Panda amin'ny tarehy

1. sitraka1 ( 15/02/2009 15:03)
Salut,
Fa inona aki no mahatonga ny panda ami'ny tarehy? De inona no tokony ho tandremana sy hanalana azy. Za tsy de tena mahatsikaritra an'ilay izy fa nisy olona 2 nilaza tamiko hoe misy panda za, ka tsy haiko na hoe vao manomboka na ahoana. Marihina fa be menaka ny tarehiko ka torohevitry ny dokotera hatry ny ela ny hoe manasa tarehy 2 fois/j ary tsy misy creme hosorako amin'ny tarehy mihitsy hatramin'izay. Misaotra e
2. sitlo ( 15/02/2009 16:39)
Afaka iantsoana tourista kosa izany koa. Nataoko fa any Chine ihany no misy panda. Sady izay be menaka
hmmmm
3. vale ( 15/02/2009 16:55)
:-D :-D
ny stress ihany koa mampisy panda! alamino ny saina de ho afaka io e! :wink:
4. soanja ( 15/02/2009 22:13)
Ny panada dia azo avy amin'ny sakafo tsy dia zaka loatra ary indrindra ny fahanterana mandroso.

Ireto avy ny ody gasy afahana manala panda.

- Ny Tambasaraha ka ny fakany na ny hodiny na ny tahony no asaina ary ny vovoka azo amin'izany no ahosotra amin'ilay faritra misy panda amin'ny tarehy. Mahatsara tarehy tokoa ny Tambasaraha na dia tsy misy panda aza ny tarehinao. Tandremo anefa fa poizina ny raviny ka aza avela holalaovin'ny zaza na hisy hihinana.

- Ny Masonjoany moa dia isan'ny mahazatra antsika. Vidiana eny an-tsena dia kikisana ambony vato marokoroko sady asiana rano kely. Osory amin'ny tarehy iray manontolo ny paste/voakiky. Ataovy isanandro io mandritra ny adiny iray. Mahalandilandina, miaro amin'ny herin'ny masoandro ary manala panda tokoa ity farany ity.
5. lionnelia ( 16/02/2009 14:26)
dia fadio ny alcool sy ny tabac fa mampirongatra azy vetivety, de tsy mihinana sakafo matavy be loatra satria io no mahatonga ny tarehy ho gras, ka ra vao gras ilay tarehy na mitera-menaka dia fadio koa ny mamafa azy ndrindra fa +tsemboka na mandeha @ tanin'andro fa aleo aza tonga dia sasana @ rano eau froide fotsiny na raha misy glaƧon de apetapetaka
dia ny adi-tsaina be loatra koa no tena mampamisy panda.
6. ni81 ( 16/02/2009 15:14)
Ny Tambasaraha ka ny fakany na ny hodiny na ny tahony no asaina ary ny vovoka azo amin'izany no ahosotra amin'ilay faritra misy panda amin'ny tarehy. Mahatsara tarehy tokoa ny Tambasaraha na dia tsy misy panda aza ny tarehinao. Tandremo anefa fa poizina ny raviny ka aza avela holalaovin'ny zaza na hisy hihinana.
inona izany tambasaraka ry soanja?
7. soanja ( 16/02/2009 16:09)
ni81:

Ny Tambasaraha ka ny fakany na ny hodiny na ny tahony no asaina ary ny vovoka azo amin'izany no ahosotra amin'ilay faritra misy panda amin'ny tarehy. Mahatsara tarehy tokoa ny Tambasaraha na dia tsy misy panda aza ny tarehinao. Tandremo anefa fa poizina ny raviny ka aza avela holalaovin'ny zaza na hisy hihinana.
inona izany tambasaraka ry soanja?



Karazan-javamaniry misy any amintsika ny Tambarasaha. Azafady fa diso ny nanoratako azy eo ambony. Ny anarany siantifika raha tsy diso aho dia Radamaea montana Bentham (Scrophulariacces). Tsy mifanalavitra izy sy ny masoanjoany.



8. sitraka1 ( 17/02/2009 15:17)
Izaho aloha dia tena zatra mamafa tarehy na amin'ny tanana na @ mouchoir satria hitako fa mitera-menaka ny tarehiko, dia tsy hatao intsony ny amin'izay. Mbola hanafatra masonjoany zany aloha dia hatao. Misaotra tamin'ny torohevitanareo rehetra.
9. ni81 ( 17/02/2009 15:22)
Karazan-javamaniry misy any amintsika ny Tambarasaha. Azafady fa diso ny nanoratako azy eo ambony. Ny anarany siantifika raha tsy diso aho dia Radamaea montana Bentham (Scrophulariacces). Tsy mifanalavitra izy sy ny masoanjoany.
misaotra fa tena tsy mbola henoko io anarana io raha tsy vao izao. Tsy misy anarana gasy hafa fiantsoana an'io ve? (azafady fa be kestiƓ) :)
10. fahamarinana ( 17/02/2009 15:33)
:arrow: kay moa misy an'izany koa , tena tsy haiko koa ry ni sy soanja an..mba omeo fanazavana plus moa soanja stp..merci :-* (l)
11. soanja ( 18/02/2009 07:33)
Ni81 sy Fahamarinana> Io ihany aloha no tena ahafantarako ny anarany. Maniry any amin'ny morontsiraka izy io nefa asa koa na mety misy maniry ao ampovoan-tany. Afangaron'olona izy sy ny masonjoany satrai mitovitovy tokoa saingy ny masonjoany dia efa tahony matevina iny no hitanao any amin'ny mpivarotra fa ny tambarasaha kosa dia na ny fakany ny raviny dia mety aby atao tsy misy ny hafa amin;'ny fikarakarana masonjoany.
Isan-kariva no tsara hanaovana azy ary tsy havela ela fa adiny iray dia ampy. Sasana tsara ny tarehy rehefa avy eo. Satriko ny hanome fanazavana mihoatra fa io ihany no haiko. hihihi rehefa mankany anaty ala isika raha mazoto ianareo indray andro any dia atoroko anareo ny sekire rehetra. :-* :-* :-*

