Iza no tena mampalahelo???
21. tsiafoi1
(
09/02/2009 08:36)
Mendrika ho an-dRamatoa Minisitra ny fiarovana ny nametra-pialàna :
1-Tsy kanosa toy izany no tokony ho filohan'ny tafika
2-Raha hoe araka ny sitrapon'Andriamanitra.... Tsarovy fa raha namoaka ny zanak'Israely niala tao Egypte Andriamanitra, dia naniraka ny anjely mpandringana, mba handringana ny lahimatoa rehetra tao Egypte (Nisy aina latsaka t@'izany.....!!!, na ny Egyptiana aza ange de zava-boarin'Andriamanitra ihany koa e, saingy, rehefa manoloana ny plan'Andriamanitra de mandray fanapaha-kevita henjana toy izany Jehovah, ho fanafahana ny vahoakany...
Saro-pady ny fiandrianam-pirenena ka tsy azo anaovana akambo, ary tsy mila olona kanosa! MASINA NY TANINDRAZANA

22. bozyboleta
(
09/02/2009 08:40)
Izaho koa sahy hilaza fa tena Kristiana nefa averiko ihany "Izaho tsy nalahelo, tsy malahelo ary tsy halahelo" na oviana na oviana ny olona efa te-ho faty.
Tsy sorona ny ainy no nataon'ireny olona maty teo Ambohitsorohitra t@ sabotsy ireny fa fisangiana fahafatesana. Ka tojo izay niriny izy zay.
Izaho moa tsy tia ity manao ny fivavahana ho fitaovana politika sy entina hanamarinana ny ratsy atao ity. Fa @ zao tranga misy zao, ho anareo mpilalao fivavahana ireo, ahoana hoy ny fivavahanareo mikasika ny fisangiana fahafatesana ??

23. xxx
(
09/02/2009 08:42)
Tsiafoi1> Ny MALAGASY TSY ISRAELIANA ary i M/car TSY EGYPT ary izany tantara lazainao izany dia 3000 taona lasa fa ity dia tranga vao niseho omaly tetsy A/tsirohtra.
24. Rabl
(
09/02/2009 10:31)
Angamba kosa angamba ianareo miombon-kevitra amiko raha hilaza aho hoe ILAY JOURNALISTE-n'ny RTA maty teo amperin'asa no tena mampalahelo indrindra amin'zao tantara izao!
25. bozyboleta
(
09/02/2009 10:48)
Tsy mampalahelo.
Hitanao ve t@ tv ny fitenenana natao ho an'ireo mpanao gazety mba hikisaka akaikin'ny hotely Colbert. Efa fampitandremana daholo ireny, fa lay tovolahy 25 taona io moa izany mety ho nihevitra ny hanao scoop dia angamba niseho ho sahisahy na koa nanao be saina.
Na hoe nanao ny asany aza izy tokony ho fantany koa fa misy ny risk tokony tsy ho raisina. Firifiry ny mpanao gazety teny naninona no izy irery no taraiky?
Averiko ihany. Tsy nisy nampalahelo ahy mihitsy t@ iny.

26. xxx
(
09/02/2009 10:56)
N'inon'inona ny ho lazainareo dia meloka i Andry nitondra ireny olona ireny teny @ Zone rouge ary indrindraindrindra fa le Ra8 izay nampanme baiko ny hitiftra, mbola ho adinina ny @ ran'ireny olona ireny Ra8.
Tsy eto an-tany ihany ny fiainana, mety handresy izy eto an-tany, fa miandry antsika tsirairay ny fitsaran'Andriamanitra izay tsy ho voavidim-bola mintsy.
Ny vola be nao io eto an-tany ihany io miasa, Andriamanitra tsy ho voavidinao @ zany na oviana na oviana Ra8 o.

