Manaova sonia ny fitakiana fifanantonana

1. Fihavanana ( 09/02/2009 06:26)

AMPY IZAY NY HERISETRA SY NY RA LATSAKA!!!

Signez la pétition pour le dialogue

www.petitiononline.com/mada2009/petition.html
novalian'i LL52 ny 10/02/2009 13:36
2. Izy ( 09/02/2009 07:58)
Ny Malagasy iray manontolo dia mino ny fisian'i Zanahary (iZay Nahary na ilay Nahary) alohan'ny nahalalany an'Andriamanitra ilay Ray nahary izay ny Kristianisma no nahalalan'ny Malagasy azy, ny Malagasy dia milaza fa Masina i Madagasikara izany fahamasinana izay dia nohamafisina hatrany rehefa tonga ny fandravana ny jadona nisy teto Madagasikara, iza amintsika no tsy nandre an'ilay hira hoe Zanahary ô tahio ity nosinay ity... ireo mpitondra mba tahio... ary ny teny filamantra farany tsaroako dia Fahamasinana,Fahamarinana... ny mpitondra dia milaza fa Kristianina (alohan'ny maha mpanao politika azy dia Kristianina izy) izany hoe ny modeliny dia i Kristy raha tena modely ho azy marina i Kristy dia ataoko angamba fa fantany tsara ny tantaran'i Kristy fa ny mba tiako hisarihan ny sainy kely dia ity " Rehefa tonga hisambotra an'i Kristy ireo miaramila, fa tonga ny andro hanombohana azy eo amin'ny hazo fijaliana, raha vao nanantona an'i Kristy ny iray tamin'ireo miaramila dia namoaka ny sabatra ny iray tamin'ireo mpiaraka tamin'i Kristy ka nanala ny sofin'ilay miaramila, tsy nanaiky i Kristy fa ny nataony dia nadidy an'ilay mpiaraka aminy hametraka an'ilay sabatra ary nisafo ny sofin'ilay miaramila mba hitsabo an'ilay ratra" jereoa anie ny fahaizan'ilay mpiaraka tamin'i Kristy é raha tia ady i Kristy ataoko angamba fa tsy naharesy azy ireo miaramila fa i Kristy dia tsy tia ady noho izany raha milaza ho Kristianina marina isika Malagasy maninona no Tia mandatsaka ny ra ny mpiray tanindrazana amintsika, hamaly ahy ianareo hanao hoe zone rouge iny faritra nalehan'ny mpanohitra iny, marina izany ho an'ny mpanao politika fa tsarovy fa ny nahazaon'ny mpitondra ankehitriny ny fitondrana dia satria nobabony tamin'ny finoan'ny Malagasy an'Andriamanitra ny Malagasy ary ilay Andriamanitra hinoany dia ilay nandefa ny zanany lahy tokana tety ambonin'ny tany noho izany amiko raha tena modely marina ho an'ny mpitondra i Kristy dia tokony ataony antsakany sy andavany izay nataon'i Kristy.Mbola averiko fa raha tsy nanonona sy nampiasa ny finoana Kristianina ny mpitondra ankehitriny dia arandalana ny nataony ka na novonoiny daholo aza ireo nanitsaka ny faritra mena dia aradalana izany fa kosa satria milaza fa Kristianina ny mpitondra noho izany dia tokony nalainy tahaka sy nataony modely ny nataon'i Kristy dia ny tsy fitiavana mandantsan-dra.Hamaranako azy dia Masina ny Tanindrazoko ary aoka ho fantatrareo fa efa nahalala an'ilay Nahary sy nino ary natahotra azy alohan'ny nahatongavan'ny Kristianisma teto Madagasikara ny Malagasy noho izany dia Andriamanitra na ilay Nahary dia nitia an'i Madagasikara alohan'ny nitiavan'ny Malagasy an'Andriamanitra (Mba maro amintsika ve no mahalala fa ny fanorona tany roa ihany no misy azy eto an-tany dia any Israel sy eto Madagasikara, dia mba fantantsika ve fa i Hitler raha tanteraka ny nofiny dia ny Jiosy rehetra nalefany teto Madagasikara).Eto ampanoratana aho dia mandre fa nametrampihalana ny Ministre de la défense satria mifanohitra amin'ny Maha kristianina sy ny maha renimpianakaviana azy ny zavatra natao tamin'ny Asabotsy misaotra azy ny tenako ary mino aho fa Ny Ray ny Zanaka ary ny Fanahy masina anie homba anazy.Masina ny tanindrako ka izay manao ratsy eo tsy ho hafabela jereo ny nahazo ireo teo aloha rehetra ireo é.Dia hohintantsika anie ny hahazo an'ireto ankehitriny ireto é, ary ho an'ireo izay mbola ho avy Tandremo ary mba jereo sy alanino ny tantara.[Izy]
3. LL52 ( 10/02/2009 13:36)
Izy. @ maha masina ilay tanindrazana izay no tena mampifanjevo ny devoly ao aminy, tsy kely lalana io devoly fa miketrika ny hokorontaniny fôna, manjaka izy @zao ftôna.Samia mivavaka hiasan'ny FANAHY MASINA eto @ ity GASIKARA ity, @ zay ko mba mfanatona mifandamimina ry zalà reo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0784