FANAGANANA RAFITRA VAOVAO

1. kabota ( 17/02/2009 09:04)
Atsangano ry Andry miaraka amin'ny FFKM ny rafitra itondrana ny tetezamita fa tsy mijanona amin'ny gouvernemanata fotsiny
- Assemblée consultatif izay manao lalana sy mijery ny préparation 4é republique
- Conseil supérieur de l'Institution hitsara izany solon'ny HCC
- Ny gouvernementa izay mitantanana sy mandamina ny raharaha.
Atsaharo ny fandrangitana fa tsaraina izay tsy mety rehetra
- vola 1200 milliard
- fividianana avion
sns
Mba tia tanindrazana ve ianareo mpitarika
Tadiavo ny marimaritra iraisana fa rehefa avy eo dia tsaraina izay tsy mety.
Tony tsara no mamaly ity fa tsy mila olona tsy misaina mamaly resaka sérieux aho an!
répondu par nyavo2000 le 17/02/2009 11:12
2. miarina ( 17/02/2009 09:26)
Tsy hitako aloha izay antony hanovana foana ny constitution ... isaky ny misy filohampirenena vaovao izany dia hiova République foana dia hiova constitution foana ... izay eo ovaina sya anaovana amendement raha misy tiana ovana.
Izay hanova anio ka itady izay ahitany tombotsoa ho azy foana.
Ka raha ho tsaraina daholy ve izany hisy olona hitondra intsony ... tsy misy na iray aza eo manana ny rariny sy tonga lafatra (nanao hadisoana daholo ireo mpanao politika ireo). Politicien moa izany no anarany fa na iray aza tsisy politicien ireo ... tsy adala akory ny any France raha toa ka nianatra tao @ INA daholo ny mpanao politika.
3. xxx ( 17/02/2009 10:23)
VAVAK PREZIDA

"Marina daholo zany ramalagasy !... tsy mendrika hitsimpona izay sombitsombiny latsaka avy @ latabatro akory ianao...nefa raha hanao TIM ianao tsy mba holaviko mihitsy!!!"

"Izaho no lalana sy la farine ary menaka,tsy mahazo mikaly raha tsy amin'ny alalako irery ihany" (Marka 7,77)

"Tiava ny namanao ary gadrao zay manenjika anao" (1Tim 7,77)

"araraoty ny andro azo hanangonam-bola fa miharatsy zao fiainanaizao" (2Tim 1,77)

Ahoana no tsy hinoanao fa mivavaka aho ? misaotra an'Andriamanitra mandrakariva aho fa nomeny vahoaka bado sy dondrona ary koa fiangonana mora vidy izay maharo ahy mihoatra noho ny foloalindahy sy ny miaramilako.

Ny miaramila miaro ahy raha misy mitady hitifitra na
hamono ahy,ny fiangonana kosa mampianatra ny olona tsy hamono ahy fa hivavaka hoahy sy hankatoa ny fahefako lehibe.

Ho ahy irery ihany anie ny voninahitra sy ny fanjakana
ary fiadanana hoan'ny olona ankasitrahako!

de nandray ny dibera tiko izy de hoy izy:hano, ity ny dibera vitan'ny omby vavy be ronono nafarana avy any afrika atsimo zao no ataovy ho fahatsiarovana ahy raha mahavidy ianareo,,de toy izany koa ny ronono:raiso, ka sotroy, ity ny màna milk,zao no ataovy ho fahatsiarovana ahy refa lasa adala any @hopitaly ianareo ......

Raha misy olona roa na telo mivory tsy amin'ny anarako dia sambory izy!

---------***************---------------------
"Ny fanananao dia vokatry ny vintana fotsiny ihany, fa tsy nohon'ny fahaizanao akory"
4. rataxx ( 17/02/2009 11:02)
Fanjakan'i baroa izany resahinao izany fa tsy hevitry ny olona demokraty akory.
miandrasa r'ise Fifidianana, fa tsy izay rehtra manam-bola akory, na hoe mahazo olona maro noho ny fitsikerana zavatra tsy mety dia afaka ny hitondra firenena daholo.
izay no mbola mahavoa antsika malagasy hatramin'izay.
Ny tantaran'i Madagasikara hatramin'ny faha mpajaka anie itodiho e!
tsy mbola nisy mihintsy famindram-pahefana na in-dray mandeha aza, fa fandrombaham-pahefana foana no nitranga.
Andrianampoinimerina sy Radama I no mba nisy famindram-pahefana.
Conlusion: toetran-tsika gasy io mati-kambo kely io, na iza na iza miakatra eo, dia ny hameno ny " paosiny"sy ny "tombotsoany " aloha no ataony.
investissement ange izao ataon'i andry izao e, ka firy taona io vola laniny eo @ 13 mai io vao ho tafaverina ary aiza no hamerenany azy?
"NY HETRAN'ISE"
5. nyavo2000 ( 17/02/2009 11:12)

reidredy daholo izany e! mbola mihevitra ny eny @ 13mai fa mbola manana chance be dia be @'izao ataony izao....TSAROVY F'EFA SOKINA NANANI-BATO LISANY ZAO...ny opinion rehetra d'efa manameloka an'ilisany...ny daty fisamborana sisa andrasana...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.075