Very faty

1. xxx ( 08/02/2009 19:32)
Marina aloha fa efa natolotry ny filoha ho an’ny firenena ny MBS, mety vokatry ny nenina ve sa tena fanetren-tena ? Tena mbola tsy fantatra. Hitohy ny couvre feu, tsy azo atao ny mivorivory. Ny mpanohitra tsy maintsy hanohy ny tolona koa. Eo isika izany izao: ny fanjakana anefa tsy maintsy hiaro ny fananam-panjaka, ny olona kosa rehefa tenenin’ny mpitari-tolona hoe havia dia mankany, havanana dia torak’izany koa (moutons de panurge e!). Ny zava-misy aloha dia efa toy izao ny tamin’ny 1975, ny tamin’ny 1972, ny tamin’ny 1991 ary ny tamin’ny 2002. Alain Ramaroson no hany sisa mpanao politika mbola mampahatsiahy ny 10 aogositra nefa hatramin’izao ny fitsarana ireny “affaires” rehatra ireny ary ny mpanao ratsy mbola mirenireny, satria tsara any manamarika fa tsy tsinahy ireny akory. Dia mbola ho toy izany ihany ity indray mitoraka ity. Tena very faty ireny olona ireny ary ny marina tsy ho fantatra.

Hatreto dia tsara ny mampahafantatra fa tsy azo hantenaina intsony ny fiovan’ny fiainana eto Madagasikara. Tolona kisarisary hampandriana adrisa ny firenena mpiombona antoka ny hatao dia rehefa avy eo ny mpitondra manaraka mahazo vahana. Lazaina fa lanin’ny besinimaro io olona ary dia matetika ny ara-dalana sisa no ilaina hahafeno ny fenitra mba ho tomombana ny zava-drehetra. Dia tsy miova fa ny anarana fotsiny no miova fa mbola eo foana ny MMSM (Mpiara-MiSaosy Matsiro) ary mbola ny vahoaka ihany no mandoha ny lafo indrindra amin’izany manaraka izay ny fiaraha-monina.

Mbola tsy milavo lefona Ravalomanana, manantena ny hamerina amin’ny laonina ny fandriampahalemana teo aloha izy. Nolaviny anefa ny hiaino ny ankolafi-kery rehetra fototr’izao olana rehetra izao: nofohanany ny fanehoan-kevitra ireo olana rehetra ireo (Aoka Hazava, Johary Ravoajanary,…) Ny hany sisa mifanakalo hevitra aminy dia ireo mpanompo dia tsy iza izany fa ny ministra. Kanefa ireo efa fantatra fa tsy hahateny azy raha misy ny tsy mety. Hanarina hono izy! Nenina ve sa mbola fikirizana te hampiseho eo anatrehan’izao tontolo izao fa mahavita? Afaka hamonjy ny firenena? Sao dia be loatra ilay efa vita (n any ratsy io na ny tsara)?

Marina hono fa tsy tsara ny resy tsy miady fa fotoana angamba izao handehananao Ravalomanana. Be ny vitanao, avelao Madagasikara hiatrika ny ho aviny. Nolazaina fa filoha antonina ny Malagasy ianao (le president qu’il mérite) fa raha izao zava-mitranga izao no zohina dia diso iny kajikajy iny. Tsy hahavonjy ny Malagasy intsony ianao ary koa i Madagasikara ary mety tsy hisy intsony izany fa mandehana ny fiainanao hatreho (Mbola aiza ity fitsarana miandry anao!) Avelao ny gasy amin’izao fotoana tokony hampiarindoha azy, tsy ilainy intsony ny tantànana (Qu’ils se livrent à leur sort, il est temps qu’ils se prennent en charge, ils n’ont plus besoin d’être guidés).

Mafy izany, tena ho mafy aminao fa amin’ity indray mitoraka ity, mialà ary tsindrio ny far aha mikiry ianao tena ho ratsy dia ratsy ny fandehan-javatra. Izay ihany e !
novalian'i heidi ny 08/02/2009 19:47
2. heidi ( 08/02/2009 19:47)
ka zay vahoaka tsy tonga saina amin'izany dia hadalàna hoy aho!
ireo vahoaka haniky hatao fitaovana hanao fihetsiketsehana amin'ny fandrombana hery setra sy ny fanapotehana fandoarana etsy sy eroa no tiako lazaina eto.....
Marina hono fa tsy tsara ny resy tsy miady fa fotoana angamba izao handehananao Ravalomanana. Be ny vitanao, avelao Madagasikara hiatrika ny ho aviny. Nolazaina fa filoha antonina ny Malagasy ianao (le president qu’il mérite) fa raha izao zava-mitranga izao no zohina dia diso iny kajikajy iny

KA IZAY tonga eo mitovy daholo ihany, tsy misy azo antenaina amin'ny fampivoarana ny fari-piainan'ny vahoaka madinika fa tsy de olana amiko loatra na hijanona eo izy na hiala.....ny handimby azy zao hanao rapadango be mitsy....mody am voalohany foana no mamiratra fa après ho ahongana ndray de toy izany hatrany ity fiainan'ny gasikara
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2871