Inona indray ny tetika manaraka eee

21. tsiafoi1 ( 13/02/2009 09:36)
Oay : Ny olana fototra ho antsika malagasy de le toe-tsaina ORY HAVA-MANANA, mialatsiny fa izay mihitsy no mahalaza azy.

Nandeha nitady menaka tany @'ny shoprite aho omaly atoandro, de nanesy nitazana ny rayon rehetra, fa indrisy tsy nahita produits TENA VITA MALAGASY (zany hoe vitan'ireo Orinasa an'ny tera-tany malagasy), afatsy roa monja : savony (Savonnerie Tropicale) sy ny sel fin (SOPROMER).

Ny produits Eropeanina no mameno ny rayon rehetra raha resaka fihinana (Ravi, STAR (Frantsay), La Hutte canadienne (Norvegiana), Huile d'olive importés (Eropeanina), savony salama an'ny Sipromad sy Maronjana (Karana). Tonga teny @'ny rayon fitaovam-pianarana indray ny tena de cahier excellence, calligraphe, Premier (Indonesiana sy eropeanina) sisa tazana, nefa ny vidin'izy ireny de in-2 avo heny ny vidin'ny cahier Artista Magro. Tsy hita teny intsony ny cahier Magro vitan'ny orinasa Blueprint....

Raha fehezina indray miteny zany de izao, manomboka t@'iny 21/01/09 iny, dia miankin-doha feno @'ny vokatr'ireo vahiny indray isika.... Miankin-doha tanteraka @'ny any ivelany indray ny toe-karenantsika satria ny kely mba nanan'ny tera-tany malagasy afaka nifaninana t@'ireo Orinasa vahiny de nodorana sy nolevonina tao anatin'ny indray mipi-maso manjo.

Eny mety misy fahamarinana tokoa ny hoe misy intérêt personnel ihany ny an-dRa8, kanefa "l'argent appelle l'argent". Ny Baiboly de mampianatra mihitsy antsika mba hampitombo ny talenta hanana fa tsy handevona izany. Raha manana iray de ampitomboana ho roa,... Tsy hoe rehefa mivavaka de tokony hahantra, TSIA! au contraire aza tokony hanan-karena ny zanak'Andriamanitra, satria manana ny zavatra rehetra ilay Andriamanitra izay hivavahany, ary tokony ho imagen'ilay Andriamanitra hivavahanao enao satria zanany.

Mety ho teti-kady mahomby iray ihany ny an-dRa8, mba hifehezana ny toe-karen'ny Madagasikara, tsy hiankinan-doha be @'ireo firenena hafa. Ary io no tena antony iray hitako hoe mitombina, satria taorian'iny toe-javatra nitranga iny, de ny produits vahiny no mameno ny tsena... Ny vahiny zany no nahazo tombony t@'ireny fandrobana sy fandravana ireny...

Raha handoro ihany re @'ny sisa, sanatria anie izany de mba ny an'ny vahiny fa tsy ny an'ny malagasy toa ny tena.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1735