Saika raikitra indray hono ny fifandonana TIM-TGV

1. zandikely ( 16/02/2009 02:17)
hOY NY GAZETIKO:
Saika raikitra ny rombo tao anatin’ny fifampihantsian’ny mpomba ny roa tonta avy nanao hetsika. Soa ihany fa tonga ny mpitandro ny filaminana nanelanelana sy nanapitaka.
Nanomboka tamin’ny roa ora ! Tapaka tanteraka ny fifamoivoizana tao Analakely raha toa ka hiditra na hivoaka hihazo ny Tunnel Ambohidahy. Nifampihantsy ny mpomba ny Filoha Ravalomanana sy ny mpomba an’i Andry TGV, taorian’ny hetsika famoriam-bahoaka nataon’ny andaniny sy ny ankilany, tetsy amin’ny Kianjan’ny 13 mey sy teny amin’ny Kianjaben’i Mahamasina tamin’ny asabotsy. Toy izao ny zava-nitranga. Nirava alohan’ny tetsy Mahamasina ny teny amin’ny 13 mey. Olona aman-jatony no niala teny amin’ny 13 mey nirodorodo saika hihazo an’i Mahasaina, tokony ho tamin’ny 1 ora 46 mn, saingy voasakan’ny mpitandro ny filaminana tetsy anoloan’ny Centre fiscal Amparibe ary dia niverina. Nisy tamin’io ny olona voadaroka sy voaroba toy ilay olona nitondra “eau vive”.
Nanomboka tamin’ny 2 ora sy fahatelony kosa, rehefa nirava ny hetsika, no nanomboka niakatra an’Ambohijatovo ireo avy any Mahamasina. Teo no nanomboka ny fifampihantsiana. Miaramila roa kamio no tonga nanao “renfort” ankoatra ireo izay efa tao amin’ny RM1. Efa tonga teo anoloan’ny BNI ny avy eny amin’ny 13 mey raha tery amin’ny Tsangambato 47 Ambohijatovo kosa ny ankilany. Soa fa nisy ny mpitandro ny filaminana nanelanelana azy ireo izay nijanona teo Andohan’Analakely sy teo am-bava Tunnel Ambohidahy. Nisy ihany koa ny mpitandro ny filaminana nanemitra akaiky ny andaniny sy ny ankilany ary nanaparitaka azy ireo. Tamin’ny 3 ora sy 2 mn no niparitaka ny avy any Mahamasina. Mbola notarihina hatrany amin’ny Tsangambato Ralaimongo kosa ny avy eny amin’ny 13 mey vao rava tanteraka. Nanomboka tamin’ny 3 ora sy 25 minitra vao niverina tamin’ny laoniny ny fifamoivoizana sy filaminana teny an-toerana.
Ny Tahiry R.


ZANY VE EFA TSY TAHAKIN'NY BIBY E. MIFANDRAMATRA LAVA IZAO ISAKIN'NY MIFANKAHITA
MISAINA RY MALAGASY FA AZA AMBANY FISAINANA TAHAKA IZANY LOATRA, TSY MENDRIKA ANAO INTSONY IZANY AMIN'IZAO ANDRONTSIKA IZAO.
répondu par ngoiha le 16/02/2009 09:49
2. bozyboleta ( 16/02/2009 04:08)
Efa nampoizina io. Ny maraina dia efa nobahanana vato iny lalana @ tunnel iny ary ny olona handeha ho eny Mahamasina dia voatery nihazo an'Antaninarenina. Nisy saika hanala fa avy dia notabain'ny besandry.
Ny hariva koa dia ny olona mihitsy no nosakanan'ny besandry teo @ faritany. Voatery nihodina taty Antaninarenina sy Amparibe koa ny lalana ary io no nahatonga ireo olona ireo ho betsaka teny Ambohijatovo satria tsy azo naleha ny teo @ tunnel.
Raha ny fitantaran'ny gazety dia ahitsiko ny filazany ho fifampihantsiana satria raha ny zava-niseho nanomboka ny maraina ireo voalazako ireo dia fihantsiana no izy.
3. nirasia ( 16/02/2009 08:00)
Za ry zareo teny Mahamasina de nahita tsara rehefa avy nivoaka tao groupe de 10 na 15 na 20 personnes avy any @ 13mai dia mila vaniny be te hi-combat be mihitsy mihantsy ireto an-daniny mizotra mora andeha hody, ny avy any Mahamasina sady falifaly sy miramirana dia miresaka tsara sy mifanaja, ny an-kilany mivatravatra sy mitratrevatreva be dia raha t@ ireny nge no misolifatra kely ilay maro an'isa teny Mahamasina @ fandrangitana dia mamaly dia inona no saika nitranga? Samihafa be mihitsy ny fitaizany ny olona any @ 13mai sy ny teny Mahamasina e!
4. xxx ( 16/02/2009 08:06)
ary maninona raha ampanaovina duel i ra8 sy tgv eh?
5. ngoiha ( 16/02/2009 09:49)
Ka io mitovy ny zanaka ao an-trano ihany.Rehefa ny ray ama-dreny no mahay mifehy ny zanany ,sy mahakolokolo azy dia tsara taiza ny ankizy,fa raha ohatra ka ny ray aman-dreny no mivaralila dia ireny ny vokany.Lasa RADOMELINA iray trano :-@ :-@ :-@ :-@ :-@ :-@ :-@ :-@ :-@ :-@ :-@
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0404