Vahaolana ho an'i TGV

1. tarzand ( 16/02/2009 06:29)
Tsara ny fiatombohan'ny tolona nataony teo kianja Ambohijatovo; maro ireo olona natsiaro fanangejana nanaraka azy; saingy nivoana tanteraka ilay fangatahana taty aoriana. Amiko tsy tokony nieritreritra ny hanongana fanjakana izany izy; indrindra moa fa zava-dehibe ho an'ny firenena no atrehana @ ity taona ity (union Africain....). Ny fakana fitondrana eny an-dalam-be de tsy ekena; indrindra moa fa ny fanitsahana ny lalam-panorenana nofidian'ny vahoaka.
Vahaolana:
- Mifampidinika @ fitondrana mba hamolavola ny lalam-panorenana vaovao hampiarina @ fifidianana manaraka.
- Mangataka @ fitondrana mba hamela azy malalaka @ fitantanana ny CUA tsisy sakatsakana.
- Miomana @ fifidianana manaraka raha mety ny lalam-panorenana.
- Miangavy ny vahoaka mba hilamina sy ho tony eo ampendrasana izany
- Tsy mieritreritra ny hanongana ny fitondrana ankehitriny.
- Farany: MIANATRA.
novalian'i Andribe ny 16/02/2009 09:15
2. ARINOFY ( 16/02/2009 07:09)
OK ra Tarzand a.Tena vahaolana tsara mihitsy io anao io.Ny fitakiana ny fahalalahana,na fitsikerana ny tsy mety no tokony natao teo @ lapan'ny demokrasia fa tsy fanonganam-mpanjakana.Sure aho fa raha tsy nivaona ny fitakiana nataony tany am-boalohany de maro ny mpanaraka azy ary mitondra lesona sy fanarenana ho an'ny mpitondra izany fa zao mivadika ny vahoaka satria toy ny vahoaka indray no nitombo fahasahiranana.Na ireo mpivarotra amoron-dalana aza ane zao ka mahazo aina mihitsy satria ny commune mpanenjika azy ireo ity toa variana @ adilahy politika.
3. molota ( 16/02/2009 07:18)
Fa ny zavatra tena ilainy Malagasy rehetra @izao fotoana dia ny Fianarana, Fifanajana ary ny Fahadiovana. :wink:
4. tarzand ( 16/02/2009 07:43)
Ilaina mihitsy le hoe MIANATRA e. Mba hialana an'ilay hoe DJ, Mpitondra ronono....Ny trahikefa @ maha filoham-pirenena indray dia tsy misy sekoly mampianatra azy manokana eto amintsika. Ny vahoaka koa tokony mba handalina tsara mba tsy ho mora rebirebena. Ilaina ny famerenana ny fianarana instruction civique any ampianarana.
Raha anotaniana zao i Andry TGV hoe inn no atao hoe taux ce croissance? taux d'inflation? inn no fiantraikan'izany @ vahoaka? ahoana no fomba hanatsrana izany? dia za sûr fa tsy manana havaly izany izy.
5. nirasia ( 16/02/2009 07:50)
Marina daholo izany ry zareo a, zany no alehany rehefa tsy ampy saina fa ampivovozin'ny dinosaure fotsiny, mba manandrama ange nareo miantso ao @ radio viva rehefa misy ireny fanehoan-kevitra ireny ka mba mitsikera ny ataon'ny tgv fa tonga dia tapahina ny antsonao e, nefa ary @ mada enao mi-critique tsy tapaka mihitsy, izany no atao we fahafahana maneho hevitra araky ny hevitry tgv, mazotoa dia mivavaha tsara daholo fa Andriamanitra irery ihany no mahavaha izao fa tsy isika akory.
