hangina ve ry tgv ra ohatra ka amidy ny force2

1. xxx ( 18/02/2009 22:03)
ozy ny tim Raharinaivo Andriantoandro oe azo amidy ny force2 ra zay no hampilamina ny raharaha

de iza ny oul mety hividy an'io
novalian'i xxx ny 19/02/2009 09:00
2. Belami ( 18/02/2009 22:06)
Na izaho aza mety hividy raha alefa @ eBay le izy
3. xxx ( 18/02/2009 22:09)
http://www.moov.mg/actualiteNationale.php?articleId=469833

draisssy efa misy kil 1zany ao
4. andrywui ( 18/02/2009 22:12)
De mifalifaly ambolony ato reto marina fa ny ahazo azy apitso tsy hitany !! ny manao oui !oui ! Rangory an de hianareo tsy mba mahay mandà ny hitsaka ataon'ny Mpitondra anareo !! tarazo azo tamin'ny razana nozanahin'ny mpanjanatany io manaiky foana ny hanaovana azy io !ka tsy mba manakevitra ny hamaly ny vazah zany fa de oui ! oui ! araka ny teninareo io (azafady aloha fa ny oe wui = mpiady no dikany ) ka io oui araabakiteny io de aretina azo hatram taloha io ! fa ny irenena rehetra raha velomina amin'ny karama 28euro zany de efa ela mihitsy no tsyu nanaiky !! isika aza ane efa tara aminio 28euro /moi io e!! zany ve de ekena nefa ny Fanjakana oe manana 11% ny harinkarena faobe !! izany oe afaka tsara manome 100euro /moi ny Fanjakana fa tsy sarotra izany sady malalaka be raha io taux de croissances !! nefa maninnn no ajanony aminio 28euro io ihany ?? --ny valiny :: raha manana ny ampy na tsy mitrongy tsony ny Malagasy de afaka hijery amzay ny Fitondrana ny Firenena !! de naleo miondrika tsy mahajery ao ihany mba ho voarebirebin'ny fitadiavana isan'andro ny olona !!! mila esorina ao antsaina ny oe aleo mihina kely e!! mba miafiafy eo ee! zara aza mba mahita ee! atao ahoana ary ee efa zay no anjara eee!! ... TSIA tena manana zo feno hitaky ny marikarama nao ho ambony ianao fa tsy hanaiky be fahatany eo fotsiny !!
5. zama91 ( 18/02/2009 22:28)
tsara rehefa tonga saina ny fanjakana hivarotra an'i air force one mba hanampiana ny volan'ny MAP satria voalaza fa tsy ampy vola hoan'io projet io ny gouvernement io
6. xxx ( 18/02/2009 23:11)
hahazo eo amin'ny 3$ eo aby zany isika malagasy ! e! ho afaka ny fahantrana !!!!!!ahavidy vary mandritra ny 5 taona !!!!!!
7. klitika ( 19/02/2009 03:53)
Ka mba te hitaingina an'le raoplanina koa ange ry zalahy, ka amidy ahoana ary io
8. Fanhaiky ( 19/02/2009 08:31)
Tsy hangina izany izy na amidy aza io fa ts ho lazainy indray ve hoe hatsanganao ny maty teny Ambotsirohitra eh
De his fantôme handehandeha indray izany koa :-D :-D :-D :-D :-D :-D
9. xxx ( 19/02/2009 09:00)
amiko aloha, dé na mitovy hevitra, na tsy mitovy hevitra. ny zavatra tsapako hatr@ ny nahatsiarovako saina, dia izao ihany. isika malagasy mihintsy no tena mila miova fihetsika, fisainana, fijery. hatrany ifotony mihintsy zany no tokony hiova isika. tsy mampitovy aho, fa mampitsiriritra ah mihintsy ny mijery ny fandraisan'i obama ny fitondrana tany USA ireny.
amiko de azo aseho ohatr'zao ny nisy teto amitsika hatrizay:
TSIRANANA=RATSIRAKA=ZAFY=RATSIRAKA=RAVALOMANANA=ZE HIDITRA EO NDRAY=TSY HIOVA AKORY ISIKA

raha ny tokony ho izy zany amiko, ny fanovana tanteraka ary @ tokony ho izy ny lalampanorenantsika no tokony hatao. dia ny mpitondra hiakatra eo, dia tena HANARAKA TOKOA io lalampanorenana io. fa tsy oé rehefa tonga eo aho, dia ovaiko araky ny hitiavako azy, @ tombotsoako, @ mampetipety ny antokoko.

ary ty zavatra iray, raha mbola izao aloha ny isan'ny ANTOKO POLITIKA eto amitsika, de tsy ho tanteraka akory ny fiovana eto madagasikara, fa dia hiverina hatrany foana lay:
TSIRANANA=RATSIRAKA=ZAFY=RATSIRAKA=RAVALOMANANA=ZE HIDITRA EO NDRAY=TSY HIOVA AKORY ISIKA

asa, miteniteny foana V aho? asa mandefa revy lavitra loatra ve aho? mbo faniriana izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3535