TSY SAHY NAKANY MAHAMASINA RAVALO

1. ralalaina ( 11/02/2009 13:18)
tsy sahy tonga taty mahamasina ravalo fa natahotra sao horakorahany olona ny antsasany olona tany mahamasina dia tsy hanohana no tena antondihany fa hitoraka voatabia sy hiantso hiantso hoe
RAVALO MIALA MIALA
novalian'i xxx ny 12/02/2009 00:17
2. ARINOFY ( 11/02/2009 13:30)
ralalaina a,tsy nankany tokoa ny filoha hajaina Ravalomanana satria tsy oe hanao propangande ane ny tany mahamasina.Mba ampahafantatra izao tontolo izao fa misy manohana izy fa tsy araky ny laingan'i tgv isaky ny mihetsika oe "vahoaka" no tsy tia an-dRavalo.Porofo mitohaka @ tenda zao fa mbola betsaka ny olona tia ny filoha fa ireo olona eo @ 13 mai ireo de mpanao bondongerona fitondrana fotsiny.Ary raha olona tiam-bahoaka marina i Andry de nahoana no tsy nanaraka ny teniny ny olona fa nandeha niasa daholo na de nanaovana menace aza.Ny fahendrena amiko de manaja ny lalàna velona zany oe andraso ny 2012 de samy mifidy zay tiany.Amiko mantsy de fanaovana sabotage ny sommet de l'union africaine izao korontana izao satria hita fa hahazo laza tsara ny filoha Ravalo.
3. TWING ( 11/02/2009 13:31)
lol be kosa zany klé

ny fantatro fotsiny dia 10 isaky ny fokontany no nasaina ho eny ary nokaramaina na indemnisé 5000Ar teto Antsirabe
4. xxx ( 11/02/2009 13:31)
ha ha ha tena kanosa lahy !!! fantany fa vao ahita azy eo ny pokna de mety hidaroka na hirakoraka azy farafaharatsiny !! iza kosa no tsy nahalala oe mpamono olona io miditra io!! na ny Tim aza mety ho sorena ko oe hiara hibaby ny helokilety ve leaza !!
5. tsiafoi1 ( 11/02/2009 13:38)
Tsy hakanosana fa fahendrena lehibe izany fihetsika izany :

1- Tsy fihantsiana ny ankilany, tsy izay no tanjona kendren'ny hetsika natao,...
2- Tsy Président ny mpanohana irery izy, fa Président ny mpanohitra ihany koa....

Raha teny mivantana enao de nahitsapa ny zava-misy tokoa...

Misy fotoana ny zava-drehetra ary tsy hirotorotoana fa mbola ho tonga @'izay ihany any aoriana any...
6. bounany ( 11/02/2009 13:39)
:lol: :lol: :lol: :lol: :lol:
7. xxx ( 11/02/2009 13:41)
za de miombokevitra @ ARINOFY tanteraka.ts anakrotana akory n tedavin FILOHA RAVALO f de ny filaminana eto MADAGASIKARA
Ary de tkn ajan marn ne io krotana io.ny fahendrena sy ny tena fanarahana ny demokrasia de ny miandry ny 2012.f ts ny anakorotana isak ky ny mietsika zao
8. TWING ( 11/02/2009 13:43)
hein hein
mba valio ilay karama e?

