Mba nanao ahoana ary ry zalahy mpiandry ministera izao

1. xxx ( 20/02/2009 03:02)
Mba nanao ahoana ary ry zalahy mpiandry ministera izao amin'ity fisamborana alina ity?

Atao fa tonga hanatitra kafe le miaramila
novalian'i a256011 ny 20/02/2009 11:10
2. a256011 ( 20/02/2009 05:06)
Nanonofy ve za omaly sa ahoana e? Toa naheno poabasy be, nony maraina ny andro dia naheno vaovao (mety ho diso an!) aho fa hoe nesorin'ny miaramila indray hono ny olon'ny mpitolona niandry ny ministera omaly alina (...) Ahoana ihany ary zany??? Fa ngaha tsy efa minisitra to teny ilay minisitra omaly e? Sa minisitra 5 heures(...) fotsiny? Fa an'iza marina ny tafika e? An'i Vahoaka mpitolona sa an-dRavalo? Sa sao dia mpikarama an'ady Afrikana Tatsimo indray ilay halina. Enga anie mba ho diso ny vaovao ho henoko, fa ho be ihany ny ho kivy @ mpitolona raha izany.(...)
3. fijo ( 20/02/2009 05:30)
hay nisy voasambotra mihintsy tao??? maty aho minisiterako le.
le hiran'i dadah hoe minisitera iny izany no tokony hoalefa ao kle.

dondrona sy faran'ny lisitra nefa mba te ho minisitra
4. a256011 ( 20/02/2009 11:10)
Dia mbola voafitaka koa zany isika mpitolona (TGV). Omaly de hoe ny filoha (ANDRY TGV) mihitsy no hitarika miaraka @ vadiamanjanaky ny Miaramila. De aiza akory??? To mahita hialana bala(Ara-bakiteny) foana lery. De izao lery milaza indray fa rahampitso indray izy vao hitarika. Aiza ihany izy ity e? Aiza i Rossy??? Nefa aleo ihany tsy tonga izy fa raha tonga taty angamba izy de betsaka kokoa ny ra latsaka. Ohatra fotsiny jereo ny tantaran\'i Nanie ao @ hebdo de madagascar (20/02/09 - 26/02/09), fa ny nialany tao an-trano t@ 07/02/09 ho eny Ambohitsirohitra de hijery Rossy : \" Aleo aho mba handeha fa te hijery Rossy, izay no teny nentiny nandresehany lahatra ny vadiny hialany tao an-trano, saingy de voatarika ny hoeny Ambohitsirohitra izy, de teny no nahafaty azy. Aoka izay ranga fa sao de tsy V (vita) intsony izy ity a! Ohatra ny mahay manakatso fotsiny isika fa tsy mba mahay mijery lavitra. Ndao mba hiasa, fa ny tsy manan-katao aza efa tsy fidiny, dia mbola ho ampin-tsika indray ve ny isan\'ireo Chômeurs. Sa ve mety misy asa bobaka azo volena any aorian\'izao tolona izao? Taiza izany no tsy naroso hatr\'izay? Sa sao de ilay projet n\'ny DAEHO ihany no mety hanome asa? Asa aloha ko! Sao de mivarotra tanindrazana kosa marina aloha iazany e? Mandra-pahatongan\'ny 99 taona mety efa voafindra any Japon ilay tany novolena!!! De ho toy izao foana ve? Toa lahatra ihany ny fahantrana raha izany. Asa aloha ko!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6128