6. xxx ( 16/02/2009 07:56)
Tena mitombina daholo ireo fanamarihina nataon`i Tarzand ireo ka isaorana azy . Ny lesona azo tsoahina eto amin`ny Firenena koa izany an , ny ankabeazan`ny vahoaka amin`izao fotoana izao dia efa misaina vao manao zavatra fa tsy manaraka fahatany izay hitondràna azy intsony . Mitombina io na ny ho an`ny eo amin`ny Fitondràna na ny TGV . Tsy misy cheque en blanc na fanarahana anjambany intsony izao omen`ny vahoaka mpitondra na mpitari-tolona iray fa rehefa misy zavatra tsy mety dia hita miseho avy hatrany izany . Ohatra amin`izany , i Andry Rajoelina raha lany ho Maire an`Antananarivo dia karazana \" Avertissement \" nataon`ny vahoakan`Antananarivo ho an`ny Fitondràna Ravalomanana satria toa tsikaritra fa nisy somary valy boraingina raha vao misy fanontaniana nilan`ny vahoaka fanazavana amin`ny ankapobeny , tsy ampy ny fanazavana omen`ny Fanjakana eo amin`ireo tetikasa atao izay mampiahiahy ny olona sns .. sns . Ho an`ny Fanjakana izany dia lesona tokony ho raisina ny tsy tokony hanaovana valy boraingina , mila mangarahara ny Vahoaka amin`izay atao rehetra eto , mila mihaino ny vahoaka ny Fitondrana ary ao anatin`izany ny Mpanohitra satria tokony ho tsapa fa ny Mpitondra lany amin`ny Fifidianana dia an`ny Malagasy rehetra . Raha mahay ny Fitondrana , dia ireo zavatra nazahoana tsikera ireo no vahana haingana dia haingana araka izay azo hatao mba hiverenan`ny fahatokisan`ny olona aminy . Etsy andaniny indray , ny TGV raha tsara fiantombohana satria nisy foto-kevitra tsara ny mikasika ny Demokrasia , dia nanomboka nialan`ny olona satria tsy ilay fitakiana demokrasia intsony no mibahan-toerana fa tena fanonganam-panjakàna , fitadiavana seza , fanakorontanana , fandrobàna , fitondràna ny olona amin`ny zavatra hahafaty azy , fandaingana ny amin`ny fanaovana olona iray ho Maritiora kanefa hita mihitsy fa hoe \"tohatra\" fiakarana. Ireo antony \"negatif\" maro be ireo dia antony tsy mahamatotra ny Tolona ataon`ny TGV miaraka amin`ireo antoko Mpanohitra samihafa ka mahatonga ny olona tsy hanohana ny zavatra ataony intsony ary mety hanimba ny ho avy ara-politikany izany raha mieritreritra ny hilatsaka ho Filoha izy any aoriana . Tokony tsy ho hadinoin`ny TGV , fa tsy izay sary \"Manongam-panjakana izay no tadiavin`ny vahoaka malagasy maro an`isa , fa ny karavasy ho an`ny Mpitondra mba tsy hanaovany kitoatoa fotsiny ihany amin`ny manaraka , izany hoe , dernier \"Avertissement \" . Fa ny hitondra ny firenena atsy ho atsy dia izay mbola lany amin`ny Fifidianana ihany ka tokony hahandry tantana fifidianana ny Mpanohitra . Jereo tsara , fa na ny Fikambanana iraisam-pirenena rehetrea ( COI , ONU , UA..sns) dia samy tsy misy mankatoa ny fanon-ganam-panjakana mihitsy fa mety hahatapaka ny fanampiana ara-bolantsika ny fanaovana an`izany , izany hoe fihetsika anti-ekonomika , ( ary azo adika koa fa tsy fitiavan-tanidrazana velively) dia mbola hikiry biby ihany ve ny TGV amin`izany hevi-draviny izany ? Sa tiana ho simbaina mihitsy ny ho avin`i Madagasikara , izany hoe ny ho avin`ny zanatsika ? Satria vao maika hihasarotra ny fiainana , aoka tsy handaingana ny vahoaka , fa tsy hisy ho avy mamirapiratra na mana avy any an-danitra izany eo fa tsy maintsy miasa mafy ny tsirairay raha tiana ny ho tafita fa tsy hoe handroba akory . Tiako , koa ny manaitra ny sain`ny olona fa ireo mpanao politika mitady toerana ireo dia tsy menatra ny hampiady sy hampizarazara ny malagasy ( fikan`ny Mpanjanantany taloha )malagasy , fampiadiana amin`ny fomba maro ( ara-pirazanana , ara-piaviana , ara-pivavahana ...) fa mino aho fa tsy hahomby ry zareo satria efa hitako fa tena vahoaka mihahendry ilay Malagasy amin`ny ankapobeny !
7. tarzand ( 16/02/2009 09:00)
Mafinaritra ny ady hevitra! Marina ireo voalzan'i xxx ireo. Fomba fijery otran'izany no tokony hojeren'ny TGV raha hanao ny tolona izy. Tokony mijery lavitra fa tsy ho entin'ny loha sy ny fo fotsiny. Tsy ilaina akory ny mifanaratsy na mifanambany. Ny olana eto amintsika dia tsy mety mandray lesona mihitsy ny malagasy. Efa misy ihany ireo tonga saina ary mandinika ny raharaham-pirenena saingy mbola miandry ny fotoana hitenenany izy ireny. Ilaina ny manam-pahaizana mba hamaha ny olana misy eto Madagasikara ka tokony hivondrona izy ireo amin'izany. Raha tena fitiavan-tanindrazana tokoa: tokony hijery lavitra, mora ny mandrava fa ny manarina no sarotra.
8. Andribe ( 16/02/2009 09:15)
tokony hovonoina iazay manao politika satria mandainga daholo (afatsy izaho irery :^) no tsy mandainga) ze tsy manaraka ny dia gadraina fa aleo aloha ny vahoaka apriatina kely vao omena vary sy ronono kely. Tsara ho an ny malagasy ny didijadona
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0443