volan iza indray no tao?za aloha tsy nandeha raha tsy 20 000 Ar e!lol

aleo ny olona ho eny Mahamasina fa vola ary io ko
9. Oay ( 11/02/2009 13:45)
ralalaina a! marina ny anao fa izao efa hita izao fa manaraka anareo ary ny vahoaka ka maninn raha ovaina io code éléctoral mampimenomenona ny mpanohitra io d ataovy ny fifidiana d amizay milamina ny tanana satria efa sur ianareo izao fa manaraka anareo ny vahoaka ka d ianareo ihany no hovoafidy eo é! Ny mahagaga ahy ralalaina (nareo kou moa tsy hay na vavy na lahy satria ilay anarana sady mety lahy no vavy) ny mahagaga ahy oa d fa ahoana loatra ary no nahalany an'ilay kely io ho maire tena dadany i nedala fa manao maso be tsy mahita an! 63% be zao satria mbola maro be ny tia an'i Marc kanefa d i Andry no lany tao Antananrivi renivohitra za alou d manontany tena satria za sady tsy nifidy an'i Andry no tsy nifidy an'i Marc fa na izany aza anefa d misaotra an'i zandry kely za fa sahy nedala manao @ io beronono io an, marina é hihihi.... kely fa dada angamba ry zalahy knou.
10. ARINOFY ( 11/02/2009 13:46)
efa film mpandeha ry TWING zany nokaramaina izany a.Isaky ny misy hetsika ataon'ny filoha Ravalomanana de zany foana no hiraina oe "nokaramaina".Ary isaky ny mamory vahoaka indray Andry tgv de oe "misy mifofo ny aiko".Film hafa indray no alefa fa ny anay de tsotra,tsy adala zahay vahoaka nifidy azy fa aleo izy manapitra ny mandat-ny.Betsaka ihany ane ny nitady toerana t@ fifidianana farany teo fa firy ny vato azon'ireo.Na ny caution -ny aza tsy niverina.Koa izay matoky valeur de miandrasa @2012 indray e.
11. ralalaina ( 11/02/2009 13:54)
ka zavatra fanaony ilay manakarama olona rehefa hamory olona izy porofa t@ fifidianana be ny tanana farany teo
12. andrywui ( 11/02/2009 13:55)
Oay tsy 63% fotsiny ny azony TGV teto Iarivo raha tsisy halabato !! fa raha ny tena resultat de 85% no azony !!
===tena loza letsy ralalaina le feon'ny fieritreretana a! aleo marin enjehin'ny omby masiaka ka !!! tsary sahy nakeny marin RAVALO nefa de tokony ho olona hanao HOSANA azy daholo raha ny tokony ho izy ireo !! fa efa fantany fa HOMBOY no hiverimberinaao de naleony natory tany atranony nifitsa tany !!! ha ha ha !! tena mbola noheveriny fa tena TGV daholo zany ireo teo mahamasina reo ==nefa de tena zany mihitsy fa TGV hande hijery spectacle bojy ireo ka tenn mety sahiran teo marn izy !! voaorakoraka sy voabatibaty be teo ! ha ha ha ! vorondolo ve hiseho andro lety ralalaina a
13. tsiafoi1 ( 11/02/2009 14:36)
FAHENDRANA LALINA tokoa!
Fa TSY KANOSA NY FILOHA,
Hainy ny nanaja tena,
Fa FILOHAM-PIRENENA!

Filohan'ireo Mpankato,
Filohan'ireo Mpikomy koa,
Tsy mpiandany atsy sy aroa,
Zany ka MENDRIKA HO FILOHA!
14. andrywui ( 11/02/2009 14:44)
manova sujet fa tratra an ! mody oe nanaja tena ny Filoha fa tsy kanosa !!!
tsyafoi dondrona a! kanosa aminiza ny filoha ra nakeny mahamasina ? amin'ny TIM ihany ve ? ka an'ny TIM ane io fotoana io ka nanaja tena aminiza izy no tsy nankanesany tao ?? tsy haiko na adala itsyafoi na mipika fa tena mapme be ny zavatra lazainaoaminio tonokalo io !!! otran'ny olona avy nanamaina
15. xxx ( 11/02/2009 15:53)
sao kosa izy de tifirin'ny Tim eo ko tsy aleo tsy mande
16. Oay ( 11/02/2009 16:27)
andrywui:

Oay tsy 63% fotsiny ny azony TGV teto Iarivo raha tsisy halabato !! fa raha ny tena resultat de 85% no azony !!


saotra letsy ry andrywui fa ny anay mo lety d izay navoaka ofisialy no fantatray ka ny tarona re d io no nolazaindry leaka da nanino ny tena klé.Elah letsy zao ry andrywui mba mahalala tsara ka mba toroy tsara ry zalahy mba tsy hanao toa ny nataon'i be ronono an! D manantena anareo rahalahy fa d ho tanteraka anie ilay hoe Madagasikara ho an'ny Malagasy ary ny Malagasy ho an'i Madagasikara fa tsy ho an'i Daewoo an hihihi... sa ho an'iza lety!


17. andrywui ( 11/02/2009 17:02)
Oay tonga de mandraisa toerana ranga fa tsy hita ze asiana anreo a!! alefa eny avarapatana ?? sao mpamosavy ! atao ery anjoro trano ndray ?? sao mba tompomenakely ihany !! sarotra raisna ty Oay ty ka !! tsy hay na misy tandrony toa andry Noue sy ry Penguin sy ry molota sy ry Tsyafoi sy arinofy manko ka azo tonga de amboarina fa toa miolankolana tsy hita be niany ze tena andraisana azy fa maha mailo lava zany !! mila andrasana tsara
18. Andribe ( 11/02/2009 23:42)
natahotra ny tsy hisy oul lery de naleony nandeha nampiesona sipa @ fromagetiko aloha :^) :^) :^) :^)
19. xxx ( 12/02/2009 00:17)
Oay lel'ena !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0664