27. bozyboleta
(
09/02/2009 11:24)
Ho an'i xxx manao saron-tava.
Raharaha notadiavina iny ka akory zay.
1. Na ny filazana fotsiny aza fa "haka" ny lapan'Ambohitsorohitra, dia efa endrika fanafihana izay.
2. Nolazaina ihany koa fa atolotry ny tananan'Antananarivo ny fanjakana vao naorina ty lapa ty satria fananany hono. Taiza anefa reo tompon'andraikitry ny tananan'Antananarivo ary taiza ihany koa le filoham-panjakana tokony ho nanolorana azy? Samy tsy nisy teny! Eny fa na dia nandritra ny dinika nialoha nifanaovana t@ tompon'andraikitra tao @ lapa aza, tsy teo ireo olona ireo fa olona hafa mihitsy no nalefa teny. Midika inona koa izany?
3. Dradraina fa tanampolo no nentin'ireo olona ireo nefa fitaovam-piadiana no nasetry azy. Iza no sahy hanamarina izany fa tanampolo no nentin'ireo? Nefa rehefa niala teo dia nisy ny fiara narehitra.
Olona maimbo rà ary nikendry zavatra hafa mihitsy reo tonga teo reo fa tsy hoe hiditra ny lapa fotsiny. Ary rariny raha voatifitra satria nandray ny andraikiny ary nanao ny asany ny mpiambina.

28. xxx
(
09/02/2009 11:34)
Samy hijinja ny nafafiny daholo e, na izaho na ianao,
Ny atody tsy misy fa ny akoho no mikotrika.
Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina.

