Hahavita karemy sambatra aby e

1. ikaretsaka ( 25/02/2009 15:04)
Alarobian'ny lavenona androany.
dia mirary ireo Kristianian manao karemy rehetra mba hahavita soa, @ fandinihintena, fivavahana, fifadian-kanina sns e..
Ny fifadian-kanina no ain’ny fivavahana, ny famindram-po no fiainana ny fifadian-kanina, ka izay te hivavaka tsy maintsy hifady hanina, ary izay mifady hanina mila mamindra fo. Izay te hohenoim-bavaka dia hihaino ny fitarainana ataon’ny hafa aminy. Izay te hanokatra ny fon’Andriamanitra mba hidirany tsy ho mafy fo velona amin’izay mba mitaraina aminy…
Md Piera Chrysologue

2. klitika ( 25/02/2009 15:22)
Misaotra betsaka fa izao ange ry Ikaretsaka eh.
Ry zalahy tany Israely tena afaka mifady hanina satria be loatra ny trondro, ny ondry sy ny osy, divay sy ny oliva laniny, satria mila ho isan'andro ireo ihany no sakafony.
Fa ny anay ron'anana isan'andro dia mbola fadiana indray io dia ena lasa ranon'ampngo sy sira sisa no iafarany k'le HM, HM, HM
3. tafita ( 25/02/2009 16:34)
Mirary soa sy tsara hoanareo rehetra
tsy misy fepetra
amin'izao fiandohan' ny karemy izao
iombonako aminao
dia samia hendry tsara , mivavaha ihany koa
Hoy ny Tompo JESOA
efa-polo andro , tantara mampahory
ao anaty Baiboly
manambara zavatra io , fa tsy hoe kilalao akory
sao laozanao matory
fa mivavaha , mivavaha , izay no hafatra ho anao
amin'izao fotoana izao
hifady hanina aza ve, ny ahy tsotra ihany
raha misy manontany
samia manao ny azy, sao misy tsy hahazaka
fa tsotra dia ny Paka
Ilay fety lehibe, io no tanjona ho kendrena,
Mba hahazo Fandresena
miaraka amin'Izy Tompo , fa izay no Paka koa ho anao
ho tonga olom-baovao
Ombako firarian-tsoa , miampy vavaka ho anao
amin'izao fotoana izao
Bon Chemin du carême daholo ee e e


4. ikaretsaka ( 25/02/2009 18:33)
klitika: le "hanina" fadiana ange tsary voatery hoe kaly e
5. klitika ( 26/02/2009 01:08)
Ikaretsaka: Fa izay rehetra azo hanina ve? :-D :-D :-D :-D :-D
6. soanja ( 26/02/2009 02:03)
Misaotra Ika mampatsiahy sy milaza ny tokony atao. :-* :-*

Ny tenako moa dia efa somary elaela ihany no nanao karemy amin'ny lafiny isan-karazany.

Hitahy anareo anie I Kristy Tompontsika!
7. Mirananirina ( 26/02/2009 13:20)
klitika: le "hanina" fadiana ange tsary voatery hoe kaly e

fa inona koa no azo fadiana ry ika.Izaho izao dia mieritreritra hoe hanina no fadiana amin'io.
Ary amin'izao fotoana izao toa tsy misy mifady hanina intsony(Tsy mihinana hena ,nefa mihinana trondro).
Nefa anie ny antony dia tsy hinananao hanina dia mba hanampiana ny hafa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.242