Nahoana ny fomba fahafatesana no misy lanja politika?

1. klitika ( 10/02/2009 14:08)
Maro ny olona maty noho ity hetsika ity. Saingy ireo maty noho ny haitrano, dia nodiana tsy tenenina, fa ny sary tety an-tsisiny no mba nilaza azy. Tsy nisy mpitomany tsy nisy hoe filaharana hanome voninahitra ny razana.

Fa raha voatifitra no nahafaty azy. Miala tsiny amin'ireo efa lasan-ko razana, zeziky ny tolona. Dia ireny no atao fitondra toa ny any palestina viraviraina hiantsoana an'itsy sy zaroa. Tadidiko ankizy iray no voatifitra dia olona 40 mahery no main'ny afo, saingy ilay iray voatifitra no nentina teny amin'ny 13 Mai

Dia izay no mahatonga manontany hoe
Nahoana ny fomba fahafatesana no misy lanja politika?
2. xxx ( 10/02/2009 14:18)
Koa raha razana efa may iny ve letsy no viraviraina tsy ho maimbo be sady mety hipitikaka ny ratsany!!!!
3. xxx ( 10/02/2009 14:25)
ra araka ny hevitro de tsy misy lanja politika zany ny fahafatesana!
fa ny olona no mijery hoe inona no MARINA no antony nahafaty ny maty t@reny.
@ akapobeny, ny nahafaty ireo may de nohon'ny fandrobana: fitiavana te hahazo na hanina io na fananana:Tsy hoe mandatsa reo efa maty za raha miteny an'izany sanatria fa izay no réalité iaraha-tsika mahalala.
De ny ireo maty voatifitra @ akapobeny de ny tolona no nataony no nah-vôtifitra an'azy; io tolona io no mahatonga ny olona hikorotana ka raha io no nahafaty no olona 1 dia rariny ra asiana importance ny fahatesana satria mijoro izy ohatra na tena tia tanindrazana;
@ nao zany de tokony hampitovina ny maty nohon'ny fitivan-tanidrazana sy ny maty nohon'ny fandrobana! nefa le izy tsy mtovy! ary tsy misy idiran'ny pôlitika zany;
4. tsamisara ( 10/02/2009 14:30)
Nahoana no mbola misy izany fanontaniana izany ?
Opération marketing ange io na fahafatesana aza.
Raha ny olona voatifitra no omenao haja dia mahatsiaro ny mpiara mitolona izany ianao ka halaza be hoe TIA TANINDRAZANA.
Fa raha ny maty noho ny fandrobana, vao maika ianao AFA BARAKA (teny gasy io fa tsy teny amerikana).
Ka izay ahazona voninahitra ny laza no tena kendrena raha toa ka hadinonao.
Sa tsy izany ?
5. Noue ( 10/02/2009 14:53)
mazava be anie ny valin'io eee ! rehefa an'ny hafa oa ny hadisoana dia iny no entina hakana ny fon'olona fa rehefa an'ny tena ny fahadisoana hélas !

-Nitaomany ny vondron'olona handromba, hamaky, handoro, hanimba sns

Firy ny isan'ny olona namohy ny ainy t@ zany ? may kila , voahitsakitsaka

Moa ve nanao fihetsika izy oe ndao ho entina eny mahamasina ireo fatin'olona ireo na oe ho entina eny @ place du 13 Mai ??? nonnnn !!! satria nahoana ????

satria fantany tsara fa azy ny fahadisoana nitarika an'ireo olona handromba sy hamaky ireo saingy tsy ankiteniteny io aaaa!


