Vavaka ao anaty savorovoro.

1. soanja ( 07/02/2009 15:07)
Hitoetra aho ary hivavaka:

"Tompo o, ataovy ho fantsom-pitoniana avy aminao ny tenako, ka izay misy fankahalana dia aoka hitondra fitiavana aho... izay rehetra misy tsy fetezana, dia aoka ho fanahy mpamela heloka aho, ... izay rehetra misy fifandirana, dia aoka ho fanilo firindrana aho... izay rehetra misy heloka dia aoka hitondra fahamarinana aho, ... izay rehetra misy ahiahy, aoka ho mpitondra finoana aho, ... izay rehetra misy fahakiviana dia aoka hitondra fanantenana aho, ... izay rehetra misy aloka, aoka ho fanilo aho, ... izay rehetra misy alahelo dia aoka hitondra hafaliana aho.
Tompo o, enga anie ka ho mpampionona aho toy izay hampiononina. Handray tsara izay lazaina aho toy izay ho azon’olona ny teniko... Hitia toy izay hotiavina.
Fa satria mantsy eo am-panadinoana ny tenany no ahita ny tena mahaizy azy ny olona iray. Eo ampamelan-keloka no ho voavela heloka ny olona iray. Ary eo am-pahafatesana no hifoha ahita ny fiainana mandrakizay ny olona iray."
St Francis.

novalian'i soanja ny 10/02/2009 06:32
2. ikaretsaka ( 07/02/2009 15:14)
« Les expériences heureuses apportent de la joie à la vie, les expériences pénibles lui donnent solidité et profondeur : tout progrès spirituel se fait à travers la souffrance, pourvu que vous appreniez à utiliser la souffrance
pour en finir avec elle.

Lorsque vous souffrez, ne vous détournez pas, ne rationalisez pas la douleur, ne la justifiez pas non plus, et tentez encore moins de l'oublier ou de passer par-dessus.

La seule manière de réagir à la souffrance est de lui faire face, de la regarder droit dans les yeux, de l'observer, de la comprendre.

Quelle est l'illusion cachée derrière cette souffrance ?

Quel attachement, parmi ceux que je collectionne, s'est vu menacé lorsque

la douleur a pointé à l'horizon? Lequel de mes conditionnements a été violé?



Voilà l'occasion rêvée de me connaître moi-même, de corriger mes défauts, d'améliorer ma vie. Mais au lieu de le faire et de profiter de cette occasion rêvée, nous faisons le contraire: nous commençons par rejeter la faute de

nos malheurs sur tout le monde, nous nous plaignons de nos adversaires,

de la société, du gouvernement, même de Dieu.

Nous avons facilement recours à l'auto-compassion, à l'amertume, à la

dépression, ou nous essayons d'étouffer notre désespoir par le travail ou le cynisme.

Ces échappatoires nous blessent doublement au lieu de nous guérir.

Si nous apprenons à tirer profit de nos souffrances, nous avancerons

à grands pas dans la vie spirituelle."

St Ignace de Loyola
3. soanja ( 07/02/2009 15:30)
Ika> :-* :-* :-*

Ny vavaky ny fitoniana.

Ry Ray Tsitoha o, omeo ahy ny fahatoniana hanaiky ireo zavatra tsy afaka hovaiko sy ny fikirizana hanova ireo izay tokony ho vitako ary indrindra ny fahendrena amin'ny fahalalana ny mampiavaka an'ireo roa ireo.
Ifaliako ny fanomezanao ahy ny andro iray iainako isanandro ary iravoako izany fotoana izany isaky ny mitranga.
Ny Fanekeko ny fijaliana izay lalana mankany amin'ny fitoniana sy ny fandraisana ity fiainan-tsarotra be siasia ity amin'ny mahaizy azy, toy ny nandraisan'ny Zanakao azy, fa tsy amin'ny tokony hahampety azy amiko ary ny fahatokisana fa Izy irery ihany no afaka hamita ny zava-drehetra tsy hisy tomika raha toa ka apetrako aminy ny aiko sy ny faniriany ho ahy, no hany mety hazahoako amim-pamendrehana ny hafaliana amin'ity fiainana ity ary ho fahasoavana safononoka miaraka aminy mandrakizay. Amen- Reinhhold Niebuhr