29. Izy
(
09/02/2009 11:49)
bozyboleta:
Ho an'i xxx manao saron-tava.
Raharaha notadiavina iny ka akory zay.
1. Na ny filazana fotsiny aza fa "haka" ny lapan'Ambohitsorohitra, dia efa endrika fanafihana izay.
2. Nolazaina ihany koa fa atolotry ny tananan'Antananarivo ny fanjakana vao naorina ty lapa ty satria fananany hono. Taiza anefa reo tompon'andraikitry ny tananan'Antananarivo ary taiza ihany koa le filoham-panjakana tokony ho nanolorana azy? Samy tsy nisy teny! Eny fa na dia nandritra ny dinika nialoha nifanaovana t@ tompon'andraikitra tao @ lapa aza, tsy teo ireo olona ireo fa olona hafa mihitsy no nalefa teny. Midika inona koa izany?
3. Dradraina fa tanampolo no nentin'ireo olona ireo nefa fitaovam-piadiana no nasetry azy. Iza no sahy hanamarina izany fa tanampolo no nentin'ireo? Nefa rehefa niala teo dia nisy ny fiara narehitra.
Olona maimbo rà ary nikendry zavatra hafa mihitsy reo tonga teo reo fa tsy hoe hiditra ny lapa fotsiny. Ary rariny raha voatifitra satria nandray ny andraikiny ary nanao ny asany ny mpiambina.
Bozyboleta a! Mbola tsy ampy ve ny mahazo an'i Ratsiraka vokatrin'ny nataony, za anefa tsy nahatsiaro hoe mpitondra fiangonana i Ratsiraka (Raha nahita an'ilay video an' Didier Ratsiraka ianao dia nandre izao teny izao " mafy anie izany hoe tsy afaka manatrika ny fandevana ny mpiray tampo izany" hitanao ary fa eto an-tany ihany ny valin'ny fijaliana, mbola averiko fa amin'ny maha mpanao politika ny mpitondra dia aradalana ny fitifirana ny mahagaga ahy dia inn no hisalasalany tsy tonga dia vonoiny daholo ireo olona eo amin'ny 13 mai ireo dia vita ny tantara, fa ny mampalahelo dia ny mpitondra milaza fa Kristianina mino an'Andriamanitra dia izay no mahatonga ahy miteny hoe "ataovy ary izay nataon'i Kristy é" izaho manokana dia tsy niresaka izay nataoin'i Moïse fa ny nataon'i Kristy ka ny lazaiko an'i Bozyleta dia tsotra "aza manao an'Andriamanitra tsy misy" fa ianao manoratra sy mamaky an'ity hafatra ity izao dia efa fantatr'Andriamanitra ny ao an-tsainao ka aza manahy ianao fa tsy maintsy hivaly aminao izay ataonao satria ny tody tsy misy fa ny atao no miverina ary tsarovy fa kely lavitra ny mpitondra malagasy raha alahatra amin'i Hitler fa ahoana ny nihafarany, ho an'i Andry Tandremo leroa fa nisy ra nilatsaka ny zavatra natao ianareo no mpitarika ka tsarovy fa hotsaraina amin'ny ataonareo ianareo jereo ity azeranareo ity é, 46% no azony tamin'ny fifidiana dia nitarika vahoaka hakana fitondrana dia nihiniana tamin'ny Baiboly teo Imahamasina dia jereo izao ny mahazo azy, Bozyleta a ny zavatra mba tiako marihina kely dia aza manahy ianao fa tsy maintsy hivaly aminao izay ataonao.Masina ny Tanindrazako ka izay manao ratsy aminy sy ny olony dia tsy ho afabela ary Madagasikara sy ny Malagasy dia efa tin'Andriamanitra alohan'ny nitiavan'ny Malagasy an'Andriamanitra.Marina fa hanjakan'ny devoly ny fireneko kanefa moa efa nilaza i Kristy fa tsy olon'izao tontolo izao ianareo ko ho an'i Bozyleta aza manahy fa jereo daholo ny nahazo an'izay nanao ratsy tamin'i firenena io fa rehefa tsy nivaly taminy dia jereo ny nahazo ny taranany (Jereo ny nahazo an'ilay be molotra sady malama vava fa saika maty anie ny zanany satria nisy nanampoizina dia jereo tsara antitra tsara satria amin'izay mahita ny fijaliana ho valin'ny natao ka ny fo dia efa mandeha pile)
30. bozyboleta
(
09/02/2009 12:35)
Bozyboleta a! Mbola tsy ampy ve ny mahazo an'i Ratsiraka vokatrin'ny nataony, za anefa tsy nahatsiaro hoe mpitondra fiangonana i Ratsiraka (Raha nahita an'ilay video an' Didier Ratsiraka ianao dia nandre izao teny izao " mafy anie izany hoe tsy afaka manatrika ny fandevana ny mpiray tampo izany" hitanao ary fa eto an-tany ihany ny valin'ny fijaliana
Ny tahotry ny fitsarana noho ny nataony no nandosirany tany lavitra tany f'angaha noterena. Dia hoe mampalahelo ve? SANATRIA
mbola averiko fa amin'ny maha mpanao politika ny mpitondra dia aradalana ny fitifirana ny mahagaga ahy dia inn no hisalasalany tsy tonga dia vonoiny daholo ireo olona eo amin'ny 13 mai ireo dia vita ny tantara
Mba mahaiza mandalina e! mahalala ny asany ny miaramila, zandary sy polisy ka haninn izy no hitifitra olona eny @ 13 mai. Angaha izy ty toy ny t@ andron-dratsiraka ka hanao dika mitovy ny t@ janvier 2002 teny @ 13mai.
fa ny mampalahelo dia ny mpitondra milaza fa Kristianina mino an'Andriamanitra dia izay no mahatonga ahy miteny hoe "ataovy ary izay nataon'i Kristy é" izaho manokana dia tsy niresaka izay nataoin'i Moïse fa ny nataon'i Kristy