http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m4990918445599
6. Noue ( 10/02/2009 14:55)
mampalahelo fotsiny dia ireo olona namohy ny ainy noho ity fitadiavan-tseza
7. andrywui ( 10/02/2009 15:01)
AZA BE FAMADIBADIKA RESAKA FA TOKANA NY MARINA: RAVALO MPAMONO OLONA ARY ZAY MBOLA MANOHANA NY FAMONOANY OLONA DE MPAMONO OLONA TOA AZY IHANY KOA !! ARY HO EO AMBONY LOHANY SY NY TARANANAY MANDRAKIZAY NY RA SY NY AINIREO OLONA ZAY NOVONOINY IREO
8. molota ( 10/02/2009 15:14)
AZA BE FAMADIBADIKA RESAKA FA TOKANA NY MARINA/"TGVendrana "MPAMONO OLONA ZAY MBOLA MANOHANA NY FAMONOANY OLONA DE MPAMONO OLONA TOA AZY IHANY KOA!! ARY HO EO AMBONY LOHANY SY NY TARANANAN'IREO MANDRAKIZAY NY RA SY NY AINIREI OLONA ZAY NOVONOINY IREO
9. andrywui ( 10/02/2009 15:18)
Aza arahanlah ny phrase ko ry le babakoto vendrana be ty a!! maninnn elah tsy mitady fika any fa za no ataonlah soavaly eo !! zay no tena maha tahadray anlah :: Be didy jadona ,Mandidy de homana ,Mpamono olona ,be taimbava ,miteniteny foana ze hitsiny any ,.......
10. molota ( 10/02/2009 15:34)
AZA BE FAMADIBADIKA RESAKA FA TOKANA NY MARINA/"TGVendrana "MPAMONO OLONA ZAY MBOLA MANOHANA NY FAMONOANY OLONA DE MPAMONO OLONA TOA AZY IHANY KOA!! ARY HO EO AMBONY LOHANY SY NY TARANANAN'IREO MANDRAKIZAY NY RA SY NY AINIREI OLONA ZAY NOVONOINY IREO
11. rabingogilabanga ( 10/02/2009 15:35)
Sokajy telo no mahasamihafa azy ireo, miala tsiny fa ny teny vazaha no andikako azy:


1) NY may tamin'ny fandrobana dia HOMICIDE INVOLONTAIRE contre X. C'est un delit; car accident; 3 à 10 ans d'emprisonnement arakan'ny lalana misy ao @ ilay firenena

2)NY voatifitra HOMICIDE VOLONTAIRE.C'est un crime. satria volontaire; nefa tsy nomaninao(sans premeditation), fa fo sendaotra10 à 30 ans , arakarakin'ny firenena.


3)Ny voatifitra HOMICIDE VOLONTAIRE AVEC PREMEDITATION. encore pire. Grand crime izany. NY tifitra à bout portant, sy ny tifitra atao @ ireo izay mamonjy ny maratra. Perpete na Peine de mort no sazy eto


na izany na tsy izany, tokony homenkaja daholo ny razana t@ ireny rehetra ireny, satria na ny ireo maty may ny afo aza dia nohon'ny hanoanana no nahatonga azy ireo nandroba.

ary misy foana ny OPK, isakin'ny 10 taona, fa nahoana no may izay nanao fandrobana tami'ity indray mitoraka ity, nefa tsy nisy may izany taloha.



12. MANAKASINA ( 10/02/2009 16:12)
amiko raha tsy misy tolona sy grevy teto dia tsy nisy ny maty, na taminy fomba ahoana io na t@ fomba ahona, ny grevy no nahafaty ny malagasy, koa tompon'andraikitra @ izao zavamitranga izao ny mpitarika ny grevy
13. xxx ( 10/02/2009 16:17)
raha tsy misy ny greve fa niaritra foana teo ndray ianao ry gogole de na ny ho hanin'ny malagasy anio aza tadiavina rahapitso !! satri miha midina andro amanalina ny faripiainan'ny olona
14. soanja ( 10/02/2009 18:11)
klitika:

Maro ny olona maty noho ity hetsika ity. Saingy ireo maty noho ny haitrano, dia nodiana tsy tenenina, fa ny sary tety an-tsisiny no mba nilaza azy. Tsy nisy mpitomany tsy nisy hoe filaharana hanome voninahitra ny razana.

Fa raha voatifitra no nahafaty azy. Miala tsiny amin'ireo efa lasan-ko razana, zeziky ny tolona. Dia ireny no atao fitondra toa ny any palestina viraviraina hiantsoana an'itsy sy zaroa. Tadidiko ankizy iray no voatifitra dia olona 40 mahery no main'ny afo, saingy ilay iray voatifitra no nentina teny amin'ny 13 Mai

Dia izay no mahatonga manontany hoe
Nahoana ny fomba fahafatesana no misy lanja politika?