(l) (l) (l)
4. xxx ( 07/02/2009 17:08)
Miala tsiny aloha raha tsy te hiombona aminareo amin'ny zavatra ohatr'izao. Ny olombelona no nahatonga izao savorivory rehetra izao, matoa mahay manakorotana dia vonona ny handamnina zany. Aza ny anaran'Andriamanitra no tsiratsiraina amin'ny zavatra ohatr'izao. Omen'Andrimanaitra safidy malaka isika ka izay anaovantsika ny fiainanatsika fa tsy hoe rehefa misy ny dégat de mody lazaina hoe izay no sitrapon'Andriamanitra, mino aho fa hifoha amin'izay no filoha ka samy hamaly ireo araka ny asany avy ary raha nihetsika aloha izy dia ho vitsy noho izao ny rà latsaka, izay ihany no tsiny omeko azy, tsy mila piptié sy ny sisa zany raha resaka fandriampahalemana no tandrovina vahoaka firy no manantena anao tsy tokony atao ambanin-javatra. En politique anie comme à la guerre e! pas de quartier, quand on commence vonona ny hiatra ny vokany! Tuons-les tous d'abord on essayera de mieux faire connaissance, rehefa miaraka amin'ny amboa haolo dia amboa haolo.
5. ikaretsaka ( 07/02/2009 22:49)
Ny olombelona no nahatonga izao savorivory rehetra izao,

ny olombelona ange fiasana e.. eny na manana safidy aza
6. marozevo ( 07/02/2009 23:29)
Tsy avy amin'Andriamanitra tokoa aloha izao e... nefa tsy fahadisoana mihitsy ny mitodika amin'Andriamanitra sy mivavaka, indrindra amin'ny fotoana toy izao.
Fa ny mivavaka mangina koa anefa mety.
7. ikaretsaka ( 08/02/2009 01:52)
Fa iza no mandahatra ry marozevo? Amiko raha tsy sitrany de tsy nataony hisy akory aza ary tsy navelany nitranga
8. xxx ( 08/02/2009 04:44)
Fa tena mandaitra ve ny vavaka amin'izao?
Ataoko ity mivavaka daholo ny rehetra koa no izao ihany no mitranga sa izao mihitsy le sitrapon'Andriamanitra?
9. soanja ( 08/02/2009 08:44)
xxx:

Fa tena mandaitra ve ny vavaka amin'izao?
Ataoko ity mivavaka daholo ny rehetra koa no izao ihany no mitranga sa izao mihitsy le sitrapon'Andriamanitra?


Mandaitra tokoa ny fahatsapako azy ho ahy. Saingy samy manana ny fomba entiny miatrika zava-tsarotra isika rehetra.

Ny hanome tsiny an'Andriamanitra kosa dia sanatriaviko tokoa satria tsy ahy ny fahafahana hanao izany. Mangataka kosa dia azontsika atao. Maniry ny soa dia tsy zavamahagaga izany.

Raha ny amiko dia ny fangatahana fitoniana ho an'ny tenako hiatrika zava-tsarotra no vahaolana satria tsy misy afa manoatra amin'ny zavamisy isika rehetra. Azy ny fahafahana manantanteraka.

10. marozevo ( 08/02/2009 17:00)
mino zany ikaretsaka fa andriamanitra no nampisavorovoro teo.
11. ikaretsaka ( 08/02/2009 18:03)
marozevo> Andriamanitra amiko dia mpandahatra toavina, ary tsy misy zavatra tanteraka sy mitranga na iray aza raha tsy lahany sy sitrany!
12. mia ( 08/02/2009 20:33)
xxx:

Fa tena mandaitra ve ny vavaka amin'izao?
Ataoko ity mivavaka daholo ny rehetra koa no izao ihany no mitranga sa izao mihitsy le sitrapon'Andriamanitra?


