Kristianina aho eh

1. xxx ( 21/02/2009 20:15)
fa ny fitadiavany no ravan'la ny fanananay nodoran'la niaraka tamin'ny mpiasa, dia hoe ho afaka ve ialahy fa kristianina
novalian'i coopsal ny 05/03/2009 14:10
2. rakaroka ( 21/02/2009 20:52)
'Lay fitononana sy fisehosehoana ho Xtiana mihitsy 'ngamba no 'zary "lamaody"
hoe mbô mpivavaka knou! 8O
3. soanja ( 21/02/2009 21:41)
rakaroka:

'Lay fitononana sy fisehosehoana ho Xtiana mihitsy 'ngamba no 'zary "lamaody"
hoe mbô mpivavaka knou! 8O


Bozoro Njy! Mbola tiako foana ny mihaino ny mozikan-ndry.



:-* :-* :-* :-*
4. Mirananirina ( 22/02/2009 10:11)
fa ny fitadiavany no ravan'la ny fanananay nodoran'la niaraka tamin'ny mpiasa, dia hoe ho afaka ve ialahy fa kristianina

Fa amin'aminareo Kristianina no inona ???????????
5. ZoRajoela ( 22/02/2009 20:02)
Ny kristianina dia olona toy ny rehetra ihany: manana ny fahalemeny sy ny fahadisoany, ary tsy olona " masina" ohatra ny fiheveran' ny maro. Ary ny fahafantarana izany toetra izany indrindra no mahatonga anay hanantona an' i Jesoa. Tsy ny salama no mila dokotera, hoy Izy, fa ny marary, ary ny mpanota no mila Mpamonjy. Miezaka izahay kristianina ny hitondra tena tsara, nefa matetika dia tsy tanteraka izany. Soa ihany fa i Jesoa dia efa maty noho ny ota rehetra, na izay efa vita, na izay mbola ho avy. Ary ny finoana fa izany no marina no mahavonjy. Minoa an' i Jesoa dia ho voavonjy ianao.
6. tafita ( 22/02/2009 20:21)
Moramora tokoa ny mvavaka raha nahita an'i radaoro vita kaominio ka hoe KRISTIANINA AHO KRISTIANINA
7. ZoRajoela ( 22/02/2009 20:50)
Hoy i tafita : Moramora tokoa ny mvavaka raha nahita an'i radaoro vita kaominio ka hoe KRISTIANINA AHO KRISTIANINA . Maro tokoa ireo milaza tena ho kristianina no hameno ny farihy mierehitra afo mandrakizay: pasitera, mopera, pretra, diakona, Radaoro, sns.. . Soa fa Jesoa dia tonga teto antany hamonjy ny mpanota. Manana chance hibebaka ianao . Aza variana mijery ny hafa fa sao ianao tara eo.
8. soanja ( 23/02/2009 01:02)
ZoRajoela:

Soa ihany fa i Jesoa dia efa maty noho ny ota rehetra, na izay efa vita, na izay mbola ho avy. Ary ny finoana fa izany no marina no mahavonjy. Minoa an' i Jesoa dia ho voavonjy ianao.


Ka tsy milaza ve izany hoe na hanota aza aho dia ho voavonjy satria i Kristy manadio ny ota foana any amparany????
Mety izany ve no tsy mahataitra ny Xtianina aminy zavatra fantany fa fahotana nefa ataony ihany?? Sao ny fahotana kosa no tsy afaka amintsika na Xtianina aza na tsy misy ny fahotana fa ny olana no misy???

9. Fody ( 23/02/2009 08:49)



Sujet tsy dia tena mazava loatra, sady ilay mametraka azy saro-kenatra tsy sahy miseho masoandro.


