Fa inona no tanjon'i Andry TGV?

1. tarzand ( 13/02/2009 11:07)
Vao nanomboka ny grève de maro ny olona maty, naratra, tsy hita ny nanjavonany. Firy ny fivarotana voaroba, may, firy ny fiara nodorana na simba? firy ny tsy an'asa vokatr'ireo? firy ny ankohonana manomboka tsy mihinan-kanina fa tsy miasa aloha zao fa mitokona? firy ny olona voatery miandry birao hisokatra vao afaka manao ny taratasy eny @ firaisana? firy ny oronan-tsary tahiry tao @ TVM very lasa lavenona? tsy ho re intsony izany ireo tantara nafantarana an'i Dawily (Ralaikamo sy Ralaimazoto, Caryl Chesman....). Firy ireo mitaintaina handefa ny zanany hianatra? firy ireo olona manana finiavana hijoro eo @ 13 mai fa tsy manana finiavana hijery izay mahasoa ny ao an-tranony aloha?
Raha fehezina dia vao maika mihamahantra ny gasy, mahantra toe-tsaina, mahantra fivoarana, mahantra fahalalàna. Ao ireo mitady handrangitra adim-poko, ao ireo manendry ny tenany ho filoha, ao ireo manao sorona ny ainy mba ho an'ny tanindrazana, vonona ny ho faty satria tsy manakasitraka ny fitondran'olona lanim-bahoaka, ao ireo olona mihevitra fa tokony mba hitovy amin'ny Amerika i Madagasikara, ao ireo mihevitra fa azo atao ny maneho hevitra sady mitsipaka ny demokrasia.
Andry ô! tsy aleo ve....
répondu par naughtyboy le 13/02/2009 14:37
2. nyavo2000 ( 13/02/2009 11:11)
E! malahelo milaza aminao fa tsy henon'ilay domelin-dahy iny izany....

Na hofaty daholo aza ny vahoaka malagasy ary na ataon'ny sorona daholo aza ange ny mpanaraka ambakaina miaraka aminy ka hono izy hijanona e!
3. naritsimba ( 13/02/2009 11:28)
tsy mihemotra @ zay famendrofendroana ny tenako, mitohy ny tolona.
4. ARINOFY ( 13/02/2009 11:30)
O ry tarzand a, raha io hevitrao io no mba atoronao ny manodidina anao de ngamba mba hisy ihany ny hihemotra @ io fitokonana tsy ahitam-bokatsoa io.Na ny filoham-pirenena aza ane mba mety ho afaka hanitsy ny tsy nety nataony aorian'ity zava-miseho ity e.Ny olombelona ane ka tsy A/tra ka ho marina foana e.Na iza na iza no hitondra eo de tsy maintsy hanana ny kilemany ihany izy.Tokony atao fitaratra ny amerikanina izay niandry ny fahataperan'ny mandat n'i Bush vao nifidy olom-baovao izay hitany fa mendrika.Fa raha ity fitokonana lavareny ity de hita tsotr'izao fa resaka politika hampijaliana vahoaka fa tsy fitadiavana ny tombotsoam-bahoaka mihitsy.Ary fampiadiana an-trano ny samy malagasy.Aiza ve ka misy hatr@sokajim-pinoana enjehina ,eny hatr@ mpanompon'A/tra mihitsy.
5. tarzand ( 13/02/2009 11:32)
Ny mba faniriako de mba hifoha @ torimasony ireo manaraka azy eo @ 13 may ireo! ekena fa mbola ho ela vao ho tafavoaka ny gasy, fa raha hitaky fahafahana no tanjona, f'angah moa isika misy manjanaka na manery antsika tsy hiasa? ny olona anie matoa manam-bola dia miketrika e! ary toetran'ny gasy mihitsy ny manenjika ny tafita. Efa ela ihany izay hoe ovaina ny toe-tsaina kanefa indrisy, tsy aleo ve mba ny tao @ CUA aloha no natao izay nampety azy mba ho resy lahatra ny olona fa mahavita azy enao? Tsy omeko tsiny anefa ianao satria tsy nisy nampianatra anao an'izany; ary tsy omeko tsiny enao satria tsy ampy ny farim-pahaizana handinihina ny tokony atao; tsy omeko tsiny enao satria tsy politika no tokony atao fa ny mokon-doha no tokony hibaiko hoy enao; tsy omeko tsiny enao satria enao no filohan'ireo eo @ 13 may.
Soa ihany fa......
6. bozyboleta ( 13/02/2009 11:53)
Tsy raharahany sy ny mpanaraka azy izay efa niara-nisotro poizina taminy izany.
Misy @ ireo no efa nisotro ny aleoko maty ka raha ho faty aho dia matesa koa rahavana.
Misy @ ireo koa ary tena maro no efa nifidy ny hiaina @ fahantrana, tsy ho tafavoaka izany mihitsy na iza na iza hitondra eo satria efa hatrany anaty lohany sy ny tsinainy ny fahantrany ka tsy misy iraharahiany izay hoe toe-karena sns simba izany.
Misy indray koa ny mba mety afaka mieritreritra ihany fa saingy entin-kambo, entim-pialonana, na menatra sy tsy sahy ny hiverina @ safidiny fa rehefa niditra tao dia aleo hijanona ao ihany na inona na inona fidonany eo ary na dia efa fantatra azy fa midona @ pôtô.Jereo @ itony fotsiny e!
2. Mpandefa : naritsimba [ Valio ] 13-02-2009 12:28:38
Lohateny : Re : Fa inona no tanjon'i Andry TGV?
tsy mihemotra @ zay famendrofendroana ny tenako, mitohy ny tolona.