Izao indrindra no fotoana tena tokony hivavahana tsy mitsahatra!!
Betsaka angamba no mahalala ny tantaran'i joba!! joba ilay nandalo fitsapana mafy; fitsapana navelan'ny Tompo ihatra taminy!
Ary fantany ny zav-drehetra ka izay mialoka aminy dia tsy matahotra, tsy mierikerika satria tantanany!

Zaraiko aminareo ity messages tao amin'ny site top chrétien ity fa tena nampahery ahy ary iriako sy inoako fa ho toy izany koa amin'izay mamaky azy

Le livre de Job traite d’un sujet auquel personne n’aime penser : l’épreuve permise par Dieu. En réfléchissant au cas de Job, il est important de nous souvenir que Dieu connaît l’issue de toute chose dès son commencement (Ésaïe 41.26). Il est souverain et sait comment tout se terminera. S’il permet au diable d’interférer dans nos vies, il lui fixe cependant des limites. Satan et ses démons ne peuvent nous attaquer, nous tenter ou nous faire du mal que dans les limites fixées par Dieu.

Job a passé son épreuve avec succès et Dieu l’a comblé de bénédictions encore plus abondantes qu’auparavant.Cependant, nous devons comprendre qu’il peut arriver que Dieu retire sa main protectrice pour un temps. Nous pouvons par conséquent traverser des épreuves et des tribulations ; vivre des moments de tourmente et d’incertitude et connaître des situations désagréables, voire douloureuses. Tout comme Job, nous pourrions alors nous demander si Dieu nous a abandonnés, si nous avons commis quelque péché ou si nous sommes punis injustement.

Nous devons être conscients qu‘il est possible de traverser des épreuves, mais que Dieu est toujours sur le trône. La Bible nous dit : "Mes frères, regardez comme un sujet de joie complète les diverses épreuves auxquelles vous pouvez être exposés." Notre foi, lorsqu’elle est éprouvée, produit la patience. Si nous persévérons, nous deviendrons "parfaits et accomplis, sans faillir en rien" (Jacques 1.2-4).

Traversez-vous aujourd’hui des épreuves et des tribulations ? Vous sentez-vous tiraillé ? Rappelez-vous que Dieu regarde à votre cœur. Job a passé son épreuve avec succès et Dieu l’a comblé de bénédictions encore plus abondantes qu’auparavant. Restez fidèle en toutes situations. Continuez à le louer et le servir ! Soyez assuré que Dieu siège sur le trône du monde et de votre vie. Persévérez ! Il vous fortifiera et vous récompensera.

Une prière pour aujourd’hui

Père, je te soumets les situations que je traverse actuellement. Donne-moi la sagesse et la force. Merci pour la victoire ! Je te confie ma vie. Au nom de Jésus. Amen.



John Roos


(l)
13. cutie ( 08/02/2009 21:54)
Mpandefa : marozevo [ Valio ] 08-02-2009 00:29:55
Lohateny : Re : Vavaka ao anaty savorovoro.
Tsy avy amin'Andriamanitra tokoa aloha izao e... nefa tsy fahadisoana mihitsy ny mitodika amin'Andriamanitra sy mivavaka, indrindra amin'ny fotoana toy izao.
Fa ny mivavaka mangina koa anefa mety.

