 27/02/2009 06:18)
Mba mila fanampiana : Misy ve zany USB disk 240 Go marque Sony vaio zany sa arnaque fotsiny ? mora simba ve sa tsara ihany?
2. Simpona ( 27/02/2009 07:49)
Otrn tsy misy ngamba zany, ny misy dia disk dur 2,5 pouce manana an'io capacité io, na mihoatra aza. Sa mitovy ihany zany aminareo? :?:
3. simplex ( 27/02/2009 09:01)

Misy

Zany hoe Disque dur externe ny anarany... mampiasa port USB fa tsy dia tena hoe cle USB per se, ngozangoza otran'ny boky kely ary mila alimentation ihany koa...
hatr@ 1Tb ~ 1000Gb no efa hitako

ra mpanangona film sy mozika no tena mila azy
hanaovana backup ana server ihany koa...
4. kelly13 ( 27/02/2009 09:23)
tsy io v le disk dur externe azo brancher-na @ tv e?
5. Ilo ( 27/02/2009 11:01)
Ka le izy tena clé USB le kely ireny mihitsy fa tsy disk dur externe ka matahotra aho sao manjavona ao ny données.
6. daryprod ( 27/02/2009 11:15)
Tena mahagaga indray izany ko, noheveriko fa ilay externe araka ny filazan'ny eo ambony aza. Sarotsarotra ihany aloha ny fitandroana izany Clé USB zany satria ireny anisan'ny tena mora handairan'ny virus matetika. Tandrovy tsara fotsiny de milamina e.
7. simplex ( 27/02/2009 11:23)

mety tsy marina ngambany
satria tokony mila alimentation
misy 150Gb tsy mila alimentation fa slow indraindray dia tsy maintsy brancher-kely ihany ila cable mi-alimenter-azy...
fa ny mihoatra ny 150Gb otran'ny mila alimentation doly...

asa anefa mety efa nivoatra ny teknolojia...
jereo fotsiny hoe firy ny capacite-ny ee

mety mora simba fotsiny ngambany ny olana aminy... nefa poinsa tsy maintsy lafobe...
ra tsy maintsy hovidiana le izy dia partitionner-o tsara fotsiny... @ zay mba tsy very ny donnees sasany ra ohatra ka bonne chances...

;-)
8. Ilo ( 27/02/2009 11:31)
Efa nandramako fa tena 238 Go ny capacité-ny. Fa aleo aloha tsy vidiana raha tsy sûr fa sao sady very vola no very données eo ko.
9. hery ( 27/02/2009 12:32)
sao dia 238 MO :-)

Ny hitako hatr@ zao toa 16Go ny usb flash
10. Herimiafina ( 28/02/2009 22:25)
Mety misy io raha ny heritreritro, ny Disque dur externe aza izao efa misy mahatratra 1 Tetrabits. :^)
11. ikaretsaka ( 28/02/2009 23:09)
So de external HD kosa izany.. na time capsule..... ho anay mampiasa paoma mankany itaosy toa efa elaela ihany no nilalao tetrabytes ko
12. lohabe ( 01/03/2009 14:23)
salut
Mbola tsy nahita an'izany aho fa 64Gb izao no ambony indrindra efa hitako. Sendra disque dure marina izany fa ilay fisapisaka ireny fotsiny no paoziny.
13. rabaradaka ( 10/03/2009 06:59)
Marina izany bainy a
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4947