ANDRY V sy ny TSY FITIAVANA

1. Noue ( 19/02/2009 21:14)

- ny TSY fitiavana: ratsy fanahy ka mandoro ny fananan’ny olon-tsotra sy ny fananam-bahoaka,
- ny TSY fitiavana: mangalatra, mandroba, mampihorohoro,
- ny TSY fitiavana: mialona ny fahombiazana eo amin’ny fiainan’ny olona ka mandoro ireny,
- ny TSY fitiavana: mieboebo sy mirehareha amin’ny fiteny sy ny fihetsika,
- ny TSY fitiavana: manao izay analàna baràka an’i Madagasikara eo anatrehan’izao tontolo izao,
- ny TSY fitiavana: mampiasa vahoaka ho an’ny tombontsoan’ny VIVA,
- ny TSY fitiavana: mifaly amin’ny fampielezana lainga any amin’ny gazety, radio, télé, internet, eny an-dalambe, …
- ny TSY fitiavana: mampihorohoro ny vahoaka fa tsy mitady izay tokony hahasoa azy,
- ny TSY fitiavana: mamono ny mpiray tanindrazana amin’ny alalan’ny afo,
- ny TSY fitiavana: mamporisika ny mpiray tanindrazana hankeny amin’ny “faritra mena” (zone rouge) mba hatao sorona,
- ny TSY fitiavana: mamporisika ny Malagasy hanao haza lambo sy hampahory ny Malagasy toa azy,
- ny TSY fitiavana: mitratrevatreva fiteny,
- ny TSY fitiavana: tsy mahandry ny fifidianana ara-dalàna amin’ny 2012 fa mitady ny fomba rehetra hanonganam-panjakana,
- ny TSY fitiavana: mpamitaka sy mpandainga,
- ny TSY fitiavana: manao sorona ny zaza sy ny tanora

tohizo eee!
novalian'i fijo ny 19/02/2009 23:42
2. zama91 ( 19/02/2009 21:20)
rehefa tsy handray ny andraikiny fanjakana tokony hametra pialana,marina daholo ireo voalazanao ry noue fa iza ny fanjakana hampiatra ny lalana
3. patrick2002 ( 19/02/2009 21:23)
Ntsooooooo ,ka tsy nandaitra intsony ny Minoa fotsiny ihany kou
4. mathla ( 19/02/2009 21:46)
Tsotra ihany ny vahaolana. Raha samy tia tanindrazana na ra8 na raTVG dia samy tokony hanaiky ny hiala moramora ka hamela ny tafika hitondra ny fiainam-pirenena aloha.
Hita fa izao no fotoana tsara (moment favorable) ho an'izany. Nahavita ny mission hanala an-dra8 i TVG kanefa mbola tsy mahafeno fepetra sy tsy manana traikefa hitondra. Tsy tian'ny vahoaka ireo dinausaure mijapy TGV. Ka raha miala ra8 dia ny miaramila no mitondra ary malalaka amin'izay ny fitsarana sy fikarohana an'izay diso tamin'ireny faty olona ireny sy izay atidoha mikotrika an'izao hetsika izao.
5. xxx ( 19/02/2009 23:16)
mathla:

Tsy tsara io vahaolana to ,tadidio ny t@ andron'i Gabriel R. sy Richard R.

:x
6. xxx ( 19/02/2009 23:17)
mathla:

Tsotra ihany ny vahaolana. Raha samy tia tanindrazana na ra8 na raTVG dia samy tokony hanaiky ny hiala moramora ka hamela ny tafika hitondra ny fiainam-pirenena aloha.
Hita fa izao no fotoana tsara (moment favorable) ho an'izany. Nahavita ny mission hanala an-dra8 i TVG kanefa mbola tsy mahafeno fepetra sy tsy manana traikefa hitondra. Tsy tian'ny vahoaka ireo dinausaure mijapy TGV. Ka raha miala ra8 dia ny miaramila no mitondra ary malalaka amin'izay ny fitsarana sy fikarohana an'izay diso tamin'ireny faty olona ireny sy izay atidoha mikotrika an'izao hetsika izao.

Tsy tsara io vahaolana io ,tadidio ny t@ andron'i Gabriel R. sy Richard R.

:x
7. fijo ( 19/02/2009 23:42)
tsara ilay hoe samy miala,fa tsy tafika no atao eo,fa sivily hiarahan'ny rehetra manaiky
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.4432