NILAZA IREO TAO MAHAMASINA FA HANALA ANDRAVALO

1. kidoropamba ( 11/02/2009 10:42)
Tonga tao mahamasina koa ny tenanay mba nihaino izay mba mety ho lainga afafin'ireto mpamono olona ireto. TSY SAHY RY ZAREO. Tena tsy sahy NY HANOHANA ANDRAVALO fa DIA NITAKY NY FIFANANTONANA @ TGV.
Izany no ventin-dresaka tao mba hamahàna ny olana hono.

Kay ireto vahoaka ireto izany no HANERY AN-DRAVALOMANANA hanaiky ny negosiation @ TGV.

Ireo ministran-dravalo aza moa dia tena tsy sahy nihebohebo intsony fa zara raha fantatra fa hoe ministra ry zareo satria niafinafina tany ambadibadika tany. Ingahy Ivohasina moa dia nanao coco rasé mba tsy ho hain'ny olona.

Nilaza anefa ny ankamaroan'ny Olona fa TENA TSY LASA NY NATAONDRAVALO sy NY FAMONOANA VAHOAKA ka tokony manetry tena izy miala sahala amin'ny ministry ny fiarovana.

Izay aloha fa dia handeha hiverina eny indray haka vaovao.
répondu par xxx le 12/02/2009 00:42
2. andrywui ( 11/02/2009 10:47)
fa taiza foana koa ary elah ry kidoro !! zao aho zao vao misy akama hananatra anireto mpamosavy ireto mifaly amapaty reo!!! inona koa ze olona kely 5% e!! feno hipoka ane Mahamasina ka 82.000pers hatreny amin'ny terrain e!! SADY ITY NO MAPME BE FA MANOMBOKA FAIZIN'ANDRIAMANITRA AMIN'NY RANONORAMBE RY LE MPAMOSAVY HI! HI! HI!
3. nyavo2000 ( 11/02/2009 10:50)
Hehe! tsy izany leitsy no hiaretan'ny olona @ orana ! fitiavana ny légalité izany.
Sao miteny ialahy hoe ProR8 fa mety misy TGV diso lalana dia misafidy ny légalité satria tsy tia ny gidran'ialasiny....

Misaotran'là aloha namonjy teny, lazain'ilà mantsy hoe ny mpamono olona no mandeha eny ka elà zany le mpamono olona, ny avy @ TGV io
4. penguin ( 11/02/2009 10:51)
Tsy hevitr'i kidoro izay naniry ny hisian'ny ady eto Madagasikara no henoinay akory. Raha diso ny lazaiko dia jereo ny soratr'ity kidoropamba ity hatramin'ny herintaona fa mandrisika ny ady hatrany izy. Faly ianao fa raikitra ny ady ary efa nilaza koa nareo fa vao ady indray andro dia nilafo lefona ra8 sy ny mpomba azy koa inona no nahafeno an'i Mahamasina amin'ny oram-be ary misy vaky trano vé ?
5. ralalaina ( 11/02/2009 10:52)
marina ny any ela ry andrywui fa faizin'Andriamanitra @ orambe ny mpamosavy, zavatra tsy mhataitra koa io na feno aza mahamasina fa film efa nadeha io ohatraakaiky t@ fifidianana be ny tanana farany teo
6. andrywui ( 11/02/2009 10:57)
famaizan'Andriamanitra sahady io ranonorambe tahaka ny tamin andron'ny Noa io !! sady maninn moa ra aripak'Andriamanitra any ze olona kely 4% io !! jereo ny sarin'ny ravatorano fa tsy feno ny terrain donko raha feno izy de 82.000pers fa ra tsy feno io kosa de 50 60.000pesr ra hisy 3 na 4%
7. kidoropamba ( 11/02/2009 10:59)
Tsy maintsy atao ny ady fa io ADY io ihany no ahafahana MANONGOTRA NY JADONA. Tsy mbola misy era-tany JADONA afaka avy @ firesahana sy fifidianana izany: ADY IHANY. FA ADY DIA AZO ATAO PASIFIKA: Hetsi-bahoaka (TGV io) na koa VONO OLONA TIFIRINA (ravalo io).

Raha tsy nitraotra ny vahoaka dia mbola nanao be marenina ihany ravalon-doza io.
Jerevo fa mbola mitady HAMONO VAHOAKA ihany ledada satria ny fanànany no lasibatr'ireto vahoaka satria fananam-bahoaka io.

Io ny olona tao mahamasina. Tonga tsy hanohana andRavalo fa hanosika azy hanao negosiation.

Ireo no mba olona voavorin'ireto 100% senatera, 98% ben'ny tanàna, 98% solombavambahoaka, 100% ministra sy ny sisa sy ny sisa. TSY HIARO ILAY RAVALONDOZA fa Hanosika azy HANANGANA SAINA FOTSY ka hifampiraharaha @ TGV.