Mbola mahaiza mandalina ihany koa! Aza lalaovina ny fivavahana entina hanamarinana na hitsipahana ny zava-misy.
Na dia tsy tiako aza moa ny miresaka fivavahana @ politika dia hovaliako ihany ity.
1. raha kristiana tsy hitarika na hanosika ny olona hovonoina.
2. na kristiana koa aza aho tsy hiandry ny bibidia sy liona mierona hamely ahy satria hoe "tsy sitrak'i Kristy" fa tsy maintsy miady sy miaro tena koa aho. Diso ve aho eo anatrehan'i Kristy? Izaho ihany no hamaly hoe TSIA
lazaiko an'i Bozyleta dia tsotra "aza manao an'Andriamanitra tsy misy" fa ianao manoratra sy mamaky an'ity hafatra ity izao dia efa fantatr'Andriamanitra ny ao an-tsainao ka aza manahy ianao fa tsy maintsy hivaly aminao izay ataonao satria ny tody tsy misy fa ny atao no miverina
....
Bozyleta a ny zavatra mba tiako marihina kely dia aza manahy ianao fa tsy maintsy hivaly aminao izay ataonao
Eny fantany ny ato an-tsaiko ary hovaliany @ nataoko tokoa aho. Ny maro ange matetika lasa fiantsoana tody ty valin'ny natao ty e, dia mody asiana resaka Andriamanitra. Na tsy mpivavaka aza mahalala hoe rehefa ratsy no natao dia ratsy ny vokany. Rehefa tsara kosa dia tsara koa ny vokany.
Ka nanao ratsy ve izaho? Izaho ihany no hamaly hoe TSIA :lol:
31. heidi
(
09/02/2009 13:01)
3. Mpandefa : ARINOFY [ Valio ] 09-02-2009 07:31:01
Lohateny : Re : Iza no tena mampalahelo???
Za ndray aloha de tsy miombon-kevitra aminareo e.Ny vahoaka tsy mandady harona ane ka tsy mahalala hoe atao fitaovana izy ireo.Ireo nandrisika azy tsy nisy maty na naratra akory.Ireo mpitarika olona eo @ 13 mai ireo mihitsy no mpamono olona satria raha vao nahita ny olona oe nisy voatifitra de hitombo isa ny mpankahala ny mpitondra,nefa izy ireo mahalala tsara fa zone rouge io toerana itondrany vahoaka io,en plus toerana teritery.Ny aim-bahoaka izany no ataon'izy ireo sorona
ka tsy hoe film vao hoita na vaovao ity izy ka dia hoe tsy hahatsapa ny zavatra mety hitranga raha hananika ny lapa ko! resabe fotsiny izany
efa htrizay fa misy foana ny rà mandrika na di ataoko aza hoe tsy nisy ny fitifirana fa raha vao anatin'ny korotana sy ny tangoron'olona dia tsy maitsy misy ny danzé! ny fahendrena sdia tsy nandeha teny ninona etahetanao ninona hasorenanao am lay ravalondozatra.....
IZAHO MANAO FOANA hoe ireo mody lazaina fa vahoaka natao sorona ireo dia nanana tanjona ihany koa toy ny efa nataony tam 26 janvier teo, izany hoe ny hanararaotra ny situation de handroba avy eo!
soa fa nisy ny fitifirana dia rava toy ny tsy teo ny tetika nokobonina
32. heidi
(
09/02/2009 13:03)
14. Mpandefa : xxx [ Valio ] 09-02-2009 08:38:31
Lohateny : Re : Iza no tena mampalahelo???
mitohy ny tolona! tsy maintsy miala RA8
izay no fanirina fa mba hajao ny lalàna sy ny filaminana
33. madamakely
(
09/02/2009 13:06)
bozyboleta:
Tsy mampalahelo.
Hitanao ve t@ tv ny fitenenana natao ho an'ireo mpanao gazety mba hikisaka akaikin'ny hotely Colbert. Efa fampitandremana daholo ireny, fa lay tovolahy 25 taona io moa izany mety ho nihevitra ny hanao scoop dia angamba niseho ho sahisahy na koa nanao be saina.
Na hoe nanao ny asany aza izy tokony ho fantany koa fa misy ny risk tokony tsy ho raisina. Firifiry ny mpanao gazety teny naninona no izy irery no taraiky?
Averiko ihany. Tsy nisy nampalahelo ahy mihitsy t@ iny.
Antenaiko fa vehivavy enao ry Bozy an! Nefa raha vevavy enao dia ohatra tsy mandarà mitsy raha ohatra ampitahaina amin'i Manorohanta izay filohan'ny Tafika Malagasy teo aloha. Izy vehivavy dia tsy zakany ireny, fa enao???? Mamono conscience mitsy na dia mitabataba aminao aza io fa diso ra8; de ze contre an-dra8 rehetra dia faha8nao daholo, na dia ny mpanao gazety maty am-perinasa mety tsy momba ny atsy na ny aroa aza? Mihevera tena fa efa misy ange ny atao hoe "heloka iombonana" e!
34. bozyboleta
(
09/02/2009 13:28)
madamakely a!
1.Izaho tokoa vehivavy. Tsy midika inona aloha izany. Sa maninona raha hoe vehivavy dia maninona raha lehilahy??? 8O
2.Raha tsy zakan'i ministra taloha ireny "satria izy vehivavy" araka ny lazainao, tsy tokony ho naka an'io toerana io izy zany.
3.Fa maninona izaho no hoe mamono eritreritra? Satria ve izaho tsy nalahelo :wink:
4.Taiza ho aiza ary iza avy t@ le nolazaiko ireo no nisy hoe fahavaloko? Satria ve izaho tsy nalahelo :wink:
5.Misy ve ny heloka iombonana? Ity ary valio: raha halefanao hilalao eny amoron'ny rano-mody ny zanakao nefa efa hainao ny loza mety hitranga fa mety ho lasan'ny rano ny zanakao, ary dia izay tokoa no nitranga. Iza no meloka? Ianao sa ilay rano-mody sa nareo 2 miaraka (satria le rano-mody tsy nahalala fa zaza tsy misaina anie io?) :?: :?:
Valio azafady.

