Madagasikara Kristiana.

1. Picsou ( 09/02/2009 10:20)
Firenena Kristiana ve Madagasikara? Raha izany ary nahoana no toa sahy mifamono? Raha izany koa nahoana no tsy mahay mifandamina? Ny mpanohitra ve no ratsy sa ny mpitondra? sa kosa ireo mpitsoka afo manodidina azy ireo? serasera ity ilaina ny hevitrao satria ianao io mihintsy no manana ny hevitra tsara ho an'i Madagasikara
novalian'i xxx ny 09/02/2009 13:35
2. marozevo ( 09/02/2009 10:31)
Raha mamaly eto tsy hoe "manana hevitra tsara ho an'i Madagasikara" araka io lazainao io.... Raha manana aho efa nirotsaka depioté. Fokontany aza tsy zakako... aleoko mianona mivarotra anana etsy Isotry ihany aloha...
Saingy amiko tsy dia ankinina amin'ny hoe kristianina na mpivavaka izao zava-misy izao. Sady tsy eto rahateo no sehatr'io fa atsy ambadika atsy. Ny fijeriko dia tsotra : Liam-pahefana - liam-bola -liam-boninahitra ry zareo, nefa tsy afa-miakatra dia mitady tohatra.... hiakarana.... dia isika mpivarotra anana sy mpivarotra hena baolina ary mpivaro-mandeha no ampiasainy amin'izany. Avy eo hoy ianao.... tohizinao ny maha mpivarotra anana anao, fa tsisy miova izany eo.
3. Picsou ( 09/02/2009 10:47)
Izany maha Kristiana izany mantsy no resahina etsy sy eroa, ny tena koa moa tsy afenina fa kristiana koa.
4. ravatorano ( 09/02/2009 10:57)
minoa fotsiny ihany !
:wink:
5. marozevo ( 09/02/2009 11:01)
Ny tena koa kristianina, sady katolika... raha ankinina amin'izany ve tsy dia hoy aho hoe "ianao ry TGV no tena izy, satria Katolika". Fa ny ahy tsy ankiniko amin'izany mihitsy... Izy no manao fitaovana ny fivavahana sy ny finoana hiakarana... asa anefa raha ho tafakatra... Raha tena tadiavina ny responsabilité amin'iny tam sabotsy iny, dia "perpétuel i TGV; Ravalo; Dollin; Monja; Pierrot; Rossy....
6. penguin ( 09/02/2009 11:04)
Ny hain'ny Malagasy dia ny manimba ny teny hita any anaty baiboly na soratra nosoratan'olo-malaza. Raisiny ary ampiasainy ilay teny ary tsy tafavoakany dia ilay teny na soratr'olona no lazaina tsisy dikany fa tsy ny tsy fahaizan'ireo mampiasa ilay teny no jerena. Tsisy teny noforon-dRa8 fa raha misy olana izy na ny tariny dia ilay teny no voatsiratsira ka izay no averin-dravatorano hoe: minoa fotsiny ihany !
7. ndenn ( 09/02/2009 11:12)
Mahavalalanina ny hevitry ny be sy ny maro picsou ,tsisy setroka tsy misy afo ,hoy ny fitenenana ,ary inoako fa misy fotony izao zavatra nitranga izao fa tsy tongatonga ho azy fotsiny .Ny vahaolana dia ny mijery hatramin' ny fotony ny anton-javatra ,hanitsiana ny tsy nety ary hanamboarana ny simba .Tsy misy olona tonga lafatra eto antany ,ary tsy misy rafim-piaraha-monina tsy ahitana olana .Maro ny làlana azon'ny olona aleha ao @ fiainana ka samy afaka misafidy ny rehetra , dia anjaranao ny lahatra mifandray @ izany !
8. tsiafoi1 ( 09/02/2009 11:18)
Firenena Kristiana ve Madagasikara? Raha izany ary nahoana no toa sahy mifamono?


Raha tena kristiana marina ny malagasy, de tsy ho nisy akory ireny toe-javatra ireny....., fa ho mora alamina sy manara-dàlana.... Mazava be manko ny voasoratra ao @'iny Baiboly entintsika isan'alahady sy ataontsika eo ambony bibliothèque ao an-trano iny :

Romains 13 : 1
Que toute personne soit soumise aux autorités supérieures; car il n'y a point d'autorité qui ne vienne de Dieu, et les autorités qui existent ont été instituées de Dieu.

