firaisankina no lalana ialàna @ fahasahiranana misy

1. naughtyboy ( 07/02/2009 04:28)
@ mahaolompirenena tsotra mahatsapa ireo olana arapolitika miseho eo @ mpitarika antoko ao amintsika dia fiarahamiasa no andrasana eo @ 2 tonta @ izao vanimpotoana izao.Ilaina ny @ fifanarahana @ andaniny sy ny ankilany hanangana fitondrana tsy mitanila @ fandrindrana ny fianampirenena fihatoany governemanta tsy toa teny sy tsy mahefa ankehitriny alohany irosoana ny fitsapankevibahoaka,iarahamahalala fa mikatso ireo kodiarana sy milina manodina ny fianampirenena ,tsy vao izao akory no niato ireo famatsiambola avy any ivelany fa efa t@ 2008 oh. raha mbola tsy tonga ny korontana dia efa taratry ny fikambanana vondrona eropeana sy ireo vondrona kanadiana,afrikana ary ny amerikana (cadre de partenariat)samihafa
noho ny tsy fahombiazany mangarahara t@ fitondrany le8.
Ity antoko mpanohitra tarihiny Andry.R ity moa izay nosoloiny tena ny fitondrana ny feombahoaka dia tsy mbola mazava tanteraka ny tetipanorona sy rafitra maty paika azony atolotra ,ny fiziriziriany roa tonta dia tsy anampy na kely aza @ fampandehanandraharaha ,ny fifanatonana ihany no vahaolana tokana ialana @ izao toedraharaha izao ary firosoana @ fitsapankevibahoaka
isika rehetra no hitsara ny adilahy ateraky ireto mpitarika 2 lahy ireto ka anjarantsika no mandinika eto ampiandrasana ny ho tohiny ny zavamiseho
2. klitika ( 07/02/2009 05:25)
Inona no atao hoe fitondrana tsy mitanila?
Moa ve rehefa zaraina ny seza dia tsy mitanila ny fitondrana?
Moa ve rehefa samy mahazo tombontsoa ny antoko politika mpifanandrina dia izay no tsy mitanila?
Ohatry ny efa samy nisy teto mantsy ireo.
Rehefa misy ny fikomiana dia lazaina ombieny ombieny ny hoe feon'ny vahoaka, rehefa mipetraka izay tiana apetraka anefa dia very ilay feon'ny vahoaka. Dia raikitra indray ny tolona IV, na V na VI na VII na VIII na IX etsetra.
Ka isaky ny fito taona izany dia hisy hetsika fanoherana dia hisy fitsapan-kevi-bahoaka foana.
3. OoRakotooO ( 07/02/2009 05:45)
Izaho indray Naughty dia mihevitra fa tsy hafaka ny hitondra vahaolana ny mpanao politika satria noho ny antony roa:
1. Haka fahefana mba hibizina no alehan'ireo eo fa tsy hamandroso ny firenena. Noho izany tsy maintsy mipetraka aloha ny rafitra hifehezana ny mpitondra vao mety hisy fiovana izay toe-tsaina izay.
2. Eto @ ity forum ity aza, izany hoe olona mahita internet hafaka mahita izay information rehetra ilaina ERAN-TANY nefa mbola misy tery saina be sy tsy mahita hafa tsy izay jeren'ny fony fa izay zavatra misy. Ka noho izany tsy ny fitsapan-kevibahoaka velily no hampandroso maharitra satria ny ankamaroan'ny gasy dia tsy hafaka mitsara "rationnellement" fa mitsara ambolony sy @ fony fotsiny. Na tsara avo 100 heny noho ny fankanisana eny an-dalambe aza ny fifidianana dia formalisme politique fotsiny mba hanomezana endrika demokratika ny rafitra politika fa ny tena fandrsoana.