Am-pitiavana be.
10. coopsal ( 23/02/2009 14:31)
ZoRajoela:
Ny kristianina dia olona toy ny rehetra ihany: manana ny fahalemeny sy ny fahadisoany, ary tsy olona " masina" ohatra ny fiheveran' ny maro. Ary ny fahafantarana izany toetra izany indrindra no mahatonga anay hanantona an' i Jesoa. Tsy ny salama no mila dokotera, hoy Izy, fa ny marary, ary ny mpanota no mila Mpamonjy. Miezaka izahay kristianina ny hitondra tena tsara, nefa matetika dia tsy tanteraka izany

==> Miombona aminao aho. Tsy hoe rehefa nino an'i KRISTY dia lasa tsy misy pentina tampoka. Ny pentina rehetra eny amiko mandrakariva, ary ny maha izaho ahy dia ato anatiko mandrakariva. Fa Ny Fanahin'ny Zanak' Andriamanitra koa dia ato amiko, ary mitaona ahy ho amin'ny tsara.
Koa miezaka aho ny ho tanteraka sy ho masina tahaka an'i KRISTY, amin'izay rehefa tonga ilay fotoana andrasako amin'ny fitaintainana miaro fanantenana, dia ny hamafan'i KRISTY ny fahotako rehetra amin'ny ràNy, dia tsy hanota intsony intsony aho fa ho Zanak' Andriamanitra tanteraka tahaka Azy.

soanja:
Ka tsy milaza ve izany hoe na hanota aza aho dia ho voavonjy satria i Kristy manadio ny ota foana any amparany????
Mety izany ve no tsy mahataitra ny Xtianina aminy zavatra fantany fa fahotana nefa ataony ihany?

==> Io mihitsy angamba no hazavain'ny Apostoly Masina Joany hoe : "Raha milaza isika fa tsy manana ota, dia mamita-tena. Fa raha miaiky isika fa mpanota, dia mahatoky sy marina Izy ka manadio antsika ho afaka amin'ny tsifahamarinana rehetra.
Miteny izany aho mba tsy hanotanareo ... ary raha misy manota, dia manana solovava ao amin'ny Ray isika, dia Jesoa Kristy, izay avotra ho an'ny fahotatsika, ary tsy ny antsika ihany fa ny an'izao tontolo izao".
Ataoko fa matoa ny olona tsy mivaky loha ny amin'ny fahotana, dia satria tsy nanorina ny tranony tambony vatolampy izy fa tambony fasika, dia araka izao tenin'i Jesoa izao hoe :
"Izay mandre ny teniko ka mankato azy, dia tahaka ny lehilahy nanorina ny tranony tambony vatolampy, ka na avy aza ny orana sy ny rivotra mifofofofo dia ho mafy orina izany. fa izay mandre ny teniko nefa tsy mankato, dia hoarina amin'ny lehilahy iray izay nanorina ny tranony tambonin'ny fasika, avy ny tafiotra sy ny rian-drano ka dia mirodana ilay trano"
11. ikaretsaka ( 23/02/2009 16:11)
tsy hitako ny hifandraisan'ny lazain'i coopsal sy le sujet.. aiz ano tianao hahatongavana?
12. Mirananirina ( 23/02/2009 16:26)
Matetika anie ka anarana fotsiny ny mahaKristianina na tsia.Ohatra:Firy amin'ireo vazaha eto Frantsa no tsy mino an'Andriamanitra sy tsy miditra ampiangonana,aleondry zalahy miasa alahady na miantsena .Nefa Kristianina daholo ireo.Dia hilaza ve isika hoe:ny Kristianina tsy manao an'izao sy izao......
13. coopsal ( 24/02/2009 08:42)
Ikaretsaka:
tsy hitako ny hifandraisan'ny lazain'i coopsal sy le sujet.. aiz ano tianao hahatongavana?

==> Ny sujet dia hoe "Kristiana aho eh!". Malalaka be, naneho hevitra ilay nanokatra ny lohahevitra ary tsy nametraka fanontaniana.

Ny hafatra nalefako dia miantefa amin'izay iantefany.
14. rakaroka ( 24/02/2009 23:05)
[quote=soanja]

Bozoro Njy! Mbola tiako foana ny mihaino ny mozikan-ndry.
:roll:

Bonjour akia 'njy Soanja :-* :-* :-* (Fa misy hira hafa milayyyyyyy BBBBeeee izay mihitsy tiako avoaka fa tsy ampy sarin'i Dago aho io!)