Eto no miasa ny teny antsoina hoe : HASINA

1- Ny hasina ananantsika olombelona tsirairay avy dia ny momba antsika, izay hitovizantsika amin'ny hafa rehetra tsy ankanavaka. Raha teraka ny zaza iray amin'ny Malagasy ohatra dia vita ny ala volon-jaza vao manan-kasina izy. Toy izany koa ny famorana sns... izay anisan'ny entina hampiakarana ny momba antsika hiala amin'ny mahabiby. Vita ny dingana iray ary tafiditra ho isan'ny mpiaramonina mavitrika ilay olona mandrapaha-lehibeny. Zany hoe manankasina isika rehetra satria notaizana sy notiavina ary nokolokoina raha amin'izao fotoana no resahina. Manantena ny rehetra fa mihaja ny zavatra ataonao na dia tsotra aza.

-Ao koa anefa ny hasina ambonimbony kokoa dia ny fihoarana amin'ny tontolon'ny mahazatra ary mampivoitra ny mahaizy anao eo anivon'ny fiaraha-monina miodina sy manome lanja ny asanao. Ireo no azo omena ny ray aman-dreny, ireo manan-kaja isan-karazany sy ny ireo nomem-boninahitra. Heverina fa hendry ireo olona ireo noho ny fahaizany mampita ny talentany amin'ny fiaraha-monina ka mampivoatra azy sy ny manodidina azy.

-Ny hasina manaraka kosa dia fanaovana vy very ny aina hanolotra ny soa ho an'ny tanindrazana. Io dia vitsy no mahavita an'io ary mijanona ho tantara ara-piarahamonina ny momba azy ary ankatoavin'ny taranaka ny ezaka nataony ary indrindra iriariavan'izy ireo amin'ny fotoana rehetra na dia efa lasana aza ilay olona. Anisan'izany i Martin Luther King Jr. ohatra. Ny ady navelany dia ny fahafahan'ny mitovy loko aminy heveriny fa olom-pirenena mahavita toy ny hafa loko aminy.

- ny Hasina fara-tampony, izay mbola arahina akaiky ny fijery azy dia ny fanaovana Andriamanitra ny olona iray na mampitovy sokajy aminy. Ka na avy amin'ny fiaraha-monina no azahoana an'io na avy amin'ny fanabeazana na avy amin'ny tsindry hazo lena mianjady noho ny tsy fidiny na avy amin'ilay olona mihitsy no manana hery manokana mahay mandray ireo izay malemilemy manoloana azy.

Rehefa maty eo amin'ny fiaraha-monina ianao na ho faty dia zahavo hoe aiza amin'ireo no ho sokajinao? Raha tsy ao anatin'ireo dia azo lazaina fa toy ny biby ny nahafatesanao ary any anaty rano na lavaka natambatambatra na afo mirehitra ny fahamenarana ny manodidina anao mikarakara izany razana izany.

Izay no maha-piaramonina antsika Malagasy antsika. Tsinjovina lalandava io farany io fa izay any ankoatra manko misitery amintsika aloha hatramin'izao.

Mahereza ary aza misosoka alahelo.