Ny tiako hatongavana izany dia ny fahaizan'ny tsirairay (izaho, ianao sy izay te hisaina sy ampiady hevitra) sy ny olona izay miray tombotsoa na miray asa fa manana tombotsoa mifanipaka no tokony miaraka miady hevitra hampandroso fa tsy ny demokrasia.
Ohatra : hitako vendrana be ilay fomba frantsay nolovain'ny gasy mikasika ny fangatahana fisondrota-karama hoe ny sindika @ ilany, ny mpampiasa @ ilany dia ny fanjakàna @ ilany. Tsy mety hitovy mihitsy ny condition misy ny mpiasa rehetra ka noho izany dia tsy maintsy mandeha tsirairay ny adi-hevitra fa tsy atao faobe mantsina fotsiny. Raha orinasa efa mahazo tombony betsaka tsy mety hitovy @ orinasa vao mihary; raha mpivarotra kafe amorondalana tsy hitovy @ Colbert, sns.. Maninona moa ny "cadre" no mahavita an'izany fiadiana karama ho azy tsirairay avy izany fa tsy ny mpiasa madinika? Satria heverina fa hoe dondro-p ny mpiasa madinika, nefa tsy izay velively ny marina fa tsy manana (na tsy homena) vaovao (informations) izy mba ahafahany mandrindra sy mandrafitra ny fangatahany.
Eo izany ilay izy hoe tokony ho azon'ny rehetra ny vaovao ahafahana miady hevitra mba tsy hisian'ny fanararaotanana dia avy eo samy miady ho an'izay tandrifiny satria tsy misy antony mihitsy hoe izaho mpaka fako nefa andeha hiady ho an'ny mpamboly ohatra. Na hoe mpiasa vendrana tsy mamely ery dia ahazo ny tombotsonan'ny fikirizana ataon'ny mpiasa hafa.
Izany koa no mahatonga aho miteny foana hoe hevitra tsara ilay federalisma fa izy avy any @ DD dia toa mamofona ady merina sy tanindrana nefa inona no no tokony hampitovy ny vola homen'ny fanjakana an'i toamasina sy Betroka atsimo ohatra?
4. naughtyboy ( 07/02/2009 06:24)
ozy klitika
Inona no atao hoe fitondrana tsy mitanila?

misy marina ny voalazany klitika manaraka eo ambany,amiko tsy ny famaritana na teny tsara lahatra no zvdehibe eto fa ny fampiharana aradrariny sy hitsiny ny andraikitry fitondrana voaharamaso sy fampizarana ny fahefana isan'ambaratongany @ mba ampandroso ny soa iombonany daholobe fa tsy antokon'olona vitsy,izay tsy nojerena sy natao ankilabao hany ka didy kofehy lehibe ny fitondrana nisy hatrizay ary nanao izay daniny kibony ,lesoka ny tsy fisiany rafitra fifampitaizana arampiarahamonina sy fitantanana aratoekarena ary fampahalalana mitsinjo ny ho avy ny tombotsoany maro an'isa
5. naughtyboy ( 07/02/2009 06:53)
Rakoto > ekeko tanteraka ilay rafitra tsy maintsy apetraka fanarahadalàna sy fifehezana ireo mpitondra nomena andraikitra @ fitantanana satria io no antony nanimba ny fiainampirenena ataonany maro,oh. ny HCC izao efa 7 taona tsy nisy andraikitra no raisiny manoloana ny tsy mangarahara nataony fitondrana fa ireo aty ivelany indray toy ny IMF,WB,WTO ..no manatsikafona ireny ary mahita ny fanamparampahefana ataony ireo mpitondra.
Tsy rafitra fampitoviana ny tombotsoa akory ny ambaratonga samihafa fa fitandrovana ny zo sy sata izay nalàna t@ ireo maro an'isa isan'ambaratonga.
Ny federalisma dia hevitra tena tsara ahafahany isamparitra miezaka manentana sy mampandroso ny faritra afaka mahaleo tena @ fampandehanandraharaha isantokony,navadiky ireo mpanao politika izany ho fandranitana ny isampoko noho ny fahefana voazara izay nalaina t@ izy ireo

Izany rehetra izany no mahatonga ahy hilaza fa ilaina ny fitondrana tsy mitanila izay miankina @ ireo mpanao politika fa vondrokery hanazava sy hanana andraikitra hitsilo ny sainy rehetra @ ireo soridalana mazava fanarenana ny tombotsoampirenena sy fifehezana ireo mitazona fahefana ,
hialàna @ izay ny fandrebirebena ataony ireto mpanao politika manodina ny safidimbahoaka hatr@ izay
6. naughtyboy ( 07/02/2009 06:58)
fanitsiana
Izany rehetra izany no mahatonga ahy hilaza fa ilaina ny fitondrana tsy mitanila izay TSY miankina @ ireo mpanao politika fa vondrokery hanazava sy hanana andraikitra hitsilo ny sainy rehetra @ ireo soridalana mazava fanarenana ny tombotsoampirenena sy fifehezana ireo mitazona fahefana ,
hialàna @ izay ny fandrebirebena ataony ireto mpanao politika manodina ny safidimbahoaka hatr@ izay
7. ndenn ( 07/02/2009 09:25)
naughtyboy:

