CARNAGE

1. zoulou ( 10/02/2009 04:57)
Ninonina filazan'iza na iza, carnage iny t@ sabotsy iny, mendrika helohina izay nanome baiko tamin'iny (ra8), tokony hanaja ny teny napetrany izy "hiala aho raha misy 200 milahatra mitaky ny fialako", firy izao ireo manao filaharam-be, mbola hiampy ny mpitatitra izay hanomboka higrevy koa. tsy hitondra ho aiza ny hambompo, izao tsy hita oe ahoana? filohampirenena nefa tsy sahy mivoa-drindrina, ny minisitra tsy mamonjy birao ary ny misy sasany mba mamonjy aza dia miafinkafina, de mbola sahy hiteny ve hoe mbola mari-pototra ny fitondrany. asa re!
novalian'i evev ny 11/02/2009 05:51
2. nathie86 ( 10/02/2009 05:37)
zoulou:

Ninonina filazan'iza na iza, carnage iny t@ sabotsy iny, mendrika helohina izay nanome baiko tamin'iny


Ny mahagaga ahy d rehefa mande ny resaka etsy sy eroa d tô manameloka ireo olona mitaky ny fiovana ny ankamaroan'ny olona, tô zary manoaka vava mintsy ary hoe "adalany ny te ho eny ka aleo ho faty any daolo", fa d nahoana lôtra re no nihevitra ny olona ôtran'ny mpangalatra ireto miaramila eh, tsy misy fifampilazana akory fa tonga d rafale, zany v no oe mila mandroso ny firenena.
Mahonena ny zvt ôtr'reny ka asakasak'izay mbola hiainoaino iany fa tsy hanamafy sy hanamafy ny fony iany.



3. evev ( 10/02/2009 06:22)
Izao no izy ry vahoaka Malagasy,

Moa ve tsaroanareo tsara ny zava-nisy t@ 2002? Namono tena ny vahoaka mba hitondran'Ingahy Ra8, iza moa no nesorina teo tamin'ireny fotoana ireny? Ary iza indray izao no tadiavinareo averina eo amin'izao fotoana izao? Moa va tsy ireo namonoana tena t@ 2002 ihany no mbola tadiavina averina indray ankehitriny? Noho izany herim-po verimaina izany ny tolona nataon'ny vahoaka tamin'ireny.
Manaraka izany, ampahafirin'ny Malagasy moa ireo mitetiky ny hanao coup d'état ireo? Dia ahoana ary ny zon'ny mpifidy ambiny?
Tadidio fa mbola ny ampahany amin'ny mponiny Antananarivo fotsiny anie ireo fa tsy Malagasy iray manontolo akory e! Raisiko ohatra fotsiny t@ fifidianana Maire t@ taona lasa, 140.000 voix no azon'i Andry Rajoelina kanefa ireo mpitolona ankehitriny eo @ manodidina ny 20, 30, 40.000 personne eo raha betsaka aza izany dia aiza daholo izany ireo 100.000 personne ambiny nifidy azy ireo no tsy mba milatsaka koa e! tadidio fa samy manana ny heviny ny olona rehetra fa tsy terena fotsiny akory hanaraka ny hevitry ny olom-bitsy.
Amiko tsy ny tolona hanonga-panjakana foana no vahaolana eto amin'ny tany sy ny firenenana fa mino aho fa misy vahaolana hafa kokoa noho izany.
Raha mba tolona hidina handalam-be fotsiny anie tsy haninona e! fa naninona no nasiana hoe robao ny fananany? Izay no premiere marche natao, izany ve no tena atao hoe démocratie? Ny Malagasy anie mosary e! saingy tsy ho voafehin'ny Malagasy ankehitriny mihitsy izany hoe handroba ny Magro sy Tiko ka tsy handroba izay azo robaina rehetra. Izao mizaka ny vokany na ny olo-tsotra aza.
Ianareo io moa mihevitra fa raha miala Ra8 dia izay mitondra manaraka eo ahafa-po tanteraka ny Malagasy? Noho izany rehefa tsy hain'ny Malagasy intsony no miaina ao anatin'ny fiainana milamina tsy misy disadisa dia ho toy izao foana izany Ramalagasy, aza manantena fiainana mandroso izany fa vao maika aza mihemotra rehefa tsy mahay mionona amin'izay kely ananana.
Ny ahy manokana izao no tadidiaviko dia maniry raha maniry mihitsy aho no hialan-dRa8 ampahendrena eo amin'ny fitondrana mba hijerena izay manaraka namonoana tena io indray fa ohatran'ny hitako Ramalagasy hitolona indray afaka 2 taona hoe "AVERENO ILAY RAIKA LAHY TALOHA E"
Mampalahelo ny toe-tsaitsika Malagasy fa tsy mba mandinika ny ampitso sy rahafakapitso fa ny androany ihany no hitan'ny maso. Izany ve dia manantena fandrosoana?
4. volatsara ( 10/02/2009 08:11)
dradradraina hoe tsy maintay heloina ny tompon'andrikitra tamin'iny, iza ary io?
- ny nitondra ny olona teny Ambohotsorohitra na dia efa mahafantatra aza fa hitifitra, hiaro ny lapa ny miaramila, ny fahitanay azy dia sahala @ omby hoentina eny @ abatoire ny olon'ny 13 mai, nankaiza ilay mpitondra sy ilay mpanentana? FANTANY fa hisy io vonoan'olona io dia lasa izy nilefa, tsy hita fa ny hariva vao mitatatata à radio sy telé, dia manao ranomaso manetsikeloka.
AZA ANAOVANA CINEMA ZAHAY RAJOELINA ANDRY fa efa fantatray ny ao aoriana ao.
Ny olon'ny 13 mai no mampalaahelo! hanadinana anao ny ran'ireo.
- ny nametrahana ny fitondrana ankehitriny dia tsy maintsy mampihatra ary miaro ny lalam-panorenana.
5. andrywui ( 10/02/2009 09:21)
ny fihetseha andalambe sy fitakian vahoaka hialan'ny mpitondra de misy erantany fa ny famonoana olona genocide kosa tsy misy zany fa rano amin pompier alou apres balle a blanc ,zay vao tokony hitifitra (amin'ny tongotra anefa) izay no lalànan'ny fandravana gréve fa tsy misy famonoanolona direct toy izao mihitsy
6. ari.malala ( 10/02/2009 10:43)
volatsara:

