Tsy fantatra aloha, fa miandry daol...
1. Fanhaiky
(
18/02/2009 08:55)
GAZETIKO ANIO
vaovao misongadina 18-02-09
Raha tsy hisy vahaolana pôlitika
Hiditra an-tsehatra ny Foloalindahy
Taorian’ny antson’ny manamboninahitra lefitra sy ny fanambarana nataon’ny manamboninahitra zandrin’izy ireo ny tokony handraisan’ny zokin’izy ireo andraikitra, narahin’ny fihaonan’ireo jeneraly ambony grady indrindra tamin’ny Filoham-pirenena teny Iavoloha tamin’ny alatsinainy lasa teo, dia nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety teny Ampahibe izy enina mirahalahy. Iretsy farany izay nahitana ny jeneraly isany Rakotovao Fred, Ramananarivo Claude, Rabarisoa Ranto, Razafindralambo Rivo, Raharijaona Lucien ary ny Vice Amiral Ramaroson Hyppolite.
Ankoatra ny filazana fa tsy handrombaka fahefana ny Foloalindahy dia hentitra ireo milanja kintana ireo raha nilaza fa vonona hiditra an-tsehatra, raha tsy mahavaha olana ny mpanao pôlitika. Toy ny sokajin’olona samihafa dia mitaky famahana olana haingana izy ireo ary hiditra an-tsehatra raha tsy mahomby izany, satria iray tsimivaky ny foloalindahy ka tsipahin’izy ireo marindrano ny eritreritra rehetra hampisaraham-bazana azy. Tsy miova ny tarigetra iombonana ijoroan’ny Foloalindahy, hoy izy ireo, dia ny “ho an’ny Tanindrazana”.
Na dia tsy mivantana aza ny fanambaran’ireo manamboninahitra ireo dia heverina fa mety hizotra mankany amin’ny fitondrana miaramila raha tsy misy ny vahaolana pôlitika. Hahatsara zavatra ve izay, anjaran’ny tsirairay no mamaly?
Zay anie no efa nandrasana koa mahandrasa fa rehefa ts his ve ny vahaolana tsy hiroso @ zay ihany fa raha mis fifidianana aloha de sad ts TIM aho no tsy TGV eh aleoko FORCE2 :-D :-D :-D :-D

répondu par ryhe le 18/02/2009 12:11
2. ryhe
(
18/02/2009 12:11)
Raha fantatrareo moa hoe:NYTAFIKA TSY MANAO POLITIKA tsy izany intsony no zavatra misy ao @ tafika satry ny seza toy ny mpanao politika rehetra sisa no mahamaika azy ireo.Manahirana ihany nefa ilay izy satry ,ny tafika tsy manana ny libértény,fa raha vao tsy mifanaraka @ lehiben'ny tafika ny eritreritrao sy ny fihetsikao(ny président zany no lehibe e!),dia efa miala @ toeranao ianao? na alefa misotro ronono avy hatrany.NY TAFIKA NATAO HIARO NY TANINDRAZANA SY NY VAHOKA FA TSY NATAO HIARO NY MPANAO POLITIKA AKORY?Ka rariny ireo manamboninahitra lefitra ireo raha nanao fangatahana mba handraisan'ny tafika andraikitra.Tsy ny tombo-tsoa an'olombitsy akory no harovana fa ny tombo-tsoan'ny malagasy manontolo;Niteny aho tery aloha tery hoe tsy mananana ny libertény ny tafika ,marina fa misy lalana ao mifehy azy @ maha tafika azy,nefa kosa @ maha olom-pirenena anao tokony hiseho sy hjijoro @ hevitrao sy ny fomba fahitanao ny zava-misy ianao.Ary raha mbola manao politika ohatran'izao ihany ny lehiben'ny tafika ,dia minoa sika fa tsy hisy zavatra hanjary mihintsy eto satry izy ireo natao hiaro ny vahoka indray no tsy maintsy hanamafy ny mpanao politika satry mamay ny te- ahazo seza