15. patrick2002 ( 11/02/2009 01:59)
tsy ny fahafatesana rehetra no misy lanja ara-politika ,fa ny fahafatesan'olona manohatra hvitra ara-politika ,satria zo fototra izany ary tsy misy foto-kevitra politka parfait ,fa misy tsininy aby ohatra ny comunista ny kapitalista ,tsy tokony hovonoinaihintsy ny lona iray na inona foto-kevitra politika na inona .
Izaho patrick2002 izaho dia manohitra ny fanangonan-karena hataony olona iray ,halatra izany amiko ,aoka tsy hisy ny monopole .Izay no hanohanako an'i Andry Rajoelina ,
Klitika kosa manohana ny fanangonan-karena hataony mpitondra ,fitadiavana madio izany aminao ,ary adala izay tsy hanao an'izany ,manohana an-ra8 ianao ,
izany akory tsy midika fa handeha isika sy ianao hifamono.
16. tovolahy007 ( 11/02/2009 03:56)
Ny ahy ry zareo de izao aa! SAMY TSY MISY ILANA AZY DOLY NA RAVALO NA RA ANDRY. Za tsy sure mitsy hoe refa i Andry no ho eo de tsy hameno ny paosiny ko izy ary ihevitra ny hoe aharitra eo ko. Io seza maha Prezida io anie ka seza otran'ny misy hery hafahafa e, tonga eo ilay olona 1 taona 2 taona de iny fa miova tsy toy ny nataony teo aloha. Na ny zavatra nilokalokany t@ vahoaka aza de iny fa adinony tanteraka. Ny tiko lazaina de ny eto Madagasikara, avo fipetraka be loatra io seza io, ke refa tonga eny de entiny vao maika miakatra ambony be de iny fa tsy mahita ny ambany maso. Olona efa mihidy betrondoha doly ireo nitondra teo, tsy nisy latsaky ny 50 taona, nefa te tsy nisy na ray azany nahafehy io seza io ka tena niasa ho an'ny Madagasikara. Dia ity ndray misy boay kely vao 34 taona, de i lery io ve de ahafehy tsara io seza io ihany ko? Toa tsy de manana ny tena heviny lery fa toa mihaino be fotsiny an'ireo soavaly reraka efa antitra ao andamosiny ao fotsiny. I Ratsiraka zao namono olona t@ 10 Aout de naninona izy zao, mbola niverina nirotsaka nofidiana ndray ary izy de mbola lany avy eo. Fitsenana nakotroka no nitsenana azy teny Ivato refa niverina avy any Frantsa izy, nefa nandatsaka RA MALAGASY. Ka hoy aho hoe,MBA MISAINA RE OLONA OO, FA ENAO HO FATY ANIE KA HERINANDRO FOTSINY NY AHALEOVAN'NY VAHOAKA ANAO SY NY OLONA NANIRAKA ANAO, FA RAHA VAO DILA IZAY HERINANDRO ZAY DE IZAY NY MOMBA ANAO E.
17. naughtyboy ( 11/02/2009 04:37)
voalaza
amiko raha tsy misy tolona sy grevy teto dia tsy nisy ny maty, na taminy fomba ahoana io na t@ fomba ahona, ny grevy no nahafaty ny malagasy, koa tompon'andraikitra @ izao zavamitranga izao ny mpitarika ny grevy

io ndray le fisainana marivo tototra kely fa miala any mitady hanoro vohana ny hafa toy ny jamba mifampitantana e ,henoy tsara fanazavana izay tsy mila ampina na analàna ,raha sanatria tsy mbola takatry ny toa anareo manamarina izao heloka be vava izao dia aza mandany andro hanabado ny tenanareo na ny hafa @ hevitra lomorina
- matoa nisy ny grevy dia nisy ny tsy rariny ary matoa nisy ny tsy rariny de nisy ny fanamparampahefana sy fangalarana harembahoaka sa tsy MAZAVA ko zany ? ?
-Iza no mitazona ny fahefana ka manapatra izany ? ? ?
-Iza no nanao ny tsy rariny ka nanosihosy ny zo sy ny satany vahoaka ,nanandevo azy ireo hampitombo ny fananany manokana ? ? ?
-Iza no nampanantena fa anatsara ny fiainany malagasy talohany nanomezana azy andraikitra hanompo ny vahoaka nefa fahantrana ary fanandevozana ny vahoaka ho eo ambany ziogany didy jadona no nasetry izany ary nanome baiko amonoana ireo sahy nitaky ny marina eo imasony izao tontolo izao toy ny biby ? ? ?
Olona 1 ihany tsy manantsaina na fanahy sy manaporofo ny mahabiby azy ary andevoziny vola fantatrao ,fantatro ,fantatsika ary izao tontolo izao ilay mpanao didy jadona le8


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0775