Romains 13 : 2
C'est pourquoi celui qui s'oppose à l'autorité résiste à l'ordre que Dieu a établi, et ceux qui résistent attireront une condamnation sur eux-mêmes

1 Jean 3 : 4
Quiconque pèche transgresse la loi, et le péché est la transgression de la loi.

Romains 6 : 23
Car le salaire du péché, c'est la mort

Azontsika natao tsara ny niandry fifidianana 2012, de nifidy malalaka toy ny t@'ny élection maire teto Tana ireny.... Fa ireny ny vokany rehefa tsy tan-dàlana.
9. mmmhh ( 09/02/2009 11:22)
- Mety ho nisy ve ny ra latsaka rah tsy nisy niakatra teny Ambohitsirohitra ny olona?

- Mety ho nisy ve ny ra latsaka rah tsy nanome baiko hitifitra ireny olona ireny ny filoha?

Na ny andaniny na ny ankilany samy tsy misy mendrika eo @ fomba kristianina,
iza moa no tsy mahalala ny fanindrahindran'ny mpitondra ny maha-kristianina azy nefa mampamono olona ny ataony? fomba kristianina ve izany?
ary ny iray entin'ny fitiavan-tsezany dia nandrisika ireto vahoaka ho eny @ lapan'Ambohitsirohitra izay fantatra fa Zone rouge,
10. xxx ( 09/02/2009 11:23)
reto mpitory tena reto no tena pire nohon'ny mpanao politika! mpanodina saimbahoaka!! any @ forum fivavahana hoy aho no tokony misy anao fa tsy mifanaraka ny politika sy ny fivavahana
11. ndenn ( 09/02/2009 11:32)
mmmhh:

- Mety ho nisy ve ny ra latsaka rah tsy nisy niakatra teny Ambohitsirohitra ny olona?

- Mety ho nisy ve ny ra latsaka rah tsy nanome baiko hitifitra ireny olona ireny ny filoha?

Na ny andaniny na ny ankilany samy tsy misy mendrika eo @ fomba kristianina,
iza moa no tsy mahalala ny fanindrahindran'ny mpitondra ny maha-kristianina azy nefa mampamono olona ny ataony? fomba kristianina ve izany?
ary ny iray entin'ny fitiavan-tsezany dia nandrisika ireto vahoaka ho eny @ lapan'Ambohitsirohitra izay fantatra fa Zone rouge,

Araka ny nahitako azy dia tsy nisy ny rà latsaka raha nijanona teo @ 13 Mai ,ary raha ny t@ baiko hitifitra dia ataoko fa anjaran'ny miaramila ny manefa ny adidy raisiny isan'andro @ maha-miaramila azy .

:?
12. xxx ( 09/02/2009 11:39)
Araka ny nahitako azy dia tsy nisy ny rà latsaka raha nijanona teo @ 13 Mai ,ary raha ny t@ baiko hitifitra dia ataoko fa anjaran'ny miaramila ny manefa ny adidy raisiny isan'andro @ maha-miaramila azy .

Marina fa ny miaramila tsy afaka manao action rah tsy misy ny baiko nomena azy, izay le atao hoe BAIKO MIARAMILA TSY MAINTSY TANTERAHINA, na tiany na tsy tiany rehefa baiko iny de tsy maintsy mananteraka no andraikiny fa ilay mpanome baiko no fosotra.
13. nyavo2000 ( 09/02/2009 11:55)
Ny rà latsaka tsy misy mankasitraka, kanefa tsarovy koa ny fiandrianam-pirenena,
dia tsy maintsy hamoizana ny aina raha ilaina.

Ny fanjakana amin'ny maha fanjakana azy no resahina eto ( conception de ce qu'on entend "ETAT") dia tsy maintsy tafiditra amin'izao toe-javatra izao na de tsy fidiny aza.