Rakoto > ekeko tanteraka ilay rafitra tsy maintsy apetraka fanarahadalàna sy fifehezana ireo mpitondra nomena andraikitra @ fitantanana satria io no antony nanimba ny fiainampirenena ataonany maro,oh. ny HCC izao efa 7 taona tsy nisy andraikitra no raisiny manoloana ny tsy mangarahara nataony fitondrana fa ireo aty ivelany indray toy ny IMF,WB,WTO ..no manatsikafona ireny ary mahita ny fanamparampahefana ataony ireo mpitondra.
Tsy rafitra fampitoviana ny tombotsoa akory ny ambaratonga samihafa fa fitandrovana ny zo sy sata izay nalàna t@ ireo maro an'isa isan'ambaratonga.
Ny federalisma dia hevitra tena tsara ahafahany isamparitra miezaka manentana sy mampandroso ny faritra afaka mahaleo tena @ fampandehanandraharaha isantokony,navadiky ireo mpanao politika izany ho fandranitana ny isampoko noho ny fahefana voazara izay nalaina t@ izy ireo

Izany rehetra izany no mahatonga ahy hilaza fa ilaina ny fitondrana tsy mitanila izay miankina @ ireo mpanao politika fa vondrokery hanazava sy hanana andraikitra hitsilo ny sainy rehetra @ ireo soridalana mazava fanarenana ny tombotsoampirenena sy fifehezana ireo mitazona fahefana ,
hialàna @ izay ny fandrebirebena ataony ireto mpanao politika manodina ny safidimbahoaka hatr@ izay


Amiko dia fihemorana any aoriana be ary tsy vahaolana ny manao federalisma ,efa nisy izany t@ andron'ny ntaolo ary nodikain'ireo mpanjaka nifandrirotra ny fitondram-panjakana ,ary hanome opportunité ho an'ireo multinationaux sy jiolahy izay mikatsaka tombony @ izao zavatra miseho izao .Avantage be ho an'i Mada ny maha nosy azy raha tena mandinika isika .Lazaina fa tonga lavitra iJapon sy grande bretagne ,etsetra ,fa rehefa tena jerena @ maso tsy miangatra dia tsy izany velively no miseho any .Ny fahitako azy dia fifanjevoana vokatry ny exploitation de la ressource humaine tsy foafehin'ny mpanao politika no tena 1 indrindra nahatonga ny zavatra manorisory sy mandreraka toa izao .Na inona na inona sata sy ambaratongam-pifehezana tianareo haroso dia tsy hitondra vokany inona izany raha tsy manao méditation en profondeur @ situation réelle n'i Mada ianareo .

:idea:
8. naughtyboy ( 07/02/2009 10:28)
voalaza
Lazaina fa tonga lavitra iJapon sy grande bretagne ,etsetra ,fa rehefa tena jerena @ maso tsy miangatra dia tsy izany velively no miseho any .Ny fahitako azy dia fifanjevoana vokatry ny exploitation de la ressource humaine tsy foafehin\'ny mpanao politika no tena 1 indrindra nahatonga ny zavatra manorisory sy mandreraka toa izao .

tsy idirako lavitra ny @ io fa kolotsaina politika efa aman\'arivo taona nifandimby raha jerena no nahatonga izany (anglo -saxon dia taona 927 to 1707 no niroborobo izany kingdom of England )ary ,ny empire zapone(1868-1945)meiji-showa/hirohito nanjanaka firenena marobe @ alalany exploitation de la ressource humaine sy ny hareny ireo voazanaka(tanjona izy ireny ary tena voafehiny mpanao politika tokoa,tsy azo ampitahaina @ M.kara izay 1824 vao nitambatra ho eo ambany fitondrana mpanjaka 1 Napoina(1745 – 1810 ) ka nahatonga an\'i Antananarivo ho renivohitra (de facto capital ohatrany Tokyo,London) ,fikambanany faritany maro2 ary M.kara ho firenena iray
Raha ny filozofia politika ny federalism no jerena arabakiteny dia tsotra faritra mahaleo tena na faritany mizaka tena nefa miankina @ fitondrampanjakana ao anaty firenena misy azy,mbola be ireo firenena occidental mandala azy io(canada,germany,U.S.A sy Switzerland izay antsoina arateknika oe assymetric)tsy azo adino ko i malaysia sy bresil...Ao koa ireo firenena sasany nalaintsika tahaka taorinany fanjanahantany toa an\'i frantsa ao ko austria izay mifanohitra @ izany antsoina oe état unitaire na état de nation
Ny ao amintsika no alaina sombiny oh. dia ny nanaovany le8 any Tamatave ho capital ekonomika izay tsy ratsy raha ny fanitarana ny fandraharahana arabarotra no resahina mba ahafahany faritany hafa mahaleo tena sy mampandroso ny sehatra toekarempirenena,misy tokoa ny mahatsara izany fa ny fandikana azy ho zv mirefarefa toy ny adimpoko sns, no tena tsy ahazahoana ny dikany marina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0496