Iza no tsara

1. nrina ( 20/02/2009 12:03)
Araka ny hevitrareo iza no tsara : RA8 sa TGV sa directoire militaire ?
novalian'i njara2007 ny 20/02/2009 15:13
2. Mirananirina ( 20/02/2009 12:07)
Amiko aloha dia leo tanteraka aho.Samy makarary andoha daholo,fa raha misafidy aho amin'ireo 3 ireo dia aleoko directoire militaire.Avy eo Ra8,tsy tiako Ra TGV mpamitaka vahoaka,hita hoe mitady seza.
3. Noue ( 20/02/2009 12:09)
fanontaniana hafakely io eee ! aleo aloha ho hitantsika eo ny tohin'ny tantara eee ! na iza aza i tgvendrana aloha dia tsy lasa hitondra zany na andeha mbaka ny lohany aza eee !
4. lemenakely ( 20/02/2009 12:23)
nrina:

Araka ny hevitrareo iza no tsara : RA8 sa TGV sa directoire militaire ?



Mety misy solution hafa satria tsy ireo ihany no olona afaka mety hitondra an i MADAGASIKARA , fa amiko aleo hisy FIFIDIANANA aloha na fitsapana ny hevitry ny vahoaka manerana ny nosy hoe : Mbola tokony hanohy ny fitondràna ve ny mpitondra ankehitrio sa tsia

Izay no hitako vahaolana mahomby indrindra ny ankoatr izay RESA BE :roll:
5. xxx ( 20/02/2009 12:24)
refa nandinika za klou de directoire militaireno mety e, de aleo samy mihahaka eo .
Toa A/tra foana mantsy no atao ala olan- zareo nefa mifanaratsy fotsiny eo. Sady lasa guerre civil koa anie le izy @ farany ra zao no mitohy e.
6. Mirananirina ( 20/02/2009 12:37)
io directoire militaire io anie ka tsy ekeny firaisampirenena e.
Nisy président izay(tsy tadidiko hoe taiza)fa jeneraly lery ary nitondra efa ela.dia nasain'ireo mpikambana iraisam-pirenena hoe na mi-démission-na militaire na président,dia niala tsy militaire intsony lery dia nijanona président
7. Devil ( 20/02/2009 12:55)
na i ravalo na i tgv na directoire militaire,za toa tsy maintsy mitondra ao foana knou.
8. nrina ( 20/02/2009 13:04)
Hitanareo a : directoire militaire he zany io oe directe tonga de directe @ fiainana de matatsa be za oe sao de tonga de omeny ny tifitra directe eo za, RA8 sy TGV ndray samy te hanan-karena daholo ko, izy mitsam ve no te hanan-karena de za no nde hamono tena, mba miteny anareo @ le radem io za fa hehehehehe, mba mipetraha tsara fa za tsy te ho latsaka ranomaso intsony ry zareo a
9. chiquitta ( 20/02/2009 13:29)


Mba tsy mety mihitsy ry Noue ity toetranao tia manabaty olona ity hoe Vendrana, fa ianao io moa mba manao ahoana, alohan'ny hitsikerana olona dia samia mandini-tena daholo aloha. Na i Andry na i Ravalomanana dia samy manana ny tsininy fa izay tian'ny olona ihany io. Tsy misy afa-tsy ny safidin'ny vahoaka tena marina no izy, ka fifidianana tsy misy hosoka no tena ahitana io, amiko tsy mety ny manenjika olona fotsiny na koa manao zavatra teran-ko masaka fotsiny. Resaka fiainam-pirenena izy ity ka ataovy am-pisainana.
10. paiso ( 20/02/2009 14:29)
Amikou alo de aleo koukou aza directoire militaire de mikarakara fifidianana izy toy zay ireo 2 reo e!! sa tsy misy milay ireo
11. njara2007 ( 20/02/2009 15:13)
Hevitra fotsiny nenah. Raha analizena kely aloha ny zava-misy eto @firenena dia samy nanao fahotana mahafaty na i ra8 na i TGV; ny marimarina kokoa angamba ny iray ra8: miaro mafy ny sezany (Raha namaky tsara ny constitution ianareo dia ho hitanareo fa tena miaro mafy ny sezany izy; ankoatr'izay ny lalàna momban'ny mpanao politika dia tena mbola manamafy izany cf: tsy mahazo milatsaka ny indépendant kanefa ange na i ra8 aza indépendant t@ voalohany eh!! ary tsy hisy olona vaovao hantenaina mihitsy raha tsy indépendant ihany). ra i Andry TGV: dia fitiavan-tseza fotsiny ny zavatra tiany hatao....(tsy asiana resa-be). Raha ny zava-misy eto Madagasikara dia atahorana tanteraka ny Guerre Civile satria: tsy hanaiky mora mihitsy ireo nanan-kavana maty; tsy hanaiky mora ireo nataon-dra8manan tsindry hazo lena (ireo no nararaotin'ny TGV angamba). AMIKO RAHA TSY HANDRAY ANDRAIKITRA RA8 DIA TSY MISY TSARA NOHON'NY DIRECTOIRE MILITAIRE ARY FIFIDIANANA MALAKA AVY EO!!! :*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0964