ny devoly no nahatonga an'zao e lol
14. bounany ( 09/02/2009 09:39)
Za kou miombon-kevitra amin'ny hoe tsy avy amin'Andriamanitra velivelyzao korontana diavin'ny firenentsika zao! nefa tsy mahadiso kosa ny mitodika any aminy mitady famonjena.
Nohon'ny devoly zao fa ts y avy amin'Andriamanitra akory: satria raha ny sitrapony (A/tra) dia hiadam-pianaritra isika olo-vivants.
15. bor2lais ( 09/02/2009 09:59)
Misaotra an'i mia t@ fizarana : tena mampahery tokoa !
16. tsikikely ( 09/02/2009 10:52)
Aleo angamba dia mibaboka. Raha misy zava-mitranga toy izao amin'i Madagasikara dia mino aho fa mila mivavaka sy mifona amin'Andriamanitra isika Kristiana fa isika no jiro ho an'ny firenena, mieritreritra aho fa ao anatin'izany RA8.
Matoa izao no misy dia famaizana ho antsika, nefa na ny devoly sy ny olona ampiasainy dia mbola eo ambany fahefan'Andriamanitra.
Tsy tsapanareo ve fa tsy mety amin'ny devoly mihitsy ny fiadanana é. Raha ny tiany dia olona tsy Kristiana (= marionnette) no mpitondra dia amin'izay azy Madagasikara.
Andao hiara-mivavaka amiko. Misaotra Anao Andriamanitra fa mbola velon'aina aho anio hivavaka ho an'ny taniko. Mifona Aminao aho amin'izay tsy maha-mendrika ahy ary mifona Aminao amin'izay tsy mety ataon'ny mpitondra (RA8 sy TGV). Omeo fahazavan-tsaina ny mpitondra mba hiadana ny taninay. Mangataka ny fiononanao ho an'ny fianakaviana namoy malala.
Amin'ny anaran'i Jesosy. Amena
:!: :!:
17. herysedra ( 09/02/2009 11:40)
Manantena ny tsirairay ho salama mandray ity taratasy ity.
Amin'izao fotoana izao, tsara raha tohizana ireo ezaka rehetra ataon'ny tsirairay na ny vondron'olona manatsara ny fiainam-piaraha-monina eto Antananarivo na any anindrana toy ny fitandrovana ny aina,
ny fahafohizan-tena ho an'ny hafa, ny firaisan-kina @ mahantra.
Endrika ahafahana manohy izany ezaka izany ny fanehoan-kevitra ankalamanjana @ alalan'ny sora-baventy mampiseho ireo soatovina lehibe katsahantsika mpiara-monina.

Mba ho tsotra sy mazava ny fanehoan-kevitra dia tsara raha teny iray na roa
no misoratra eny @ sora-baventy toy ny hoe "Fitandrovana Aina", "Fahafoizan-tena", "Firaisan-kina", "Fifampitsinjovana", "Fihavanana", "Fanetren-tena", "Fanoloran-tanana", "Fifanabeazana", "Soa iombonana", "Fifanampiana", "Fiaraha-monina", "Fanantenana".

Tsy fanoherena olona na vondron'olona, tsy fiandanina olona na vondron'olona, tsy fandresen-dahatra olona na vondron'olona no tanjona fa fanentanana sy fanehoana ireo soatoavina lalain'ny mpiara-monina.

Io fanehoan-kevitra io dia afaka ataon'ny tsirairay mandra-pahatsapany fihatsarana eo @ fandalana ilay soatoavina anentanany ny mpiara-monina. Afaka atao isaky ny @ 12 ora hatr@ 1 ora ary any @ toerana ankalamanjana ifanarahana mialoha isaky ny fihaonana, toy Vasakaosy-Andavamamba, Mahamasina-Anosy, Antanimena-Ankorondrano, Ankorahotra-Bel Air, izany fanehoan-kevitra izany @ izao vanim-potoana izao.

Tsara raha tsy misy mpitarika na taritina ny fanehoan-kevitra atao fa samy tompon'andraikitra @ rehetra toy ny @ tenany.

