Iza ireo mody miakanjo fotsy ireo?
1. nofinofy
(
18/02/2009 11:56)
Izaho dia olona tsy mpivavaka be, fa nahagaga ahy ny nahita ireo mpiandry handeha hialoha lalana. Tsy ao Antananarivo aho io manoratra io, ka tsy dia mazava amiko ny fandehan’ny tantara. Fa izao : tena mpiandry, mamaky tenin’Andriamanitra marina ve ireny olona ireny ?
Mahatsiaro ilay tantara tany amin’ny sekoly alahady aho hoe:”Nalain’ny satana fanahy hono I Jesoa ka nasainy nitsambikina avy any amin’ny toerana avo dia tsy nety nanao I Jesoa ; Ka raha asaindry zalahy hiditra faritra mena ve ireo mpiandry ireo dia hanao ? sa mpiandry avy anaty ala daholo ka tsy mahalala faritra mena na zone rouge izany ? Ny mahagaga ahy koa ny teny amin’ny place 13 mai vao avy nanogahoga ny mpitondra fivavahana sady nilaza fa tokony ho tsaraina hono ireo lohandohany amin’ny FFKM, nefa vetivety eo dia mitarika mpiandry. Mpiandry avy amin’ny fiangonana inona izany ireo, ary mpiandry inona ?
Raha tena mpiandry mamaky tenin’Andriamanitra sy miaina amin’izany dia tsy hatao fitaovana hanohitra fanjakana satria misy tena izay mba tsaroako hoe, aleo ho an’’i kaisara izay an’i Kaisara.
Sa ve misy mpiandry professionnel ampiasaina amin’ny rotaka ?
Naninona kay no tsy nasiana mpiandry nialoha ireo fandorana ny TVM RNM, fanafihana ny MBS sy ny fandrobana marobe, ary ny teny Ambohitsorohitra ? amin’izay angamba tsy hipoaka ny basin’izay nitifitra rehefa nametrahan-tanana.
Mba valio ireo fanontaniako ireo ho an’izay mahafantatra ny marina.

novalian'i fijo ny 18/02/2009 20:41
2. rataxx
(
18/02/2009 12:04)
LOZA MIHINTSY ANGE RY NOFINOFY E!
TSY HAY INTSONY IZAY DEVOLY :evil: NA ILAY MANDROAKA NA ILAY ROAHINA
MAMPME MIHINTSY =)) =)) =)) =)) =))
TSY HAY INTSONY IZAY DEVOLY :evil: NA ILAY MANDROAKA NA ILAY ROAHINA
MAMPME MIHINTSY =)) =)) =)) =)) =))
3. Mirananirina
(
18/02/2009 12:04)
Ny asany mpiandry dia any ampiangonana mivavaka ho an'ity Nosy malalantsika ity.Na eny andalambe no mitoriteny tsy maninona; fa raha hitarika rotaka sy grevy izany tsy mamely.
4. Noue
(
18/02/2009 12:08)
mahonena oa eee ! zany ve no atao oe mpiandry ??? tssss !!! dia manaiky atao sorona koa ve ee ??? mahonena !!!
6. Mirananirina
(
18/02/2009 13:18)
izao ange ry andry tsy mety tezitra e.sady tsy be hambo po.izany no tena fiainana, raha tsy izay tapaka lalandra eo.
8. Mirananirina
(
18/02/2009 13:25)
eny ary e,aoka izay.......,fa ny fifamaliana mbola mitohy fa ny fanaratsiana no aoka izay sa ahoana;marina fa rehefa tsy mitovy ny hevitra samy tezitra dia mamoaka ny .........
9. bozimanga
(
18/02/2009 14:25)
fa refa mpitarika fivavahana eny MAHAMASINA de tsy hitanareo tenenina fa rehefa mandroaka devoly miaraka @ TGV de we ....
mba aza lomorina wa!!!
mba aza lomorina wa!!!
10. Andribe
(
18/02/2009 14:33)
miady ranga nareo fa izahay mpitazana aa ze maharesy mahazo 50.000 euros vola baorita :-D :-D :-D :-D :-D
11. Mirananirina
(
18/02/2009 15:45)
miady ranga nareo fa izahay mpitazana aa ze maharesy mahazo 50.000 euros vola baorita
ariary kosa omena fa de vola baoritra ve
12. nofinofy
(
18/02/2009 16:10)
bozimanga:
fa refa mpitarika fivavahana eny MAHAMASINA de tsy hitanareo tenenina fa rehefa mandroaka devoly miaraka @ TGV de we ....
mba aza lomorina wa!!!
Ka ny teny Mahamasina anie tsy nisy nanao hoe: andao handoro trano na handroba mpivarotra, na hamono tena, na hibird ministera e! sady ry zareo teny efa nanambara hatramin'izay fa hiara hiasa amin'ny mpitondra fivavahana, ka inona no mampitovy izany? teny aza nisy olona nibebaka hoe: mifona lairetsy a!
manoratra tantara aho ato hoe : ILAY DJ MPANDROAKA DEVOLY, dia tsy hohadinoiko ny mandefa exemplaire 1 any aminao.
13. Noue
(
18/02/2009 17:03)
zay indrindra manko leisy aaa ! nahoana no tsy nisy an'zany tany mahamasina nefa dia nilay be iny aaaa !!