7. xxx ( 13/02/2009 12:02)
mitohy ny tolona tsy maintsy miala ny didy jadona, iza no ho tampenam-bava isan'andro eo? maty izahay vahoaka Malagasy, maty zahay, ny filohanay tsy mijery anay fa mitady izay mahasoa ny tenany ihany.

Tsy maintsy mandresy ny tolona ry bozy a
8. Razouzou ( 13/02/2009 12:08)
Tsara ihany ilay programma hoe : miady amin'ny zava mahadomelina , fa tena manimba ny saina . Tanjon'i TGV dia ny hamotika an'i madagascar :x :x mifoaka moly lery akany inspiraka amin'ny kabariny eo 13 mai ary asiany toaka gasy mba ho mafy ny dozy :-D :-D ao moa ireo akamany pidaina: sareraka, alain ramaroson sy ny sisa tsy voatanisa 8-) .

Tena Gisa Vita ny anareo sady mamo ny moly sy toaka gasy .

Sambory ireo fa tena poizina :^) :^) :^)
9. naughtyboy ( 13/02/2009 12:10)
fa ony oa ,le fanomezantsiny ny hafa lava efa makadilo sofina fa tsy zay mitondra v izao no tokony hamaha olana hatr@ voalohany satria andraikiny izany @ mahampitondra azy satria ataoko fa misy @ lafiny socio-politique ny atao oe sondage publique ,nefa de notsetsenambava ireo fampitambaovao tokony hanao izany ary tsy ho tonga @ izao grevy izao voalohany sy ny herisetra izay mitory fahabibiana ,izao de ny vahiny no miditra antsehatra handamina ny ady antrano satria tsy olona matotra sy mahazaka ny toerana misy azy i le8 ,satria tsy leader ity gadralava ity fa sady mandripaka ainy malagasy ary koa mandroba harempirenena,nanitsaka ireo lalàna velona sy
-tsy mahay mihaino sy mandrindra ireo tsikera izay fanorenana ataony antoko mpanohitra ao @ fitondrana mba hahatsara ny fiainambahoaka ,gadra no asetry ireo izay milaza ny tsy mety na tsy mifanaraka @ tombotsoany tenany,tsy fisany mangarahara(mampitsoaka ireo mpampiasa vola avy hatrany)
-tsy nahavaha ny olana @ findramambola lava any ivelany ,ka hirosoana miadana @ ampahany fahazankantena aratoekarena(oh.fahavitantena aratsakafo),firifiry ireo fitomboany zaza azony mosary,ny sanitation aza tsy mihoatra ny 100km ny renivohiparitany rehetra dia efa tsy misy nefa ny firoboroboany orinasany itantanana ny fananampanjakana mandroso andro aman\\\'alina ===> tetika anjanahana ny toekarena malagasy @ fananany manokana(empire économique tiko,i E.Suharto tao Indonésia no tanjona e) oh. fotsiny ireo fa mbola be ireo asanjiolahy nataony sy ireo mpiray tsikombakomba aminy ,ireny nge izao no tsara asina resaka sy ampamoaka fa volany malagasy marobe no any ampaosiny le8 e, tsy resaka oe i Andry nitarika grevy ...
10. tarzand ( 13/02/2009 12:15)
Mitohy ny tolona!!! Tolona inona? mba fantany ve hoe inona ilay tolona atao: hitaky ny demokrasia? mba hisian'ny fahalalahana?
sa...:
- Mitohy ny fahantrana
- Mitohy ny fitadiavana asa fa izy tsy hiasa raha tsy karama ambony
- Mitohy ny famonon'olona sy halatra ary ny fanararaotana
- Mitohy ny tsy fahalalàna fa manara-bokony fotsiny satria i koto manohana TGV dia izy koa mba manohana; fa i Liza eo akaikiko toa lasalasa t@ fitondran'i Ra8 sady manohana an-dRa8 ka halako ka aleko manohana TGV sao mba lasalasa eo koa za dia mba manidry sady maneso an'i Liza avy eo.
- Mitohy ny tsy firarahiana ny hafa sy ny fifandraisana amin'ny any ivelany fa tsisy ialaina azy, fa ny gasy mahavita tena.
- Mitohy ny fizarana seza eo @ 13 may ka mety mba ho lasa direktera ny tsy an'asa ihany.
- Mitohy ny fanohanana tsangan'olona fa tsy tsangan-kevitra
- Mitohy ny fiheverana fa ny atao hoe demokrasia dia: "za zao no filohan'ny teteza-mita"
Mitohy ny tolona satria za tsy manana asa izao ka aleo mba mitovy amiko dôly e! @ izay tsy za irery no himehezan'ny olona hoe kamo be tenda.
TOHIZO NY TOLONAREO fa izao no lesona: Tsy nisy olona tafita ka samy nanao izay saim-pantany. Misy rafitra tokony harahina! ary izany anie no nahatonga ny didy Folo e! Fantatr'Andriamanitra fa ny olona mila fehezin'ny lalàna. Ka saino ihany raha enao mitaky ny demokrasia no Hanimba ny demokrasia.
11. naughtyboy ( 13/02/2009 12:19)
voalaza
Misy rafitra tokony harahina!
ka izay le tolona ,mba anarahany rehetra sy ampiharana izay rafidalàna izay tsy ankanavaka na filoha na olompirenena tsotra voasazy daoly ze diso ,izay no atao oe lalana @ demokrasia
12. xxx ( 13/02/2009 12:21)
TSY MAINTSY MIALA I DATOA LE8 :-D :-D :-D :-D
13. tarzand ( 13/02/2009 12:39)
SOSO-KEVITRA:
Aza adino fa ny manendry tena dia efa mandika ny demokrasia.
Ny malagasy dia tokony hanaja ny fe-potoana hiasan'izay voafidin'ny be sy ny maro. Ekena fa tsy mahafa-po ny fitondrana ankehitriny; izany indrindra no tokony hiomanan'izay mikasa hitondra ny firenena dieny izao, mba hanana politika mazava hampandrosoana ny firenena; miandry ny fifidianana manaraka; tsy ao anatin'ny telo taona akory dia ho ringana ny haren'ny gasy ka ho lasan'i Ra8 avokoa (40 taona aza mbola andrintsika ihany). Ahitsy ny fomba fijery: tsy misy fitondra hateza ary ho mamim-bahoaka raha toy io eo @ 13 may io no lalana anaovana azy. Raha akaiky fifidianana isika no maneho hevitra fa tsy rariny ny zava-miseho dia efa mba manana politika mazava tsara ireo izay handimby toerana. Tora-po no betsaka eo @ 13 may ankehitriny, ary fizirizirina @ hevitra tsy mampandroso. Ny Fitondrana kosa tokony hanova ny fomba fiasa ary mampiseo @ vahoaka fa mahatapak'ahitra. Na ny TGV na ny TIM dia samy tia-tena: samy te hamikitra ny seza mba hafahana manao ny atao.
