Panda amin'ny tarehy

21. samnic ( 20/03/2009 12:35)
izaho koa misy panda ny tarehiko. nisy nanoro hevitra za hoe savony nosy sy tantely no afangaro ka sasana @ savony nosy aloha ny tarehy hadio vao hosorana an'io ary hajanona eo 20mn dia kobanina @ rano maty2 refaveo (tsy tena nanao an'io za fa in 1 fotsiny).
Fa ny ataoko @ ana zao (zay hevitra natoron'olona koa) dia sasana hadio @ savony nosy ny tarehy dia hosorana menaka @ kapôty protector (mbola tsy nampiasaina an!). efa volana 1 na 2 teo zay no nanaovako an'io fa hitako ho miha mazava ilay mainty2 teo ary ny olona mifanerasera amiko koa aza mahita izany sady madio koa ny endrika (satria hosorako daholo ny tarehiko iray manontolo). fa mila faharetana an! :)
22. Hinagasy ( 25/03/2009 03:35)
Vaovao eto amin'ny forum fa mba te hizara momba ity panda ity!
Tamin'izao bevohoka koa no nisy panda, pandan'ny olona bevohoka hono; Ny nataoko dia nanao crème hydratante avec SPF 15 au moins aho rehefa amin'ny atoandro fa amin'ny alina nanao crème hydratante tsotra. Tsy afaka teo no eo fa naharitra ihany vao afaka, fa nitandrina masoandro aho satria ny masoandro koa indraindray mantsy hono tena mampisy panda;
Fa andramo ny manao crème hydratante, raha mahalala Dexeryl ianareo dia io hono tena crème hydratante tsara!
23. Hinagasy ( 25/03/2009 03:37)
Misaotra amin'ilay nizara ny Mangosteen fa dia hitady io voakanzo io izany. asa raha ahita aty aminay aty? fa nojereko fa toa be dia be ny vertu-any!
24. fenosoajoachin ( 15/09/2022 13:36)
Otrany aona marina ilay tambarasaha f tsy mety aiko aiza no mety aitana azy

soanja:

Ny panada dia azo avy amin'ny sakafo tsy dia zaka loatra ary indrindra ny fahanterana mandroso.

Ireto avy ny ody gasy afahana manala panda.

- Ny Tambasaraha ka ny fakany na ny hodiny na ny tahony no asaina ary ny vovoka azo amin'izany no ahosotra amin'ilay faritra misy panda amin'ny tarehy. Mahatsara tarehy tokoa ny Tambasaraha na dia tsy misy panda aza ny tarehinao. Tandremo anefa fa poizina ny raviny ka aza avela holalaovin'ny zaza na hisy hihinana.

- Ny Masonjoany moa dia isan'ny mahazatra antsika. Vidiana eny an-tsena dia kikisana ambony vato marokoroko sady asiana rano kely. Osory amin'ny tarehy iray manontolo ny paste/voakiky. Ataovy isanandro io mandritra ny adiny iray. Mahalandilandina, miaro amin'ny herin'ny masoandro ary manala panda tokoa ity farany ity.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1103