Zany ka fahitana!

1. soanja ( 20/02/2009 05:42)
Wowwwww!!! Mitoria ny mahalehibe anao ry Lanitra. Omeo ny momba anao. Alenteho lavidavitra ny masonay hanakatra ny momba anao! Zany ka fahitana!
http://news.yahoo.com/s/afp/20090219/sc_afp/sciencespaceastronomy
novalian'i soanja ny 22/02/2009 19:08
2. Mirananirina ( 22/02/2009 16:49)
azonao hazavaina ve fa anglais=0 za
3. soanja ( 22/02/2009 19:08)
Raha tsotsorina izany ny zava-mitranga dia misy fipoapoahana isan-karazany any amin'ny vondron-kitana miaraka amin'ny planeta isan-karazany (galaxy) hafa lavitra be any, ka izany dia antsoina hoe "gamma-ray blast". Ny gamma-ray mbola tsy misy tena mahafantatra azy tsara satria mbola tsy nisy nahita azy akaiky fa dia mipoaka ny kintana iray na maromaro satria lany ny enerjia na hery mampiodina azy, ohatra hoe io masoandron-tsika io, izay kintana dia tsy manana hery intsony hanome hafanana, dia mipoaka ary mampipoka ny kintana manakaiky azy koa ary ireo mifanjevo ao no lasa mitanjozotra mamorona ny fisian'ny black hole- (tsy haiko mandika an'io amin'ny teny gasy fa dia hoe lavaka mainty goavana angaha raha hiteniteny foana)- ka io misintona ireo zavatra miparitaka ireo hilentika any aminy any, dia eo mpilentehana eo no mifampifandray ny enerjia hafa sy ny hery hafa dia mipoapoaka manome ny "supernovae." Io koa tsy tena haiko manazava an'io fa dia hoe fipoahana mahafinaritra be mijery azy fa toa rahona miloko isan-karazany nefa sady misy jiro miloko isan-karazany ary misy afomanga isan-karazany mitsititsitika.

Aza hadino mibanjina ny lanitra rehefa misy fotoana fa mahhita zavatra isan-karazany tokoa. Indrindra ny lanitr'i Gasikara izay tena mavamavana tsara!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1848