GADRAO ANY LEVALO IO DIA MILAMINA NY TANY E
8. heidi ( 11/02/2009 11:04)
dia inona kay no kabary nentina hampandrina adrisa ny vaoaka tao aloha?????
9. Noue ( 11/02/2009 11:09)
MANINONA NEFA NO MAMOROTSAO TAHAKIZAO RY KIDORO AAAAA

azo henohina eto en direct ny zavatra miseho any eeee

http://www.beza.info/mada/
10. BOYSGOSS ( 11/02/2009 11:18)
kidoropamba:

Tonga tao mahamasina koa ny tenanay mba nihaino izay mba mety ho lainga afafin'ireto mpamono olona ireto. TSY SAHY RY ZAREO. Tena tsy sahy NY HANOHANA ANDRAVALO fa DIA NITAKY NY FIFANANTONANA @ TGV.
Izany no ventin-dresaka tao mba hamahàna ny olana hono.

Kay ireto vahoaka ireto izany no HANERY AN-DRAVALOMANANA hanaiky ny negosiation @ TGV.

Ireo ministran-dravalo aza moa dia tena tsy sahy nihebohebo intsony fa zara raha fantatra fa hoe ministra ry zareo satria niafinafina tany ambadibadika tany. Ingahy Ivohasina moa dia nanao coco rasé mba tsy ho hain'ny olona.

Nilaza anefa ny ankamaroan'ny Olona fa TENA TSY LASA NY NATAONDRAVALO sy NY FAMONOANA VAHOAKA ka tokony manetry tena izy miala sahala amin'ny ministry ny fiarovana.

Izay aloha fa dia handeha hiverina eny indray haka vaovao.


Efa specilitenareo sy ry TGV ny fandementsaina olona @ tsaho ary tsy vao2 @'izany ny maro

11. tsiafoi1 ( 11/02/2009 11:29)
Dia avy eny Mahamasina ny tenanay, ary tonga ato ampiasana indray aloa

Voalohany de isaorana be dia be Andriamanitra fa mahery indrindra Izy ary afaka naneho ny heviny ny maroan'isa tsy miteny, izay mpanohana ny ara-dàlana sy ny filaminana....

Nahazo ny hafatra feno fahendrena sahaza azy, na ny andaniny(Fitondrana), na ny ankilany(Mpikomy).

Trafon-kena ome-mahery, am-bava omana, am-po mieritreritra.

MADAGASIKARA ANIE HILAMINA TOKOA!
12. ifiona ( 11/02/2009 11:31)
@ zao 12h31 aty Frantsa mihaino: Indro Jesoa mba vohao.....

Misaotra @ fo manontolo ho an'ilay nanome possibilité anay aty ivelany manaraka mivantana ny zava mitranga
13. tsiafoi1 ( 11/02/2009 13:27)
1- Voalohany indrindra de Isaorana lehibe Andriamanitra, fa Mahery indrindra Izy ary mamaly vavaka tokoa.... Voaporofo izao fa maro an'isa ny malagasy, mandala ny ara-dàlana sy mangetaheta filaminana... Raha atao ny tombana, dia manodidina ny tany @'ny 50000 à 80000 ny olona tonga tena, feno hatreny ambony pelouse t@'ny 12h 47 nahatongavanay teny, miampy ireo nanao tazan-davitra tety ivelany noho ny tahotra...
>>>Fahombiazana mampientana tokoa raha ny fahafoizan'ny fotoana nampandrenesana ny vahoaka satria vao omaly monja ihany, ny médias nampiasaina tsy nisy afa tsy ny Radio Mada sy ny TVM mandeha mitsitapitapy, ny orana mikija tsy nataon'ny maro ho vato misakana...

2- Mampietsi-po tokoa ny nahita ny malagasy rehetra, tsy hanavahana saranga, fa na tao anaty ora-mikija aza, de mahita enao ireny olona mihaja be ireny, manao costar, tsy mitondra elo, fa miara-miaritra sy miombom-bavaka, eo afovoan'ny kianja (teo moa no nisy ny tenanay)....

3- Mampietsi-po indrindra ny niarahana-niredona ny "Zanahary ô! Tahio ny tanindrazanay"

4- Mampietsi-po tokoa ny hafatra napetrak'ireo Ray aman-dReny amam-panahy....Ary samy nahazo ny HAFATRA FENO FAHENDRENA avy @'ny Tenin'Andriamanitra, sahaza azy avy na ny andaniny Ray aman-dReny (Fitondrana), na ny ankilany (Mpikomy) ny tanora moa mazava ho azy @'ny ankapobeny, ho an'ny vahoaka koa tsy latsa-danjan'izany....

Tantely amam-bahona ny fiainana...., Ary tsy maintsy mitraka na eo aza ny rahona midona, ny lalam-piainana hizorana koa mbola lavitra....

5-Taorian'ny vavaka fahatsiarovana ireo namoy ny aina, ny vavaka ho an'ny Firenena, de niroso t@'ny Fanentanana hitraka tsy hilofika @'ny Fiainana i Ndondolahy : "AO VE E....!"... Teo no nangata-dalana tao anatin'ny vahoaka analin-kisa koa ny tenanay mba hamonjy indray ny asa aman'andraikitra....

MADAGASIKARA ANIE HILAMINA TOKOA!
14. xxx ( 12/02/2009 00:42)
Oay lel'ena!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0618