Mba eritrereto ange inona no hitranga raha tafiditra ny olona:

May ny lapa sady voaroba
Voaroba ny banque centrale
Ny minisitera ( efa voaroba rahateo)
Ireo hotely manodidina ( COLBERT, LOUVRE etc....)
Ny Banky manodidina, efa nisy GAB ( distributeur de bille)t vaky ary teo ivelan'ny ministère de finance.

Dia ny fiaindrianan'ny firenena malagasy mihintsy no voa, de ny TGV indray koa no mety hilaza hoe tsy mandray ny andraikiny ny fitondrana sns....

Zah manokana dia manomena rariny ny fiarovana ny hasim-pirenena, @ ny hoe "conception de l'état" dia ambony noho ny aina izany, oh hoe mahafoy ny ainao ianao, hanavotana ny tanindrazana izay misy manafika etc....

Ary eo no tsy maha foto-kevitra kristiana ny fanjakana ka maha fanjakana azy.

Averiko indray fa raha miteny izany aho tsy ho faly @ rà latsaka sanatria, fa ny marina ary lojika n-javatra hambara @'izany....

Hevero ho toy ny tokan-tranonao ambohitsorohitra, dia tamy ny mpanafika, ianao anefa afaka miaro tena, hitolo-batana ho faty ve ianao sa hiaro-tena ?

Raha maison blanche na Elysée no misy miditra ankeriny na tanam-polo aza, dia ahoana hoy SARKOZY na OBAMA: midira rahavako dia alaivo ao zay tianareo ary dory avy eo ? hainareo izay tokony nataony koa.

Omeko tsiny ny ahy ny mpaniraka izay mpilalao ny fahatsoran'ny vahoaka sy ny tsy de fahalalany zavatra....mampalahelo


14. tsiafoi1 ( 09/02/2009 11:57)
any @ forum fivavahana hoy aho no tokony misy anao fa tsy mifanaraka ny politika sy ny fivavahana


TSIA, @'ny toe-javatra mahavaka ny saina toy izao, de tsara ny manontany ny hevitr'Andriamanitra @'ny alalan'ny Teniny mba hahaizana mandray fanapaha-kevitra ny @'izay tokony atao.
15. xxx ( 09/02/2009 12:01)
[quote]@'ny toe-javatra mahavaka ny saina toy izao, de tsara ny manontany ny hevitr'Andriamanitra /quote]
EFA WE TELEPHONEO NA ANDEFASO EMAIL NA TARATASY IZY MBA HO AVY AO @ 13 MAI
16. rataxx ( 09/02/2009 12:54)
Na atsy na ny aroa dia kristiana avokoa ,nefa tsy tsara mihitsy ny maha kristiana no entina hanaronana ny ratsy atao .Ny any Ambanivohitra no azo rebirebena @ fivavahana fa tsy kristiana moderna aty @ ville .FFKM hanao mpanelanela hono mipetrà tsara dia mivavaha ho an'ny FIRENENA.Fa lasa asan- :evil: indray le izy
17. xxx ( 09/02/2009 13:35)
Ka io raharaham-pirenena fa tsisy hidirany amin'ny resa-pinoana mihitsy koa e!! Ny fanontaniana angamba dia tsy hoe "ny mpanohitra ve no ratsy sa ny mpitondra?" fa hoe "Izay nitondra olona teny ve no tompon'andraikitra sa ny miaro ny foto-drafitrasa mipetraka?" .
Rehefa tena nandinika sy namakafaka mantsy aho dia hitako fa ireny firongon'olona ireny raha navela niditra tao dia ny handroba sy hangalatra no nataony!!dia mbola tsy ampy ve ny magro , citic sns ireny???
Aoka koa izay ilay mampiasa tsy am-piheverana ny teny hoe vahoaka e!
Ny tena nahagaga koa dia hoe maninona no andian'olona efa nandalo lavage de cerveau teny amin'ny 13 mai no nalefa teny fa tsy nisy an'ireo mpitarika akory??? hummm , mampieritreritra a! D avy eo dia hoe deuil national androany ?? tssssss . Aleo ho faty any doly fa adalany ny azy , ny mpitarika azy efa nitsoaka mialoha dia ry tsy misy saina mbola mandeha mizest ihany .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0767