Amiko ny olona mpandraharaha na miaramila na olon-tsotra dia tsy tokony atao filoham-pirenena, efa hita ny vokany. Ny tokony ho filoham-pirenena dia olona manana politika mazava, olona nianatra manokana ny resaka socio-politique économique, ary olona manana conviction tanteraka. Iza ary io olona io? ....Tsy Andry TGV aloha e.
14. peta83 ( 13/02/2009 12:46)
Fa ny tiako anontaniana hoe "ina no mba tanjon'ty Ra8 nareo ty?"
Za ihany dia afaka mamaly azy....NY HO AMPERORA avy eo misy ny sariny ny vola malagasy hihihihihi
15. sehenou ( 13/02/2009 12:46)
atramizao zany alou d mbola i andry foana no tena diso a! z mietsika mantsy izy foana fa i dracula zany d tena tsis tsinin nefa tadidio fa ny vy tsy mikintrandrery ra tsy misy manakitrana.
16. tarzand ( 13/02/2009 13:15)
anatra ho an'ny sisa izao:
Rehefa tonga ny fifidianana dia aleo mande mifidy, saino tsara izay olona hitanao fa maharesy lahatra anao, ary aleo tsy tsangan'olona no tohanana fa tsangan-kevitra.
Ataoko ahoana moa no hanaiky raha ilay filohan'ny 13 may io no tsy hanitsaka ny lalam-panorenana izay lazaina fa hitsahan'ny filoha ra8? kanefa vao manomboka dia efa voahitsany sahady.
isika tokony hanaja ny safidim-bahoaka ary tokony @ andro fifidianana no manova izay tokony ho filoha.
Za tsy hoe momba an-dra8 fa za kosa te hametraka hoe hajao ny safidin'ny vahoaka, manjary raha izao no mitohy dia hi-grevy lava foana isika satria mety halahelo ny olona nisafidy an-dra8 ra esorina eo @ zao izy. Raha misy ny tokony hanejehana azy dia enjehina @ lalàna velona izy fa atao ampilaminana ho fanajana samy tsika malagasy.
17. ngoiha ( 13/02/2009 13:49)
Ory peta a tsy aleo ve AMPERORA toy zay FILOHAN'NY 13 MAI hi hi hi (PREZIDAN RADOMELINA) OEEEEEEEEEEEEEEEEEEEEEEEEEEEEE
18. ravonjison ( 13/02/2009 14:26)
Izaho aloha dia mitovy hevitra @ Tarzand e. Efa nisy ihany ny hevitra sasany nasehoko tany @ discussion hafa, noho izany somary fanampiny ihany no arosoko eto:
-i Andry aloha dia tokony hipitsika satria ratsy fiady. Raha ianao mitady seza nefa miaraka @ fatin\' olona sy fanonganam-panjakana dia tsy mety e. Izany toetra izany manko dia manome occasion hoan\'i olona sasany hamerina izany any aoriana, satria efa samy tsy manaja ny lalampanorenana. Izany hoe lasa \"cercle visieu \" ilay izy : rehefa tonga eo @ fitondrana i Andry dia misy bandy vaovao indray mipoitra eo, dia hanao izany koa izy , hisy fatin\'olona, fandrobana, sns..: Dia toy izay foana ny zava-miseho. Tsy misy zavatra voatsangana, ny vahoaka miamahantra foana.
Laviko tanteraka ny fomba fiady toa izany.Ny atsy afrika no tena manao an\'io.