Zavatra iray saika hadiniko fotsiny dia raha te hanana hatsaran-tarehy mitohy dia ny fanadiovana ny any anaty no fanafody tsara voalohany indrindra.
Ny jus na mangosteen no tena mahasalama tarehy tokoa sy ny rehetra any anaty satria be otrikaina miady amin'ny aretina sy ra ratsy. Tsy ny hoe ny ranom-boakanzo akory fa tena ny ilay voankazo mihitsy no atao izay hahapotika sy hahalasa ranoka azy ny hodiny avy eo afangaro amin'ny tantely sy ny rano tsotra hanome tsiro tsara azy.

:-* :-* :-* :-*
12. vahiny2004 ( 18/02/2009 10:07)
sitraka1:

Izaho aloha dia tena zatra mamafa tarehy na amin'ny tanana na @ mouchoir satria hitako fa mitera-menaka ny tarehiko, dia tsy hatao intsony ny amin'izay. Mbola hanafatra masonjoany zany aloha dia hatao. Misaotra tamin'ny torohevitanareo rehetra.


Homeopharma efa manana masonjohany efa vonona, tsy mila mikiky intsony. Misy vovony dia misy efa pate.

Toa misy azo vidiana par internet aza aty Frantsa raha tsy diso aho fa jereo ao @ auzoma.com


13. sitraka1 ( 18/02/2009 19:17)
Hay ve ka mety ahitana par internet e, tsara loatra raha izany.
Fa inona lay "mangosteen"? Aiza no mety ahitana an'io ry fahamarinana?
14. fahamarinana ( 18/02/2009 19:49)
:arrow: sitraka1 : afangarondry amin'ny soanja za fa izy no nanoro ilay mangosteen....dia tsy haiko fa adraso jerena sy anontaniana any tonton google aloha.Rehefa miverina za raha mahita fanampim-panazavana raha tsy efa miverina eto soanja sy ni....sady manantena ihany za amin'io hoe ho avy izy an:) (l)
15. soanja ( 19/02/2009 05:45)
Toy izao ilay Mangosteen. Misy an'io any amintsika saingy tsy dia betsaka loatra. Mahasalama tokoa io ary io angamba no sakafo- tohan'aina- tsara indrindra amin'ny fahasalamana raha te hanome ny fahasalamana avy any anaty mivoaka ety ivelany. Misy aza miantso azy ny "Mpanjakavavin'ny voankazo"

http://livingbyheart.tripod.com/xresearch/id72.html

Aiza no misy mivarotra azy? Efa betsaka tokoa na toy ny jus no amidy eny amin'ny mpivarotra na toy ny fanafody (energy drinks) ireny. Tsy fantatro ny any Dago fa ilay izy maniry any an'ala ka zara raha misy mikitika satria betsaka lavitra ny voankazo matsiro noho ny io sady izy manalasala fa matevina be ny hodiny. Iny hodiny iny anefa no misy ny otrikaina rehetra ilaintsika.

Raha mbola mila fanazavana misimisy dia aza misalasala manoratra amiko manokana. Raha mbola mahita fanazavana momba an'io na ny mety ahitana azy any Dago isika namana eto dia mba teneno eto an. Misaotra indrindra.
16. fahamarinana ( 19/02/2009 09:24)
:arrow: merci Soanja... :-* ,naika hiteniteny foana za manko. (l)
17. sitraka1 ( 19/02/2009 18:53)
Anarana tena vaovao tamiko ry reto lay mangosteen. Amin'ny maha voankazo azy zany no ihinanana azy? Ary ny fatrany azo hanina, sa zay tiana? Misaotra anareo nanoro sy nanazava e
18. ikaretsaka ( 19/02/2009 19:09)
sitraka1:

Anarana tena vaovao tamiko ry reto lay mangosteen. Amin'ny maha voankazo azy zany no ihinanana azy? Ary ny fatrany azo hanina, sa zay tiana? Misaotra anareo nanoro sy nanazava e



Mangoustan io hoy ny frantsay! ny ranon'io rehefa fermentena no mahazo ilay toaka mangoustan iny :wink:
ny anay moa le fisotro (galioka) no nilavana azy fa tsy @ tarehy izany!
ohatran'ny kerdebefo metisy kakhi hafahafa izay ilay voankazo
19. fahamarinana ( 19/02/2009 19:53)
:arrow: ika : ka tonga dia io no tonga tao an-tsaiko fa tsy sahy nilaza....kay izy aby ireo ? :oops: (l)
20. soanja ( 20/02/2009 05:15)
fahamarinana:

:arrow: ika : ka tonga dia io no tonga tao an-tsaiko fa tsy sahy nilaza....kay izy aby ireo ? :oops: (l)

Fahamarinana o, rehefa misy tiana lazaina aky dia zarao foana a. Faly foana anie isika rehetra mianatra zavatra e. Zah tsy nahalala mihitsy koa hoe io no anarany any Mada? Misaotra nizara Ika. Tsara io voankazo io ka. Raha mahalany be dia soa foana saingy aza atao be loatra koa sao marary kibo indray.


(l) (l) (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2632