Nankaiza ny SEFAFI???

1. bozyboleta ( 16/02/2009 07:30)
Raha vao misy hevitra tian’ireo mpikambana ao aminy voizina dia mahavidy pejy 1 manontolo, na 2 mihitsy aza amin’ny gazety mpiseho isanandro ny SEFAFI na SEhatra FAnaraha-maso ny FIainam-bahoaka.
Na dia Malagasy aza ny mpikambana maro ary na dia ny anaran’ny fikambanana aza dia Malagasy, dia indrisy fa teny frantsay hatrany no anaovana ny hevitra. Satria ireo vahoaka lazainy fa arahiny maso ny fiainany dia ireo vitsy an’isa mpiray petsapetsa @ mpikambana fa tsy ireo valalabemandry izay tsy mahay n’inon n’inona @ teny frantsay-ny any. Ary fanahy iniana atao @ teny frantsay ny hevitra RATSY voizina mba ho voavakin’ireo vazaha mpiray petsapetsa aminy ireo...
Anisan’ny nahagaga ahy, nefa koa tsy tokony hahagaga ahy ihany, ny tsy fisian’ny hevitra na fanambarana avy t@ SEFAFI eo anoloan’izao raharaha misy eo @ firenena izao.
Talohan’ny niantombohan’ny tolon’ny tgv anefa dia niraradraraka ny fanambarana isan-karazany indrindra t@ nanakatonana ny viva, ny fitokanana ny kianjan’ny demokrasia sns... Ireo mpikambana toa an-drtoa ramaholimihaso madeleine moa anisan’ny nanao ilay valandresaka niaraka t@ tgv tao @ la rotonde (ao antranony rahateo moa no foiben-toeran'ny SEFAFI); ry rakotoarisoa jean eric koa nandany rora t@ famelabelarana ny @ lalampanorenana tany @ onjam-peo sy fahitalavitra samihafa.
Fa taorian’ny fandrobana sy fitifirana teny ambohitsorohatra io dia moana daholo ry zareo reo.
novalian'i xxx ny 16/02/2009 08:42
2. xxx ( 16/02/2009 07:45)
inona ilay "sefafi" mba azavao kely ny tena ataony fa tsy mbola henoko
3. bozyboleta ( 16/02/2009 08:09)
ny SEFAFI dia SEhatra FAnaraha-maso ny FIainam-bahoaka.
Fikambanana misy ireo manao azy ho avara-pianarana (intellectuels). Mpivorivory anaty trano ary mpitsikera ny tsy mety ataon'ny mpitondra. Mpitondra vahaolana avo lenta an-taratasy (théorique) ny @ tokony ataon'ny mpitondra izay avoaka an-gazety andoavambola araka ireo efa voalazako ireo. Fa tsy mbola nahita mihitsy aho aloha vahaolana tokony ataon'ny vahoaka na dia hoe fanentanana ny olona hiasa fotsiny aza.

Anisan'ny mpikambana tao i mompera sylvain urfer iny izy voaroaka niala teto iny. Tsisy eo @ fitondrana moa reo mpikambana sasany reo fa tompona orinasa sy mitana toerana ambony any @ misy azy tsirairay any daholo.
4. xxx ( 16/02/2009 08:42)
ok! mazava
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0357