-ny hitako fa mety dia ny miandry ny fifidianana 2012, mandrapahatongan\'izany dia mamorona program tsara, mijery ny olana, miresaka @ tantsaha , mitady ohatra avy atý ivelany sns.
Izao aloha dia tokony hanarina ny zavatra simba, I Andry dia tokony hiala tsiny @ vahoaka satria izy no nahatonga ireo fatin\'olona ireo.
Izay tsy mitovy hevitra amin\'i Ravalo dia aza mifidy azy e.

- Ravalo dia nisy zava -bita ihany, ka ireo zava-bita ireo dia tsy tokony simbaina( ohatra : tranombarotra) na dia tsy revinareo aza Ravalo ( tokony hamboarina io fomba fisainana io)
-efa nasiako ohatra tany aloha tany fa saingy averiko indray : diniho tsara, raha Ravalo manangana tranom- barotra iray, dia ny filoha vaovao koa nanangana tranom-barotra iray , dia ny filoha manaraka indray nanangana tranom-barotra iray. Nandritran\' ny nandalovan\' ireo filoha telo ireo izany dia mba efa tranom-barotra telo no vita. Na izay fotsina aza no vitan\' izy ireo dia mba efa misy. Fa raha toa ho simbaina foana ny tranom-barotra izay mba vitan\' i ffiloha tsirairairay, dia mandraitra ny filoha telo dia tsy misy zavatra mitsangana mihitsy.
Mba diniho tsara ny mahasamihafa ireo lalana roa ireo

- ny olona atý eoropa mihetsika daholo, isan-taona dia misy zavatra mitsangana vaovao foana,na trano , na lalana, sns.... Ny antsika izay efa misy indray no simbaina .

- ny momba ny fitifirana teny Ambohitsorohitra indray dia izao: tsy azoko no nahatonga ny olona sasany hidi-kizo handingana ny faritra voaambina. Efa hita fa miaramila mitana basy izao no eo dia mbola miditra foana. Raha izany no ataon\' ny sasany hoe fanehoan-kevitra dia tsy miombo-kevitra aminy aho satria izao no antony: rehefa misy jolahy te hangalatra sy handdroba izany eny Ambohitsirohitra dia tsy tokony ho tifirina, satria mety hilaza izy hoe izao anie saika haneho ny hevitro e . Tsy azo atao izay , ireo miaramila ireo dia mpiambina ary izany no asany. Raha toa ka tsy afaka mitifitra izy ireo( dia hoavy eny daholo izao jiolahim-boto rehetra izao) dia aleo tsy miambina eny.
Mampalahelo tokoa ny zavatra niseho, io voalazako io dia tsy milaza akory fa tiako ny faty ny olona aho, milaza fotsiny aho hoe tokony asiana fiaritreretina ny zavatra sasany.


19. naughtyboy ( 13/02/2009 14:37)
ny grevy kalo misy foana na any @ tany farany mandroso aza e ,satria misy ny tsy fahafaliambahoaka ka eo dia miankina @ fahaizany mpitondra no mitantana ny krizy sy mihaino ny fitarainana ary fahaizana mamaha olana no ahitana ny kalitao maha mpitarika azy na tsia ,ankoatry izay mitovy hevitra @ tarzand

za ko aloha tsy mankasitraka any i le8 satria tsy nanana traikefamazava izy na leadership na creativité na expertise @ socio-economic development(strategy management,human capital,health & benefits...) na notion @ civil right & international law(izay mahampikambana antsika malagasy erantany t@ alalany ratification17 Sep 1969 -21 Jun 1971) fanajàna ny ainy olompirenena akory aza(izay no mahatonga ireo firenena any ivelany manelanelana @ zao fotoana) fa fitondramboriky efa t@ androny fanandevozana ranofotsiny sy didy jadona ,miasà mafy sy miezaha hisy angalarina daholy ny any ampelantananareo @ alalany fahefana(exploitations humaines,leur biens et de leur droits)
i Andry indray dia vao maika loza satria tsy ny taona ihany no tsy ampy aminy fa mila faraharatsiny ,fiofanana sy andraikitra maromaro ho tohatra dinganiny
vao afaka ijery ny eny @ vovonana manatena ny hitarika grevy de ho lasa prezy @ 1 sy valo ,tsy lasa tsy mety ...ny tena hahay hitondra dia efa any andalana ary betsaka ny fanantenana araka ny voalazako oe 1/20 000 000 fotsiny no andrasana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2781