Rehefa hita fa tsy lasa intsony d mba aoka izay ! Hoy Ghaby

21. xxx ( 18/02/2009 05:23)
Raha nahita an’ireny olona nentin’I Andry ireny zah, de tsapako fa ny ankamaroany de olona sahirana sy fadiranovana daholo, zany hoe olona latsaka lalina @ fahantrana, de tsy mampaninona azy na ho faty @ tolona aza izy satria efa sahirana ihany izy sao ho matin’ny hanoanana sy ny fitadiavana eny, rah mi-reussir moa ny tolona de mba manantena ny anjara-masoandrony izy (rah tsy matin'ny tolona).
Hitako koa ireny olona teny Mahamasina de ny ankamaroany olona manankatao daholo, olona metimety @ fiainana.
De mandinika ny olona eto @ forum de tsapa fa olona tsaratsara antom-pivelomana daholo ny eto satria manana internet any an-tranony, rah any @ toeram-piasana de olona tsaratsara place ianao matoa mahazo connexion izany,
O rey olona e, aza faly manome tsiny ny olona mitolona (aleo atao hoe olona mba tsy hilazako hoe VAHOAKA fa mampiakatra ny sasany io teny io), sahirana izy ireny, hitantsika mihintsy izao fa ry zareo mintsy no mangetaheta ny handeha ho eny @ ministera reefa nihemotra ry Monja R sy ny tariny.
:wink:
22. tsinjo ( 18/02/2009 06:00)
fa aminy xxx ary ve ra haka ny ministera ireo mahantra izay lazainao de manakatao avieo ra toa ka i TGV no mitondra eo ? tadidio anefa fa ny gasy tsy hanana izany ra miantehatra aminy mpitondra fa ny tenanao ihany no ampanana anao araka ny voalazany ratsiraka io ,ka izay no iandrasana ilay fifidianana afaka3 taona satria zao latsaka ankaterana indray ny firanena ,tsarovy anefa fa izy ireo ihany no voa mafy amizao fa tsy ireo izay manakatao araka ny voalazanao ,ka aleo misaina ry gasy e
23. ARINOFY ( 18/02/2009 06:06)
za manokana alo ry xxx de tsy manome tsiny reo vahoaka voatarika itolona satria araky ny teninao de olona sahirana no ankamaroany.Fa ireo mpitarika azy alo no tena olona mpamahan-dalitra.Ny fitadiavana seza ny azy no zava-dehibe de tarihiny hanaonao foana ireo olona ireo.Inona no mba programme n'asany mba hamahany ny olan'ireo olona tarihiny ireo?Raha ny fahitako mantsy ry xxx de vao mainka mampitombo ny fahasahiranany ny fankanesany mankeny @ 13 mai satria fotoana tokony itadiavany sakafo no laniny mitanin'andro mihaino fampanantenana poak'aty eo fotsiny.Ary ny tena comble de itombo isa ny olona sahirana raha mitohy izao fanakorotanana ataon'ireo "mpitady seza" ireo.
Raha fanaovana ampamoaka teo @ kianjan'ny demokrasia no natao de mety satria mba ho fiarovana @ izay filoha mitondra eo mba tsy hanampatra fahefana.Fa lay izy kay zavatra hafa mihitsy satria asabotsy iray fotsiny izy no teo @ kianjan'ny demokrasia fa teo @ 13 mai no tanjona de ny hanongam-panjakana.Ary ny tena pire,de kay ireo mpanao politika efa maimbo no ao ambadika.Ka hoy aho oe tsy omena tsiny ny mpanaraka azy noho ny tsy fahalalana fa io Andry tgv io mihitsy no tokony hosamborina de milamina ny tanàna.
24. xxx ( 18/02/2009 06:26)
tsinjo:
aminy xxx ary ve ra haka ny ministera ireo mahantra izay lazainao de manakatao avieo ra toa ka i TGV no mitondra eo ?

Non, tsy niteny an'zany zah, fa manantena ho'ah izy, izy anie izao mahantra e, hitany hoe tsy hiova ny fiainanay, de mba manantena izy hoe rah mba olon-kafa no ho eo de hanao ahoana izy. Fanantenana no betsaka any aminy.
sady ny mpanongam-panjakana hatram'zay anie ka ny mahantra ihany no tena manipuleny e, maha-be fanantenana ny mahantra. Le gasy anie tia andrakandrana e, hoe aleo handramana ndray rah ity, nefa tsy fantany fa ny fiainany sy ny fiainam-pireneny no ho potika @ tsy fahaizany mifidy.
1- Mifidy olona iray = manantena zavatra be,
2- Aveo diso fanantenana = de manonga-panjakana
3- De mametraka olona iray = manantena fiovana
4 - Diso fanantenanana = manongampanjakana
De izany foana Ra-Malagasy.
Eny ho ah Ra-Malagasy,
Malagasy tsy mivoatra.
:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1529