35. Izy
(
09/02/2009 17:22)
Hoy i Bozileta :Eny fantany ny ato an-tsaiko ary hovaliany @ nataoko tokoa aho. Ny maro ange matetika lasa fiantsoana tody ty valin'ny natao ty e, dia mody asiana resaka Andriamanitra. Na tsy mpivavaka aza mahalala hoe rehefa ratsy no natao dia ratsy ny vokany. Rehefa tsara kosa dia tsara koa ny vokany.
Ka nanao ratsy ve izaho? Izaho ihany no hamaly hoe TSIA
Ny fiantsona tody dia zavapoana raha tena mino an'Andriamanitra satria efa voalazan'i Kristy fa Andriamanitra dia mandrotsaka orana eny amin'izay tiany handrotsahana ny orana noho izany dia tsy hisy vokany ny fiantsoana tody satria Andriamanitra tsy voavidy vola ary tsy azo baikoina fa izay namboly vary kosa dia tsy minjinja katsaka.Ny tiako lazaina amin'i Bozylenta dia ny hoe aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra ao an-tampon'ny loha.Raha milaza moa i Bozylenta fa tsy Kristianina dia tsy hitako ny lazaina fa ny fantatro dia ny mpitondra ao Madagasikara dia milaza fa Kristianina ka raha tena Kristianina marina izy ireo dia aoka hanaraka hatsakany sy handavany ny fomban'i Kristy.Mba tsara hofantatrao anie ry Bozylenta fa raha miala eo amin'ny fitondrana anie ireo mpitondra ireo ka tsy hofaty é ka maninona no mifikitra amin'io fitondrana misy fihafarany io ka atao hatramin'ny famonoana olona, mbola averiko fa raha tsy nitory ny anaran'Andriamanitra ry zareo mba hentina hambaboana ny fon'ny vahoaka dia amiko mpanao politika izy ka na hovonoiny ao daholo aza ny olona inona ny olana ny azoko ambara aloha dia mbola kely aina ihany ry zareo satria raha ny fitaovana eo ampelatanany tsy hitako ny mahasakana azy tsy handripaka izay manelingelina anazy, jereo ny nataon'i Hitler é, ka maninona raha mba atao sa kely aina!

36. LL52
(
10/02/2009 07:23)
de tsy fantatra tsony zay tena mampalaelo @ ity tantara ity e!.
alao samy anao zay tiny atao any, tsy maintsy miala iany io oul io e...

37. xxx
(
10/02/2009 08:47)
alao samy anao zay tiny atao any, tsy maintsy miala iany io oul io e...
iza le oul e, LE8 ve ? rah izay dia miombokevitra