PARIS 14 février 2009, MALAGASY HENDRY TOKOA

1. NyMisaina ( 15/02/2009 15:55)
Arahabaina ny Malagasy Hendry!

Fizarana sy famborahan-kevitra maro dia no niseho te @ ireo Malagasy nanotrina ny fihaonana tao Paris omaly samedi 14 février. Nandray fitenenana sy nijoro vavolombelona avokoa na ny tanora na ireo zokiny. Tsy nisy ny fiandaniana na @ iza na @iza: Malagasy hendry tokoa, mendrika sy ho fitaratra.
Tonga tao ny avy an @ province, ny manodidina,ny avy lavitra toy ny Luxembourg, Espagne, Suède, Belgique sy ny hafa. Niafara t@ fifandraisn-tanan'ny rehetra ho mariky ny Fiadanana ny fotoana. Nahafinaritra. Mikanto nandravaka ny rassemblement ny fisidinan'ireo "Voromailala" sy ny lanitra mangamanga narain'ny masoandro na dia mbola eo aza ny tena hatsiaka mamanala.
(Ho avy sary hafa)
répondu par zandikely le 15/02/2009 16:14
2. zandikely ( 15/02/2009 16:14)
Mendripidera ny tahaka izany ka!
Izany tokoa no ilaina, fa tsy izao fihantsiana tsy ahitana vokany afa-tsy ny fifamonoan'ny samy malagasy izao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.216