13H45 : Andry Rajoelina s'en remet a Dieu "

1. Noue ( 16/02/2009 11:07)
13H45 : Andry Rajoelina s'en remet a Dieu " "Ankinina @Andriamanitra ny dihantsika"

dia ahoana io eee ??? dia avy eo hanao ny hadalany indray io tgvendrana io dia Andriamanitra no omena tsiny avieo ?????
novalian'i xxx ny 17/02/2009 10:52
2. xxx ( 16/02/2009 11:09)
io sisa no mba diernier espoirna e,noue noue ny ahy raha lasa eo io tgv io
3. xxx ( 16/02/2009 11:14)
Ny sasany ndray avy namono olona de mody mivavaka de aveo manao fety be,
tsy hay intsony e.
4. xxx ( 16/02/2009 11:21)
hitako t@ afp fa 10.000 hono manif androany ary ny mpiandry no tete de liste
5. Noue ( 16/02/2009 11:32)
14H23 : Les mpiandry ( religieux ) sont en tête de cortège devant le RM1 izay ilay tsy mety eee ! nahoana no ireny MPIANDRY ireny indray no manao an'zao eeee ??? tsssss
6. Noue ( 16/02/2009 11:35)
14:25 - Les religieux sont utilisés comme boucliers face au barrage militaire au niveau du camp RM1 Analakely

14:00 - Andry Rajoelina fait une prière et marche vers les ministères : les ministres “TGV” devant, la foule derrière
7. yuka ( 16/02/2009 11:36)
piandry fosika reo ee!
raha olon'Andriamanitra marina tsy hanongapanjakana zany.
8. marozevo ( 16/02/2009 11:39)
Raha ho afaka hiaro ny vahoaka amin'ny basy sy ny hanoanana tokoa ve ireo mpiandry ireo ka nahoana moa... ny vahoaka no maha mpiandry ny mpiandry fa tsy hanompo olon-tokana na tombon-tsoan'olon-tokana, na antokon'olom-bitsy.
9. Noue ( 16/02/2009 11:43)
mampalahelo raha ny olona lazaina fa mpiandry mpivavaka zany no atao boucliers eee !!! ary tena marina mahintsiny io nolazainao io ry marozevo sy yuka
10. rangorivao69 ( 16/02/2009 13:40)
MANDROVITSIHY ,EFA AKAIKY NY FARANY,EO MODY ANDRIAMANITRA :evil: :evil: :evil: :evil:
11. news2dago ( 16/02/2009 14:36)
yuka:

piandry fosika reo ee!
raha olon'Andriamanitra marina tsy hanongapanjakana zany.


Miaramila ny devoly retsy ireo a! mahereza mivavaka fa kely sisa e
12. soanja ( 16/02/2009 15:46)
Afaka mifandray tsara ny fitiavan-tanindrazana, ny fitiavana ny planetantsika, ny ady atao hialana amin'ny fangejan'ny hafa momba ny resaka fianarana/fanabeazana, moraly sns... Mitory hoe ny fitiavana ny hafa avokoa izany. Ny ho avin'ny firenena dia isan'ny zavadehibe amin'ny asa Kristianina.

Betsaka ny relijiozy sy ny maro hafa izay mahatsapa fa ilaina ny fandraisana an-tanana ny fiainam-bahoaka rehefa hita fa miha mivari-lavo ny fomba fanabeazana ny fiainan'ireto olona ahina amin'ny resaka ara-tsaina sy ny ara-batana. mifandraika foana ireo telo ireo rehefa hanabe: ny vatana, saina ary fanahy. Ka ny fakana adidy hanampy ny firenena, hanavotana ny olona ao anatiny ianjadian'ny fitsy hazolena sy ny fanambakana ary ny fanimbana isan-karazany dia adidin'olon'Andriamanitra-tia ny hafa- ny manolo-tena manao ny ainy tsy ho zavatra hanorina zavatra azo antenaina sy mahasoa ho an'ny rehetra.

Tsy midika anefa izany hoe misy idiran'i Resaka Andry Rajoelina sy ny Mpiandry manaraka azy ny tiako resahina. Ary tsy manohana io antokon'olona mpanimba tanindrazana io aho. Fa kosa milaza hoe ny Krsitianina dia tsy vitan'ny resaka ambony latabatra na any anaty fiangonana sy ny an-kalamanjana mitata fa tena ilaina fampisehoana ny fitiavanao ny hafa. Miady mafy ary tsy manaiky ny lembenan'ireo mpanosihosy ny mahaolombelona.

Koa amintsika tsiraidray ny fandavan-tena hoe tiako Jesoa, izy nilaza fa tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Aiza no tokony hisy ahy manoloana ny olana isan-karazany mianjady amin'ny fireneko satria mampalahelo ahy ny mahita ny mpiray tanindrazana amiko mijaly noho ny fanimbana isan-karazany. Miatrika asa ve aho sa ho variana hijery fotsiny sa haninona???

Izany anefa dia tsy natao velively miaraka amin'ny herisetra sy ny vonoolona fa tokony lalan-dava ampitoniana sy ampiresahana ary ampifandraisana mendrika.
13. Noue ( 16/02/2009 17:56)
personnellement kosa aloha aaa ! dia tsy dakoro @ fampirisihina zany mpiandry zany @ fanonganam-panjakana aho eee ! misy ny hevitra tokony atao, ohatra mifampiresaka sns fa aiza ve dia efa fantatra zao hoe fanonganam-pirenena dia vitan'zareo ny miditra an-tsehatra eee ???
14. xxx ( 17/02/2009 10:52)
"Marina daholo zany ramalagasy !... tsy mendrika hitsimpona izay sombitsombiny latsaka avy @ latabatro akory ianao...nefa raha hanao TIM ianao tsy mba holaviko mihitsy!!!"

"Izaho no lalana sy la farine ary menaka,tsy mahazo mikaly raha tsy amin'ny alalako irery ihany" (Marka 7,77)

"Tiava ny namanao ary gadrao zay manenjika anao" (1Tim 7,77)

"araraoty ny andro azo hanangonam-bola fa miharatsy zao fiainanaizao" (2Tim 1,77)

Ahoana no tsy hinoanao fa mivavaka aho ? misaotra an'Andriamanitra mandrakariva aho fa nomeny vahoaka bado sy dondrona ary koa fiangonana mora vidy izay maharo ahy mihoatra noho ny foloalindahy sy ny miaramilako.

Ny miaramila miaro ahy raha misy mitady hitifitra na
hamono ahy,ny fiangonana kosa mampianatra ny olona tsy hamono ahy fa hivavaka hoahy sy hankatoa ny fahefako lehibe.

Ho ahy irery ihany anie ny voninahitra sy ny fanjakana
ary fiadanana hoan'ny olona ankasitrahako!

de nandray ny dibera tiko izy de hoy izy:hano, ity ny dibera vitan'ny omby vavy be ronono nafarana avy any afrika atsimo zao no ataovy ho fahatsiarovana ahy raha mahavidy ianareo,,de toy izany koa ny ronono:raiso, ka sotroy, ity ny màna milk,zao no ataovy ho fahatsiarovana ahy refa lasa adala any @hopitaly ianareo ......

Raha misy olona roa na telo mivory tsy amin'ny anarako dia sambory izy!

---------***************---------------------
"Ny fanananao dia vokatry ny vintana fotsiny ihany, fa tsy nohon'ny fahaizanao akory"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0458