dradradraina hoe tsy maintay heloina ny tompon'andrikitra tamin'iny, iza ary io?
- ny nitondra ny olona teny Ambohotsorohitra na dia efa mahafantatra aza fa hitifitra, hiaro ny lapa ny miaramila, ny fahitanay azy dia sahala @ omby hoentina eny @ abatoire ny olon'ny 13 mai, nankaiza ilay mpitondra sy ilay mpanentana? FANTANY fa hisy io vonoan'olona io dia lasa izy nilefa, tsy hita fa ny hariva vao mitatatata à radio sy telé, dia manao ranomaso manetsikeloka.
AZA ANAOVANA CINEMA ZAHAY RAJOELINA ANDRY fa efa fantatray ny ao aoriana ao.
Ny olon'ny 13 mai no mampalaahelo! hanadinana anao ny ran'ireo.
- ny nametrahana ny fitondrana ankehitriny dia tsy maintsy mampihatra ary miaro ny lalam-panorenana.




Fa hono hoa ry volatsara, trano ve no amonoana olona? ny mpangalatra az anie mbola omena sommation e! fa t@ iny anie ka tsy nisy sommation e! ary ireo olona ireo efa nitsoaka fa mbola notanarahana iany! notifirina tsy nananana antra! @ zay olona efa ts any ambohitsorohitra tsony mbola tifirina iany... président mampitifitra ny mpiray rà aminy sy mpiray tanindrazana aminy izany efa ts président intsony izany! Mba malagasy iany ve de hampitifitra Malagasy? izy nanome ny didy hitifitra aloha azy iny, fa ireo nitifitra no tena tsy misaina amiko! na asainy minana maloto aza ve zany sanatria d hinana satria izay no baiko, izay no didy???
7. volatsara ( 10/02/2009 13:11)
ho anao ari.malala

Ny vahoaka avy @ alalana ny fifidianana sy ny fenianana nataony no manery azy (ny filoha) hiaro ny constitution, na iza no eo na iza ka manao ny asany ara-dalàna. Raha tsy nanao an'iny moa izy dia inona no fiavahan'ny @ mpanao fanjakan'ny baroa tsy misy lalàna fa izay mahangona olona 40 na 80 mille personnes dia mitomany handrombaka ny fitondràna. Aiza mijery izao tontolo izao fa samy manana ny cas spécifique ny firenenana tsirairaiy avy. Mbola hamihisiko foana ny hevotro fa toy ny omby ny heveran'ny sasany ny olona manaraka azy ka ho vonoina eny @ abbatoir.
8. evev ( 11/02/2009 05:51)
Izao koa anie no tsy azoko amitsika vahoaka e! ireny nisy ny fandrobana, tsy nihetsika ny fitondrampanjakana fa nanao bras croisé satria hoe aleo dégat materiel toy izay faty olona, mimenomenona ny olona hoe fa nahoana aza ny fitondrana no tsy mba nandray ny andraikiny tamin'ireny fa nitaza-potsiny? tonga ndray ny fandrobana ny teny Ambohitsorihitra izay tsy amin'ny ara-dalana no fangalana azy fa herimboatay fotsiny, iaraha-mahalala fa lapa-panjakana io ka tsy maintsy harovana, na zaza tsy nianatra aza ve tsy ahalala an'izany, nandray fepetra ny fitondram-panjakana ary efa nampitandrina mialoha, lazaina indray fa hoe mpamono olona, ka inona ihany no tadiavinareo e! fa ny zavatra rehefa fotsy ka terena ho maintsy dia lazaina fa mainty foana.
Amiko raha ny manara-dalana dia manao fitsapa-kevi-bahoaka hoe ENY sa TSIA fa tsy tonga dia manao izay danin'ny kibo fotsiny hoe izaho izao no mpitondra fa andeha hametraka ny praiministra sy ny gouvernemantako aho, aiza ko no hisy an'izany? Tsy izany ve no tena atao hoe dictature? Fa iza no nifidy anao ho tonga eo amin'io toerana io? Ireo olona 20 000 ireo ve? de aiza daholo ny vahoaka malagasy manerana ny Nosy? Na province iray aza tsy nodiavin'ny tongotrao ve de ianao milaza fa anao ny Fanjakana. Mampihomehy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3554