Raha misy vonona dia atomboka @ Talata izao miainga eo anoloan'ny Kianjabe Mahamasina ary manodina @ trottoir an'Anosy izany fanehoan-kevitra izany.
18. soanja ( 10/02/2009 06:32)
herysedra:

Manantena ny tsirairay ho salama mandray ity taratasy ity.
Amin'izao fotoana izao, tsara raha tohizana ireo ezaka rehetra ataon'ny tsirairay na ny vondron'olona manatsara ny fiainam-piaraha-monina eto Antananarivo na any anindrana toy ny fitandrovana ny aina,
ny fahafohizan-tena ho an'ny hafa, ny firaisan-kina @ mahantra.
Endrika ahafahana manohy izany ezaka izany ny fanehoan-kevitra ankalamanjana @ alalan'ny sora-baventy mampiseho ireo soatovina lehibe katsahantsika mpiara-monina.

Mba ho tsotra sy mazava ny fanehoan-kevitra dia tsara raha teny iray na roa
no misoratra eny @ sora-baventy toy ny hoe "Fitandrovana Aina", "Fahafoizan-tena", "Firaisan-kina", "Fifampitsinjovana", "Fihavanana", "Fanetren-tena", "Fanoloran-tanana", "Fifanabeazana", "Soa iombonana", "Fifanampiana", "Fiaraha-monina", "Fanantenana".

Tsy fanoherena olona na vondron'olona, tsy fiandanina olona na vondron'olona, tsy fandresen-dahatra olona na vondron'olona no tanjona fa fanentanana sy fanehoana ireo soatoavina lalain'ny mpiara-monina.

Io fanehoan-kevitra io dia afaka ataon'ny tsirairay mandra-pahatsapany fihatsarana eo @ fandalana ilay soatoavina anentanany ny mpiara-monina. Afaka atao isaky ny @ 12 ora hatr@ 1 ora ary any @ toerana ankalamanjana ifanarahana mialoha isaky ny fihaonana, toy Vasakaosy-Andavamamba, Mahamasina-Anosy, Antanimena-Ankorondrano, Ankorahotra-Bel Air, izany fanehoan-kevitra izany @ izao vanim-potoana izao.

Tsara raha tsy misy mpitarika na taritina ny fanehoan-kevitra atao fa samy tompon'andraikitra @ rehetra toy ny @ tenany.

Raha misy vonona dia atomboka @ Talata izao miainga eo anoloan'ny Kianjabe Mahamasina ary manodina @ trottoir an'Anosy izany fanehoan-kevitra izany.





=D> =D> =D> Mahafinaritra tokoa izany fanentanana eritreretinao izany. Misoatra indrindra manentana anay eto amin'izany fa io tokoa no tena fototra hahazoantsika olom-banona na olom-pirenena hendry sy mamokatra.

Ny tsiny kely fotsiny momba ahy dia tsy any Mada aho fa raha tsy izany dia tonga tokoa nanampy teo tokoa.

Na izany anefa na tsy izany dia efa manao ezaka mitovitvy amin'ny ataonao izahay ary any ambanivohitra lavitra be tokoa no anaovana izany saingy tanana maro isan-karazany (Andavamamba Antananarivo, Androranagavola Ambohimaga du Sud, Ranomafana Fianarantsoa, Sandrohy Mananjary, Andalamengoka, Sakaraha, Andalamby Tulear). Ny anaran'ny programa iasanay dia " Zaza Mifampizara Traikefa sady Miaro ny Tontolo Iainana." Io programa io dia manoro ny ankizy ny lalana tsara ombana, fomba fijery rehefa mifandray ny samihafa fomba amam-panao sy ny razana sns... ary ahoana ny ahafahana manorina tanjona iombonana ka haharitra ny fifankatiavana sy ny firaisan-kina ary ny fifanajana. Miafara lalandava amin'ny fambolen-kazo sy fianarana mandio ny tanana ary ny fianarana mampiasa lavam-piringa izany fihaonana izany.

Miantomboka lalandava amin'ny tsirairay ny finiavana, izay vao afaka manaparitaka azy amin'ny hafa isika.

Mazotoa lalandava amin'izay atao. Misaotra indrindra. Soanja
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0629