Marina ny fanamarihan-njy etsy ambony fa 'zary toa tinaiza anaty onaonam-pahotana ny Xtiana satria fiheverana "Efa maty i Kristy nisolo heloka". Ary ny "mahamenatra aza dia maro amin'ireo tsy nitonona ho Xtiana akory no "nahaefa" izay moindre de chose "nandrandraina taminy" ( tahaka ilay samaritana tsara fanahy ) ; Dia odiana fanina izany ilay tena fampianaran'ilay
Jesoa tahaka izany, dia midradradradra anefa fa hoe "tena mpanara-dia an'i Xty"
Mahavariana sy mampanontany tena ny olon-kafa an?...



15. soanja ( 25/02/2009 02:08)
Rakaroka> Zany ve?? Mba te aheno ny hiranjy hafa aho. Sary toy ny inona no ilaindry sao dia ananako? :-* :-* :-* (l)
16. rakaroka ( 25/02/2009 21:45)
soanja:

Rakaroka> Zany ve?? Mba te aheno ny hiranjy hafa aho. Sary toy ny inona no ilaindry sao dia ananako? :-* :-* :-* (l)


"TSARA" akia izy hira tiako avoaka izay a!
:wink: Aoka fotsiny! TENA MARINA ANIE 'zany e !(- Tena isan'ny Top @ hira tiako izy io pour ne pas dire hoe le top!)
(Mampatsiahy ahy ilay firesak'ilay namana iray izay hoe :
"B - A - B - O - N - A - O" N - Y
[IMG]http://smileys.inzenet.org/repository/Amour/Firelove.gif[/IMG]
M - A - N - O - N - T - O - L - O (l) (l) (l) (l) (l) (l) (l)

"Help me" @ sary dia "avoakako".
Ka ny sary ilaiko : sary mirakitra ny hakanto, na fahantrana na izy manjo any Madagasikara @ izao fotoana.
Ny marihako tsy misy resaka politika sns ny fondn'ny hira!
17. ikaretsaka ( 03/03/2009 17:20)
Marina ny fanamarihan-njy etsy ambony fa 'zary toa tinaiza anaty onaonam-pahotana ny Xtiana satria fiheverana "Efa maty i Kristy nisolo heloka". Ary ny "mahamenatra aza dia maro amin'ireo tsy nitonona ho Xtiana akory no "nahaefa" izay moindre de chose "nandrandraina taminy" ( tahaka ilay samaritana tsara fanahy ) ; Dia odiana fanina izany ilay tena fampianaran'ilay
Jesoa tahaka izany, dia midradradradra anefa fa hoe "tena mpanara-dia an'i Xty"
Mahavariana sy mampanontany tena ny olon-kafa an?...

marina mihitsy fa vetsaka ny "Xtiana" mihevitra tahak'io
18. coopsal ( 05/03/2009 14:10)
rakaroka:

Marina ny fanamarihan-njy etsy ambony fa 'zary toa tinaiza anaty onaonam-pahotana ny Xtiana satria fiheverana "Efa maty i Kristy nisolo heloka". Ary ny "mahamenatra aza dia maro amin'ireo tsy nitonona ho Xtiana akory no "nahaefa" izay moindre de chose "nandrandraina taminy" ( tahaka ilay samaritana tsara fanahy ) ; Dia odiana fanina izany ilay tena fampianaran'ilay
Jesoa tahaka izany, dia midradradradra anefa fa hoe "tena mpanara-dia an'i Xty"
Mahavariana sy mampanontany tena ny olon-kafa an?...

==> Izaho anisan'ireo tsy nahatanteraka io moindre des choses lazainao io. Imbetsaka aho no nahita olona nila vonjy teny amin'ny lalako, saingy nihanahana aho! Maika nandeha hiasa aho ... hoy aho hoe "hivavaka ho azy aho"! Fa tsy izay no nataon'ilay samaritana fa tena izy mihitsy no nandray azy, nandany vola sy fotoana.
Nihezaka ihany aho e! Nisy fotoana nanao, nisy fotoana betsaka tsy vitako.
Miaiky aho fa tsy nahavita.
Fony mbola nihevitra aho fa nahavita dia mba nanontany tena ny momba ny ataon'ny olon-kafa koa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2756