Ity firenena ity manaja ahy amin'ny molony fa ny fony kosa

1. pkm ( 09/02/2009 09:34)
« Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony; Fa ny fony kosa lavitra Ahy. » (Matio 15:8)

Izay no azo amintinana ny zava-misy ankehitriny.
Samy milaza ho mpivavaka, nefa mifamono, mampirisika hamono, mitarika olona any amin'ny fahafatesana, ary mamono tena.

Tokony ho andro fifonana no atao hibebahana amin'ny Ray, handravana ny asan'ny ratsy rehetra
novalian'i xxx ny 09/02/2009 13:35
2. xxx ( 09/02/2009 09:40)
Ka efa vita izy iny koa inona ndray fa isika rehetra na izaho na ianao ny mpitondra ny taritina dia samy tsy nihaino ny mpaminany fa raha mba nanao toa ny olona tao ninive mety tsy mba nisy ny toa iny ka aoka isika tsy hanao tsinontsinona ireny mpaminany ireny intsony a! de mirary fiononana ho an'ny manamanjoa ny tenanay
3. xxx ( 09/02/2009 09:42)
Tsy mbola mazava aminao ve ry PKM fa izany foto-pisainana izany no hanabeazana sy vohizin'ireo mpisorona ho an'ny kristiana Malagasy. Porofo mitohoka @ tenda izao zava-misy izao.
Fivavahana , kristy, jesosy ,jeovah nefa raffalle mitrailleuses no ao andamosinao. Mitandrema frera
4. xxx ( 09/02/2009 10:02)
aza asiana resaka fivavahana ity resaka politika ity eh,ny fivavahana izany resaka personnel izany hoan'ny tsi1,ary isika laika
5. xxx ( 09/02/2009 10:04)
aza adino fa ny source nisy ny ady dia ny fivavahana hatramin'izay io,jereo ny tantara
6. pkm ( 09/02/2009 13:06)
Tsy te hampiditra resaka fivavahana fa mampahatsiaro aho ny tokony hieritreretan"ny tsirairay sy handinihan-tena izao
7. xxx ( 09/02/2009 13:35)
Tsy hoe ianao no mampiditra fivavaha fa ilay fivavahana dia efa NAMPIDIRINA ary EFA TAFIDITRA AO ANATIN'NY POLITIKA MALAGASY.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.7608