Aiza ny lavaka no dia izao no zava-misy?
1. soanja
(
10/02/2009 09:50)
Ny olantsika?
- Dia ny tsy fahampian'ny fianarana ambony ao Madagasikara momban'ny siansan'ny fiarahamonina sy ny politika hany ka zary mampiasa izay kely hay momban'izany teo am-pitiavana azy sy amin'ny fo mafana ny mpanao politika ary mifampianatra zavatra diso.
- Dia ny tsy fahampian'ny fampianarana ireo soa toavina amin'ny mahaolombelona, ny maha mpiray tanindrazana, ny maha olom-pirenena vanona hany ka zary betsaka ny mihevitra fa fiainam-biby no iasantsika rehetra ka izay lalany no lalany. Fitiavan-tena no manjaka.
-Dia ny tsy fahampian'ny fampianarana fa ny fanahy no mahaolona ka ny fifandraisan'ireo no isehoan'ny asan'Andriamanitra. Matoa mbola manjaka any amintsika ny herisetra dia tsy mbola voafehin'ny fiangonana ny fampitana izany fitiavana izany amin'ireo izay nandalo eto ambany fiadidiany.
Manantena anefa aho fa hisy izay Firaisana ao amin'ny Malagasy izay indray andro any. Saingy mbola mila mandalo sedra angamba isika vao hahalala fa mandringa ny fampianarana ao Dago.

novalian'i leboda ny 10/02/2009 11:28
2. xxx
(
10/02/2009 09:57)
soanja:

Tena d'accord @ teninao aho , fa ny tena olana dia maro loatra ny mahàntra atao ahoana no ahafahan ny olona iray izay ny anio tadiavina ny rahampitso tadiavina ho eny @ INSCAE ?
Ary misy koa eto ny atao hoe FUITE DES ELITES ,aleondry zareo miàla eto dia mankany @ firenen-kafa satria motivés kokoa noho ny eto :idea:
3. leboda
(
10/02/2009 11:28)
Mety marina ny voalazanao satria nakatona nandritry ny fotoana maharitra ny Departement Sociologie teny Ankatso.
Fa ny tena marina dia lay maha-malagasy no efa voakikin'ny otrik'aretin'ny fanjanahatsaina sy ny sarim-pandrosoana ety ivelany ka tsy afaka mitaiza ny isan-tokatrano hanana zanaka mahalala fomba sy afaka mifampihaino ary manana ny fahatahorana an'Andriamanitra.
Aiza ny lavaka ary ? Efa hantsana lalina be angamba no tena zavamisy.
Ny fanabeazana aloha mila averina ireo Soa toavina nireharehan'ny razantsika ireo fa mbola tsy lany andro mihitsy ary tsy mila mises a jour zany.
Ny fiangonana, ny mpitarika no marimarina kokoa mila mampifanraka ny fanabeazana ireo mpitondra ao aminy mba afaka maneho fitondratena maharesy lahatra satria izay modely tsara izay no tena LAVAKA BE nisy aloh ka ny RATSY no tahafina sy hobiana fa tsara.
Farany mila mijoro isika fa afaka maneho sy mahavita zavatra satria hatramin'izao mbola tsy nanala baraka isika malagasy raha miasa any ambadika any.